Hitan'ny Facebook ho nisavoana ny fangatahan'ny governemantan'i Hong Kong ny rakitahirin'ny mpiserasera

Image from Hong Kong Free Press.

Sary avy amin'ny Hong Kong Free Press.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Vivienne Zeng  ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 14 Novambra. Avoaka eto amin'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanaraham-piaraha-miasa.

Nahitana fiakarana 82 isan-jato ny isan'ny fangatahan'ny governemantan'i Hong Kong hahazo ny rakitahirin'ny mpiserasera nandritra ny enimbolana voalohan'ny taona 2015 tao amin'ny media sosialy Facebook raha oharina tamin'ny enimbolana faharoa 2014.

Nandefa fitakiana 71 tany amin'ny Facebook ny governemantan'i Hong Kong, fari-pitantanana manokana ao Shina mba hiditra amin'ny vaovaon'ny mpiserasera nanomboka ny Janoary hatramin'ny Jona 2015, raha oharina amin'ny fangatahana 39 monja nanomboka ny volana Jolay hatramin'ny Desambra 2014, araka ny tatitra indroa isantaona navoakan'ny orinasa tamin'ny herinandro lasa tamin'ny 12 Novambra.

Niakatra avo telo heny ny isan'ny kaontin'ny mpiserasera voakasika amin'ny fangatahana, 51 niakatra 239, nandritra ny fotoana mitovy.

Nilaza tamin'i Hong Kong Free Press i Benjamin Zhou, talen'ny Hong Kong Transparency Report (Tatitra Mangarahara), tetikasa velomin'ny oniversiten'i Hong Kong fa ny tarehimarika dia mampiseho ny fampiasan'ny governemanta bebe kokoa ny ho amin'ny fampiharana ny lalàna. Mampanahy ny vaovao toy izany raha tsy ampahafantarina ny vahoaka ny antony sy ny fomba ampiasana ny rakitahiry, hoy i Zhou.

Nanazava i Zhou fa mety misy ifandraisany amin'ny fisamborana ireo voarohirohy tamin'ny hetsika Bodoy, andianà fihetsiketsehana nitranga tao Hong Kong teo anelanelan'ny Septambra hatramin'ny Desambra 2014 izay mitaky ny zon'ny olom-pirenena mba hanendry kandidà ho mpitondra faratampon'ny tanàna izany fitomboana izany. Notondroiny manokana ny fisamborana an'i Tam Tak-chi avy ao amin'ny mpiradia politika mpomba ny demokrasia Fahefam-Bahoaka tamin'ny 29 May noho ny fanehoan-kevitra nataony tamin'ny Facebook nanolorany hevitra manesoesoa mba hametrahana baomba vita tanana amin'ny lalana lalovan'ny fiaran'ny mpandevina an'ilay mahatoky an'i Beijing, Yeung Kowng, izay mpitarika ny rotaka maherisetra nataon'ny elatra ankavia tamin'ny 1967.

But it is quite obvious that the public have no way to know about the truth at the moment. We don’t know whether the reasons provided by the government are justified, and if innocent people’s privacy [has been] invaded.

Saingy miharihary fa tsy manana fomba hamantarana ny marina ny vahoaka amin'izao fotoana izao. Tsy fantatray raha voamarina ny antony nomen'ny governemanta, na notamiana ny any antakonan'ny olona any.

Anisan'ireo orinasan'ny teknolojia miezaka ho amin'ny mangarahara kokoa amin'ny fidiran'ny governemanta amin'ny rakitahirin'ny mpiseraseran'izy ireo ny Facebook sy Google noho ny fiahiana amin'ny fiainana antakonan'ny vahoaka. Ankoatra ny famoahana an-tatitra tsy tapaka ny mangarahara, dia samy manana tari-dalana voapetraka ara-dalàna ny orinasa roa tonta ary miangavy ny famenoan'ny sampandraharaham-panjakana hanao fangatahana an-tsoratra ahitana ny antsipirihan'ny fitakiana.

Nisarika fifantohana ankapobeny ity raharaha ity taorian'ny namoahan'i Edward Snowden avy ao Etazonia dosie tamin'ny 2013 mampiseho ny programa fitsikilovana ny daholobe ataon'i Washington.

Ny totalin'ny fangatahana angon-drakitra Facebook ataon'ny governemanta manerana izao tontolo izao dia nisy fitomboana 18 isanjato nandritra ny tapataona farany. I Etazonia no firenena mitoetra ho nanao fangatahana be indrindra, nanao fangatahana in-17.577 amin'ny kaontin'olona 26.579.

Mandritra izany fotoana izany, ny fangatahan'ny governemantan'i Hong Kong ny rakitahirin'ny mpiserasera google dia tsy mihetsika rehefa nitsambikina 37 isanjato tamin'ny enimbolana faharoan'ny 2013. Ny angon-drakitra farany avy amin'ny Google dia mampiseho fangatahana 367 natao teo anelanelan'ny volana Jolay sy Desambra 2014.

Nitsipaka ny hamoaka ny torolalany sy ny fomba fanaraha-masony ny fangatahany rakitahirin'ny mpiserasera ny governemantan'i Hong Kong, ary ny ankamaroan'ny ny fangatahana dia tsy nisy didim-pitsarana.

Nilaza ihany koa i Zhou fa mbola be ny tokony atao hanatsarana ny mangarahara amin'ny fampiasan'ny governemanta ny rakitahirin'ny media sosialy.

An independent body should be set up to judge if the government requests are appropriate and necessary before they are sent to service provider.

Tokony apetraka ny sampana mahaleo tena mba hitsara raha mety sy ilaina ny fangatahan'ny governemanta alohan'ny andefasana azy ireo any amin'ny mpamatsy tolotra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.