- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fiainana Feno Herisetra Sy Ny Aorian'ny Fiainana Eny an-Tanàna Ambany Ao Venezoelana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Tanora
Cementerio del sur

Fijery ny Fasana Faobe Atsimo (Cementerio General del Sur) ao Caracas, Venezoela. Sary avy amin'ny vondrona Facebook “Comunidad de usuarios y amigos del Cementerio General del sur.”

Any amin'ny tanàna ambany Venezoeliana, matetika heverina ho toy ny fisehoana vatan'ny fahombiazana na ny kolikoly ireo mpanao heloka bevava (na malandros [1], araka ny ahafantaran'ny maro azy ireo). Miaina any antsisin'ny fiarahamonina izy ireo ary miasa amin'ny fomba sarotrarotra, izay mamorona karazana maha izy azy. Amin'izany, toa karazana fombafomba tsy maintsy lalovana mandrafitra io maha izy azy io ny fandevenana azy ireo. Vokatry ny kolontsain'ny herisetra ao Venezoela ireo fombafomba atao ireo — vokatry ny heloka sy famonoan'olona izay lasa fiainana andavanandro any amin'ireo faritra maro ao amin'ny firenena.

Amin'ireo fandevenana ireo, omen'ireo namany voninahitra ilay maty, amin'ny alàlan'ny hira sy dihy mihetsika, kiakiaka, zava-pisotro, ary tifi-danitra. Zaraina ao amin'ny media sosialy ny sasany amin'ireny fandevenana ireny, izay ampisehoan'ireo mpandray anjara ny fanombohany ary indraindray ny fombafomba manontolo.

Ahoana ny herisetra, indrindra ny herisetra eny an-tanàndehibe, no tafiditra amin'ny fomba lalovan'ny vahoaka? Amin'ny trangan'i Venezoela izao, maro ny fomba nisehoany. Tafiditra ao anatin'ireo kolontsaina manokan'izy ireo ny mpitomany, ary hita amin'izany ireo fombafomba sy endrika teraka tao anatin'ny famonoana izay indrisy fa hita matetika ao amin'ny firenena.

Araka ny Fanarahana Maso ny Herisetra Venezoelana, tafakatra [2] tamin'ny taha tena mampitahotra ny famonoana olona an-tsitrapo tato anatin'ny efa ho telopolo taona. Tena lehibe tokoa ilay fiakarany ka ankehitriny lasa singa lehibe amin'ny tantara maoderina Venezoelana [3] ny vono olona. Miseho any amin'ireo faritra tena mahantra ao amin'ny firenena ny ankamaroan'ireny famonoana ireny, ireo tanàna mahantra indrindra, izay matanjaka tokoa matetika ireo “fombafomban'ny mpanao heloka”.

Niova ny fiteny Venezoelana hoe malandro tato anatin'ny folo taona faramparany. Manana fiseho vaovao hafa mihitsy ireo “mpamono heloka bevava vaovao [4]” ankehitriny. Ohatra, mandeha any amin'ny tontolon'ny herisetra sy heloka izy ireo mialoha ny hidirany ao anatin'ny fahatanorana, ary hita ho toy ny “milina” izay hindrahindraina amin'ireo zavatra ratsy rehetra ataony.

Anatin'ny angano malaza, mizara karazany roa amin'ny ankapobeny ireo mpanao heloka ireo: ireo mahery fo ary ireo ratsy fanahy [5]. Noho ny herin'ny basy, afangaro amin'ny haben'ny herisetra, maro amin'ireo jiolahy ireo no nahavita ho lasa sasany amin'ireo olo-malaza tena hajaina indrindra eo amin'ireo vondrom-piarahamoniny.

Fomba izay maneho ny tena zava-misy iainana

Ao amin'ity lahatsary YouTube eto ambany ity, zaraina ao amin'ny fandaharana Voces de la muerte [6] (Feon'ny Fahafatesana), afaka hitanao ny fombafomba fanaovam-beloma miseho amin'ny fandevenana ireo mpanao heloka. Arahan'ireo mpitaingina môtô maro ilay faty, ao anatin'ny maripàna izay mamparenina ny alahelon'ireo olona akaiky azy miaraka amin'ny tifitra basy. Misy ireo olona sasany, na mbola mitsangana ao anatin'ny vahoaka aza, mampiseho ireo basiny ary manomboka fombafomba fanao manokana izay ahitàna ny tsirairay ao anatin'ny vondrona mifandimby mitifitra miverimberina imbetsaka.

(Fampitandremana: miaty sary mahatohina ity lahatsary ity.)

Eny amin'ny làlana makany amin'ny fasana, mibahana ny fifamoivoizana ireo mpitondra môtô maro izay manao ilay filaharana handeha handevina, sady manao fampisehoana mampidi-doza, ary matetika, manendaka ireo mpandalo. Ao anatin'ny lahatsary hafa zaraina ao amin'ny fantsona YouTube an'i Samuel Jackson [7] (tsy misy ifandraisany amin'ilay mpiantsehatra Amerikana), afaka mahita fifangaroana fitomaniana sy fankalazàna ianao. Mitondra fanomezana zava-pisotro misy alokaola mahery ireo olona manatrika ary mandrora avy any am-bavany eo amin'ny vatampatin'ilay maty. Mandeha farak'izay mafy ny mozika ary ny olona sasany mamorona dihy tampoka eo. Matetika, atao amin'ny tanànan'ilay maty ireo fivoriana ireo. Avy any, entina eny amin'ny fasana ilay vatampaty, fa tsy alohan'ny nitondran'ny fianakaviana sy ireo namana azy teo an-tsoroka.

