Namoahan'i Mahsa sary avy ao Utrecht sy Amsterdam tao amin'ny kaonty Instagram @globalvoicesonline nandritra ny herinandro maninjitra, ho fisantaran'asa vaovao hanehoana ny hakanto, ny fahasamihafana ary ny fielezan'ny fikambananay.
Isa-kerinandro ianao mety ampahafantarina mpikambana iray ato amin'ny vondrom-piarahamoninay amin'ny alalan'ny kaontinay Instagram.
Ao anatin'ny roa volana ianao – raha mandeha tsara ny nandrafetanay azy ny zava-drehetra – dia hahafantatra olona, hahita toerana sy hamaky tantara avy ao Bangladesh, Maraoka, Libanona, Però, Alemaina, Espaina, Soisa, ary Ogandà ato amin'ny @globalvoicesonline amin'ny fijery tokan'ny fiarahamonina Global Voices.
Manana mpandray anjara avy amin'ny firenena 160 izahay. Ao anatin'ny herintaona izahay dia manantena hitantara firenena am-polony vitsivitsy. Inona no iantsoanay ity fanandramana ao amin'ny Instagram ity? Tsy mbola nametraka anarana izahay, saingy azonao antsoina hoe #dayinthelifeofGV na #GVInsta izy ity.
Amin'ny herinandro i Mahsa hanolotra ny fitantanana ny Instagram ho eo ampelatanan'ny mpitarika ny fikambanana Global Voices antsoina hoe Marianna Breytman ao New York. Herinandro aorian'izay, ny tonian-dahatsoratra amin'ny teny Espaniola, Juan Arellano indray no handray izany avy ao Lima, Però ary i Pernille avy amin'ny ekipanay ao Afrika Atsimon'i Sahara indray ny manaraka, dia avy ao avaratr'i Ouganda.
Raha te hahita indray mipimaso ny dikan'izany, jereo ireo sary sy tantara sasany nozarain'i Mahsa ao amin'ny @globalvoicesonline tamin'ity herinandro ity. Iraniana-Kanadiana mpikaroka momba ny aterineto i Mahsa, mamita ny mari-pahaizana Master momba ny Mediam-baovao sy ny Kolontsaina Nomerika ao amin'ny Oniversiten'i Amsterdam izy amin'izao fotoana izao. Amin'ny maha-toniandahatsoratra momba an'i Iran azy, dia manatsara ny fitantarana ataonay amin'ny alalan'ny tantara momba ny fihaonan-dalan'ny teknolojia sy ny zon'olombelona, ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahafahana mahazo vaovao ao Iran i Masha.
Miarahaba, @maasalan aho, tonian-dahatsoratrareo amin'i Iran . Izaho no manomboka ity fanandramana kely ataontsika ity izay manaraka ireo mpikambana ato amin'ny GV mandritra ny tontolo andron'izy ireo ao anatin'ny herinandro. Ankehitriny, tokony hanomboka ity fanandramana ity amin'ny fampahafantarana ny tenanay izahay, saingy somary miova kely no anaovako azy noho ny zava-nitranga ora vitsivitsy lasa izay.
Mahatsapa ho hafahafa aho raha tsy tohina tamin'ny loza nitranga nahazo an'i Paris tamin'iny alina iny raha io no hany zavatra resahan'ny media sosialiko tao anatin'ny hirifiry, ary lohahevitra niadiko hevitra tamin'alahelo tamin'ireo namako hatramin'ny nivoahan'ny vaovao. Ary namoaka sary hariva tamin'izaho tany volana vitsivitsy lasa izay niaraka tamin'ireo namana Pariziana akaiky roa, sady mpikambana ao amin'ny fikambanana Global Voices – -@lenguarez & @yezkagonzalez.
Ankehitriny, Hitako ho mahakivy ny fandripahana nitranga tao Parisy satria namasoka ireo loza mahatsiravina namely ireo faritra hafa tamin'ny herinandro lasa, anisan'izany i Beirota, sy faritra maro ao Syria sy Irak. Tsy misy ny mari-pandrefesana ny maha zava-dehibe azy ireo. Azy ity sary avy ao Parisy navoakako ity satria vao haingana aho no tao amin'izany tanàna izany, ary noho ny loza nitranga, dia mahatsiaro ho manana fifandraisana ho azy sy mahatsiaro voatohina ho azy aho. Nanohina ny foko izany satria tanàna mahafinaritra i Parisy, indrindra indrindra ho an'ny vahoakany.
