Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

22 Novambra 2015

Tantara tamin'ny 22 Novambra 2015

Sioka Dimy Voalohany: Mamazivazy Ny Sivana Amin'ny Aterineto Ny Iraniana

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny fikorontanana vao haingana tamin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram. Nanararaotra izany ireo mpiserasera Twitter ao amin'ny firenena mba haneho fitarainana ankapobeny bebe kokoa momba ny aterineto miadam-pandeha, lafo vidy sy voasivana loatra, fantatry ny Iraniana sasany amin'ny hoe 'filternet'.

Vehivavy Nomena Voninahitra Noho Ny Zavabitany Ho An'ny Fanatanjahantena

Notoloran'ny Kaomity Olaimpika Iraisampirenena (IOC) fankasitrahana ireo olomalaza sy fikambanana izay nanampy nampivoatra sy nampiroborobo ny fandraisana anjaran'ny vehivavy amin'ny sehatra rehetra eo amin'ny fanatanjahantena

Aiza Ny Hatezerana Noho ilay Fanolanana Faobe Tao Sodàna Atsimo Rotiky Ny Ady?

Tsy anavakavahana ireo fanafihana ara-nofo feno herisetra. Lasa ampiasaina ho fitaovam-piadiana amin'ny ady ny fanolanana any amin'ny ady an-trano amin'ilay firenena.

Mamelona Indray Ny Teny Yekuana Heverina Ho Ampianarina Any Amin'ny Anjerimanontolo

Manomana ny voka-pikarohany atao boky momba ny fifandraisana eo amin'ny teny, ny torohay, sy ny teknolojiam-pifandraisana ny mpianatra indizeny Yekuana iray.