- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manolo-kevitra Handràra ny Fandefasan-kafatra Antsoina hoe Telegram Ny Mpanao Lalàna Rosiana Satria Ampiasain'ny ISIS Izany

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
Should Telegram be banned because it's used by extremist organizations illegal in Russia? Images by Rflor and Mihael Tomic for the Noun Project. Images mixed by Tetyana Lokot.

Tokony horarana ve ny Telegram satria ampiasain'ny fikambanana extremista tsy ara-dalàna ao Rosia? Sary avy amin'i Rflor sy Mihael Tomic ho an'ny Tetikasa Noun. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Tokony ho voafetra ny fidiran'ny mpiserasera Rosiana amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram, araka ny filazan'ny mpanao lalàna Rosiana Aleksandr Ageyev, izay niantso [1]ny Sampam-piarovam-panjakana Rosiana (FSB) handinika ny fahafahana manakatona ny fampiharana. Tamin'ny antsony dia nanamarika i Ageyev fa “ampiasain'ny mpampihorohoro avy amin'ny Fanjakana Islamika (IS) am-pivitrihana ny Telegram mba hizarana votoaty extremista,” ary mety ampiasainy ihany koa ho sehatra “handraisana olom-pirenena Rosiana hiditra ao amin'ny IS.” Manamarika i Ageyev fa tsy toy ireo tambajotra sosialy hafa, toy ny VKontakte, Twitter, na Facebook, izay miady fatratra amin'ny votoaty mahery fihetsika ny Telegram  fa “tsy miraharaha ny fitarainan'ny mpiserasera amin'ny votoaty tahaka izany” ny fanohanana ara-teknikany.

Araka ny antsony [1] ho an'ny FSB, dia mifototra amin'ny isan'ireo tatitra ao amin'ny media Rosiana [2]sy vahiny [2] mikasika ireo mpikambana ao amin'ny ISIS misafidy hampiasa ny Telegram mba handrindrana ny hetsik'izy ireo tamin'ny fanafihana tao Parisy tamin'ny 13 Novambra ny anton'ny fanapahan-kevitr'i Ageyev amin'ny Telegram, voalaza fa arovan'ireo singa marobe fanafenan-tsoratra ny vaovao alefa tamin'ity fandefasan-kafatra Telegram ity.

Namaly avy hatrany ny soso-kevitr'i Ageyev tao amin'ny VKontakte [3]i Pavel Durov, mpamorona ny fampiharana Telegram sy mpanorina sady tompon'ny VKontakte taloha, ary somary maneso tamin'ny fanamarihana nataony.

Предлагаю запретить слова. Есть информация, что с помощью них общаются террористы.

Manolo-kevitra aho mba handràra ny teny isika. Misy ny vaovao izay ampiasain'ny mpampihorohoro mba hifandraisana.

Niaka-peo [4]niaro ny Telegram ny Minisitry ny Fifandraisana Rosiana Nikolai Nikiforov ary nilaza fa tsy tokony hanakana fampiharana ny manampahefana, fa tokony “hamantatra sy hanenjika ireo izay manao hetsika tsy ara-dalàna.” Ny fanakanana ny Telegram, hoy i Nikiforov, dia mitarika fotsiny ireo mampiasa azy amin'ny tanjona tsy ara-dalàna mba hampiasa sehatra hafa indray, ary ny fanakanana ny fampiharana fandefasan-kafatra rehetra sy ny tambajotra sosialy dia midika fanakanana ny aterineto manontolo ao Rosia, izay nolazain'i Nikiforov [5]fa manohitra ny tetikady fampandrosoana ny fifandraisana ao Rosia.

Блокировать в России Telegram или другой мессенджер за то, что им пользуются террористы из ИГИЛ — это было бы так же разумно, как, например, запретить в России эксплуатацию автомобилей Toyota, так как они тоже оказались популярными у ИГИЛовцев.

Ny fanakatonana ny Telegram na fandefasan-kafatra hafa ao Rosia noho ny mpampihorohoro ISIS dia mitovy fiheverana amin'ny fandrarana ny fiara Toyota ao Rosia satria nalaza teo amin'ireo mpampihorohoro ISIS izany.

Nitsikera ny tolo-kevitr'i Ageyev hametra ny fidirana amin'ny Telegram ao Rosia ihany koa i Dmitry Marinichev, mpanelanelana amin'ny resaka aterineto ao Kremlin. Tamin'ny antsafa tamin'ny radio tamin'ny 16 Novambra, naneso ny fanapahan-kevitra i Marinichev ary nilaza fa “mahomby tahaka ny famantarana ny karazam-pinday ampiasain'ny mpampihorohoro sy mandràra izany modely finday manokana izany ao anatin'ny toerana iray voafaritra” izany.

Tamin'ny volana May 2015, nilaza tamin'ny TechCrunch tamin'ny antsafa [6]i Pavel Durovao fa 62 tapitrisa no isan'ireo mpiserasera mavitrika isam-bolana ao amin'ny Telegram, ary tamin'ny Septambra, nanambara izy fa mandefa hafatra 12 miliara [7]amin'ny alalan'ny fampiharana isan'andro ny mpiserasera.