Kisendrasendra Ve No Namoahan'ny Mpanao Gazety Rosiana Iray Ny Tsiambaratelon'i Vladimir Putin?

Daddy Vladimir. Image edited by Kevin Rothrock.

Dada Vladmir. Sary navoakan'i Kevin Rothrock.

Misy vehivavy iray any Maosko, Keterina Tikhonova no anarany. Izy no talen'ny Vondrona  Innopraktika izay miandraikitra ny fanatontosana ny tetikasa fanaovan-trano, eo ho eo amin'ny 2 lavitrisa dolara, ao amin'ny Oniversitem-panjakana any Maosko. Tamin'ity herinandro ity, ny 22 Oktobra, navoakan'ny masoivohom-baovao Interfax ny resadresaka  nifanaovana tamin-dRamatoa Tikhonova, izay nilazany ny faharetan'ny asa iarahan'ny Innopraktika amin'ny Oniversitem-panjakana any Maosko, nohazavainy ny fomba fanaon'ny vondrona misy azy ” amin'ny fananganana fiaraha-miasa mirindra miaraka amin'ny vondrona mpandraharaha” sy “amin'ny famakafakàna” ny hevitr'ireo vondrona maro samy hafa mivory ao amin'ny sekoly momba ny fanatontosàna ilay tetikasa.

Saingy toa tsy mahaliana ny olona ilay tetikasa an-davitrisa dolaran'i Tikhonova. Ny hany fanontaniana manitikitika ny sain'izy ireo, saingy tsy nanontanian'ny Interfax mihitsy dia ny hoe : moa ve zanaky ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine izy ?

Nanomboka tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity ny ahiahy amin'ny “maha-zanaky ny ambony’ an'i  Tikhonova, rehefa navoakan'ny mpanao gazety Oleg Kashin tao amin'ny tranonkalany ny tantara iray manamafy izany taorian'ny tatitry ny fanadihadian'ny RBC momba ny tetikasa tontosain'i Tikhonova ao amin'ny Oniversitem-panjakan'i Maosko. Taorian'ny fanamafisan'i Kashin dia nisy olona iray tsy nitonona anarana akaiky ny fianakaviana Poutine nanamafy tao amin'ny Reuters sy ny Bloomberg fa tena zanakavavin'i Putin tokoa izy. Rehefa nanontanian'ny mpanao gazety ny momba ilay tsaho ny mpitondra tenin'i Poutine, Dmitry Peskov, dia nilaza tamim-pisalasalana hoe : ” tsy afaka ny hanamarina izany aho.”

Amin'izao fotoana izao, taorian'ny resadresaka nifanaovan'ny interfax tamin'i Tikhonova, dia toa miha-marina hatrany fa zanaky ny Filoha izy, rehefa nolazain'i Yuri Pogorely, talen'ny tetikasa interfax amin'ny aterineto, ny fifamatorany amin'i Poutine.

Nivoaka tao amin'ny Facebook ny fanehoankevitr'i Pogorely, tao amin'ny adihevitra tamin'i Tatiana Lysova, mpamoaka lahatsoratry ny gazety Vedomosti, sy i Elizaveta Osetinskaya, tonian-dahatsoratry ny RBC, izay nitsikera ny resadresaka nataon'ny Interfax tamin'i Tikhonva. Teny antenantenan'ny adihevitra dia toy ny namoaka tsiambaratelo i Pogorely :

Yuri Pogorely Лиза, тебе часто дочь Путина даёт интервью? Нам она дала вот на таких условиях – только про МГУ. И без фотографии. Нам окей.
Tatiana Lysova Юрий Погорелый и письменно, похоже
Elizaveta Osetinskaya что ж вы не упомянули то, кто вам интервью дает?
Yuri Pogorely Таня, я понимаю, вы с Лизой бы её послали, мы как агентство, решили, что это будет интересно широкому кругу читателей.
Tatiana Lysova Ну широкому кругу интереснее было бы интервью с дочерью Путина
Yuri Pogorely Читателей агентства smile emoticon
Yuri Pogorely Не забывайте, что наш сайт – это лавка при фабрике. А ваши сайты – это сама фабрика.
Tatiana Lysova а это только на сайте вышло? или подписчикам тоже?
Yuri Pogorely Это как раз подписчикам. А они знают, кто дочь Путина.