Fomba vaovao ve?

Tsy vaovao na hoe fomba Venezoelana fotsiny io fomba fandefasana na fanaovam-beloma ny malandros ao amin'ny tanàna Venezoelana io. Noho ny media sosialy, anefa, fantatsika ankehitriny hoe basy firy tsy misy fanarahana maso mivaingana no miriorio eny amin'ny làlan'ny firenena. Ao amin'ny fantsona Youtube an'i Nelson R Izarza [8], afaka jerena ny fandevenana an'ilay nolazaina ho pran [9] (ny lohan'ny vondrona iray mpanao heloka/andian-jiolahy)

Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, mamerina ilay fombafomba mitovy izy ireo, fenoin'ireo mpitondra môtô, zava-pisotro, ary mozika. Mangalatra ny làzan'ilay fampisehoana anefa ireo tifitra basy.

Tsy hoe tsy mitonona anarana daholo ireo fandevenana sy fahafatesana. Mitondra ny anarana na ny fanampin'anaran'ny maty ny sasany amin'ny lohatenin'ireo lahatsary. Malaza sy fantatra ao amin'ireo saranga sosialy samihafa ireo lahatsary sasany. Toy izany ny fandevenana ilay voafonja teo aloha Luidig Ochoa, izay namorona ireo andianà tantara hita ao amin'ny Aterineto, malaza be, mitantara ny iainana ao amin'ireo fonjan'i Venezoela [10], ary ny fiainan'ireo voafonja teo aloha aorian'ny figadràna [11].

Ao amin'ny Youtube, matetika ny olona no mizara ireo fotoana avy tamin'ireo fandevenana [12] ary manaraka tsara mihitsy [13] ireo mpankafy. Mitovy amin'izany, ao amin'ny Twitter sy Instagram, mandefa hafatra fiaraha-miory sy fahatsiarovana ho an'ireo namany ny olona.

Ny Fijery avy any ivelany

Ho an'ireo olona maro miaina any an-drenivohitra, tsy azo eritreretina sy mampitahotra ireny fandevenana ireny. Olon-tsotra maro no tsy mankasitra ny fanaovana tsinontsinona sy fanaparitahana ireo basy ary ny hadalàna tsy voafehy aparitaky ny fampiasàna azy amin'ireo vahoaka. Raha hita eny an-dàlan'i Venezoela ny iray amin'ireny fandevenana ireny, tonga haingana ireo fampitandreman'ireo olon-tsotra ao amin'ny Twitter, amim-panantenana ny hitàna ireo mpandalo hiala tsy ho eny an-dàlana sy ho lavitry ny loza aterak'ireo fankalazàna ireo amin'ireo mpandalo tsy manan-tsiny.

Pendiente funeral de malandro altura el #Boulevard [14] Cafetal estan trancando todo peligro #cafetal [15] #vecino [16]

— PABLO LABRADOR (@PGLR76) April 8, 2015 [17]

Tandremo. Hisy fandevenana ny lehiben'ny malandro hankeny amin'ny Boulevard Cafetal [mponina amin'ny tanàna Atsinanan'ny renivohitra, Caracas]. Bahanan'izy ireo ny làlana. Loza manambana. #Cafetal #Mpiraytanàna

Según el fuerte tiroteo desde la madrugada en el centro de CARACAS es por el funeral de un MALANDRO #25E [18]

— Ana Mercedes Pèrez (@anitam2483) January 25, 2015 [19]

Toa anisan'ny fandevenana malandro iray ireo tifitifitra mavesatra ao afovoan'i CARACAS hatramin'ny vao mangiran-dratsy.

Mampiseho ireo olana lehibe eny anivon'ny vahoaka entin'ireo jiolahy mitam-basy ireo ny firaisankina sy ny fanomezana voninahitra hita ao anatin'ireny lahatsary ireny, ary manasongadina ny fideràna mahalasa saina an'ireo mpanao heloka bevava. Misy ireo sokajin'ny mponina natao ankilabao nandritra ny am-polo taonany maro. Ankehitriny, toa nahatsapa ireo olona ao anatin'ireny vondrona ireny fa afaka miakatra ambony ao amin'ny fiarahamonina izy ireo ary lasa mampientanentana raha mirona any amin'ny herisetra. Raha tanora maro no mifidy ny fiainana anatin'ny heloka bevava noho ireo antony ireo, ny sasany matahotra hoe ho lasa vondrom-piarahamonina tena mahantra atao filamatra ireo mpanao heloka bevava ary hanaovana tantara ho toy ireo mahery fo.

Tena adaladala tokoa, mazava ho azy, ireo Venezuelana mivadika ho manao heloka bevava na mankalaza ny zava-bitan'ireo nanao heloka bevava. Mahatonga ny herisetra ho tena zavatra hafa eny amin'ireo olona miaina an-tanàna ambany ao Venezoela ny fahantrana, ireo fahafahana ara-tsosialy, ary ny fifangaroan'ireo sàkana mampalahelo. Ho an'ireo olona any ivelan'ilay ghettos, mora ny manondro ny kolontsaina sy  kolontsaina manokan'ny hafa tahàka ireny ho zavatra tena ratsy. Kanefa zavatra hafa mihitsy ny fametrahana tetezana hiampitàna amin'io hantsana io.