Tahaka an'i Laura (izay tsy naninona) nilaza tamiko fa “maroloko i Paris, feno olona sy kolontsaina isan-karazany.” Avy amin'ny tontolo sy toerana samihafa ny Pariziana, ary misy hatsarana ao anatin'izany fahasamihafana izany. Ity sary ity dia selfie nalaina taorian'ny alim-pandihizana tamin'ny hetsika ‘Salsa in the Seine’. Nandihy niaraka tamin'ireo Pariziana izay Venezoeliana, Kiobàna, Maraokana ary Syriana aho tamin'io alina io. Alina nahafinaritra izany. Alina izay nivoahan'ny loko sy endrika maro an'i Parisy ary manome tsiky ny tavan'ny olon-drehetra. Tsy fantatro izay hitranga taorian'ny omaly alina, saingy manantena aho fa i Parisy izay fantatro tamin'ny alalan'ny Seine dia hitazona ny gadony hatrany.
Matahotra ny fanavakavahana miafina ao ambadika aho ary malahelo fa tsy mba nanome izany karazana firaharahiana izany isika tany an-kafa. Amin'izany, mandrisika anareo rehetra aho mba hamaky ny lahatsoratra somary mihantsy avy amin'i Joey Ayoub, GV “Haiko tahaka ny araben'i Beirota ny araben'i Parisy.” Maniry mba hampandinin-tena antsika amin'ny ho avy.
Met Noura Aljizawi a Syrian activist fighting the good fight for the future of free Syria. She works with the Syrian National Coalition for Syrian democracy. She tells me “I have enough hope for Syria to fight for our dignity and our homeland.” She left #Syria in 2013, #instaGV #dayinthelifeofGV #freesyria A photo posted by Global Voices (@globalvoicesonline) on
Fantaro i Noura Aljizawi, mpikatroka Syriana miady ny ady tsara hahitana an'i Syria afaka. Miara-miasa amin'ny Fiarahamientam-pirenena Syriana ho an'ny Demokrasia Syriana izy. Hoy izy tamiko “Ampy ny fanantenako ho an'i Syria aho hiadiana ho amin'ny fahamendrehanay sy ny tanindrazanay.” Nandao an'i #Syria izy tamin'ny taona 2013. Sary nalefan'ny Global Voices (@globalvoicesonline) tamin'ny 14 Nov 2015 tamin'ny 11:47 hariva PST
Ka nitsangana mba handray fitenenana momba an'i Iran sy ny zon'olombelona ary ny taorian'ny fifanarahana ara-nokleary aho niaraka tamin'ny olona nolalaiko fatratra, @masih.alinejad. Araho ny fanentanana ataony manome hery ny feom-behivavy any Iran ao amin'ny Facebook antsoina hoe “Ny Fahalalahako Miafina” #instaGV #dayinthelifeofGV #peoplebehindGV #Iran
@sarvaloo eats @mezrab_'s famous #ashreshte while waiting for @kambizhosseini's performance. Mezrab is a popular Dutch storytelling center run by the Iranian-Dutch Sahand Sahebdivani. No show is without his mom's famous ash. #dayinthelifeofGV #instaGV #IranianDutchLife A photo posted by Global Voices (@globalvoicesonline) on
@sarvaloo mihinana #ashreshte malaza ao @mezrab teo am-piandrasana ny fampisehoan'i @kambizhosseini. Foibe Holandey malaza amin'ny fomba fitantara ny Mezrab izay tantanan'ilay Iraniana-Holandey, Sahand Sahebdivani. Tsy misy fampisehoana dia ahitana ny lavenona malaza an'ny mamany.
@kambizhosseini tells a crowd how he was a troublemaker as a small boy in Mashhad. He's also sick, so he's doing his stand up show next to a bottle of cough medicine, but you couldn't tell by how energetic he is. (Also, remember that time he wrote for @globalvoicesonline? “Confessions of an Angry Iranian” is worth a reread.) #dayinthelifeofGV #instaGV #comedy #iranianSatire A photo posted by Global Voices (@globalvoicesonline) on
Miteny amin'ny mpanatrika amin'ny nahatonga azy ho mpanakorontana azy tamin'izy mbola boay kely tao Mashhad i @kambizhosseini. Marary ihany koa izy, ka manao seho tsangana akaikin'ny tavoahangy misy fanafody kohaka, saingy tsy afa-manambara ny fahavitrihany ianao. (Ary tsarovy koa ny fotoana nanoratany ho an'ny @globalvoicesonline? “Fiaiken'ilay Iraniana Tezitra” tsara vakiana indray.
They call him the Iranian Jon Stewart. #selfiePerfection #instaGV #dayinthelifeofGV #iranianSatire A photo posted by Global Voices (@globalvoicesonline) on
Antsoin-dry zareo ho Jon Stewart Iraniana izy