Yuri Pogorely: Liza, mahazo miresadresaka matetika amin'ny zanakavavin'i Poutine  ve ianareo ?  Izahay mantsy nomeny alàlana hiresaka aminy saingy resaka momba ny Oniversitem-panjakanan'i Maosko ihany ary tsy misy sary. Nekenay izany.
Tatiana Lysova:  Ary izany rehetra izany ohatra ny natao an-tsoratra [ tamin'ny alàlan'ny mailaka].
Elizaveta Osetinskaya: Nahoana no tsy nambara tao amin'ny lahatsoratra hoe ‘iza” no niresadresaka taminao ?
Yuri Pogorely: Tanya, fantatro fa mety ianareo sy Liza no niteny taminy hihatakataka, saingy nanapa-kevitra izahay amin'ny maha-masoivohom-baovao anay fa mety mahaliana ireo mpamaky maro izany.
Tatiana Lysova: Eny tokoa, angamba mety mahaliana ireo mpamaky betsaka kokoa ny resadresaka amin'ny zanakavavin'i Putin.
Yuri Pogorely: Ireo mpamakin'ny masoivoho no lazaiko  🙂
Yuri Pogorely:  Aza adino fa bitika (tendron'ny ranomandry) ihany ny tranonkalanay raha oharina amin'ny haben'ny [Vedomosti sy RBC] anareo (vatana manontolon'ny ranomandry) .
Tatiana Lysova: Fa avy tamin'ny tranonkala ihany ve no nivoahan'izany ? Sa avy tamin'ny mpanjifa anareo ihany koa ?
Yuri Pogorely: Ity iray ity dia tena ho an'ny mpanjifa anay. Fantatry ry zareo hoe iza ilay zanakavavin'i Poutine.

Maro ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny haino aman-jery Rosiana no mandika ilay fanamarihana farany nataon'i Pogorely etsy ambony ho fanamafisana fa zanakavavin'i Poutine i Tikhonvoa. Nampanantsoin'i Ilya Klishin, tonian-dahatsoratry ny tranonkalan'ny fahitalavitra Dozhd, momba ilay fanehoankevitra i Pogorely. Niezaka niverin-dàlana avy hatrany ilay mpanao lahatsoratry ny Interfax, nilaza fa diso izy :

Yuri Pogorely Короче, Илья, я не подтверждаю, опровергаю, и считаю идиотизмом спрашивать руководителя сайта Интерфакса, кто дочери Путина. Спросите у первоисточника.
Ilya Klishin “Yuri Pogorely Лиза, тебе часто дочь Путина даёт интервью? Нам она дала вот на таких условиях – только про МГУ. И без фотографии. Нам окей.” Вы сообщили, на каких условиях дочь Путина дала вам интервью. Вы отказываетесь от этих слов? Они были сказаны в публичном пространстве. Не в подзамочном посте
Yuri Pogorely Да, конечно, отказываюсь. И с Дождем не общаюсь. И выступаю как частное лицо.
Yuri Pogorely Что-то ещё, Илья?
Ilya Klishin Я вас услышал, спасибо

Yuri Pogorely: Ajanony izany resaka izany. Ilya, tsy manamafy aho —laviko—[hoe fantatro ny rain'i Tikhonova], ary heveriko ho hadalàna ny manontany ny tonian-dahatsoratry ny Interfax amin'ny aterineto hoe iza no zanakavavin'i Poutine. Anontanio ny loharanom-baovao.
Ilya Klishin: “Yuri Pogorely: Liza, mahazo miresadresaka matetika amin'ny zanakavavin'i Poutine ve ianareo ?  Izahay mantsy nomeny alàlana hiresaka aminy saingy resaka manaraka fepetra iray: hoe momba ny Oniversitem-panjakan'i Maosko ihany ary tsy misy sary. Nekenay izany.”  Nohazavainao ny fepetra izay nomen'ny zanakavavin'i Poutine hahafahany miresadresaka aminao. Lavinao ve io fanambarana io ? Nambara tamin'ny sehatra ho an'ny daholobe izany, fa tsy lahatsoratra manokana.
Yuri Pogorely: Eny, mazava loatra fa laviko izany.  Ary tsy maneho hevitra ao amin'ny fahitalavitra Dozhd aho, miteny toy ny olom-pirenena tsotra aho [fa tsy solontenan'ny Interfax].
Yuri Pogorely: ‘Zay ve ry Ilya ?
Ilya Klishin: Takatro ny tianao lazaina. Misaotra.

Araka izany, navoakan'i Pogorely ve izany hoe fantatra eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonin'ny mpanara-baovao ny fifandraisana miafin'i Tikhonova sy i Vladmir Poutine, sa niniany nolazaina tsotra izao, angamba hasorenana noho ny tsikera nateraky ny resadresaky ny Interfax ? Na inona na inona ny marina momba ity raharaha ity, dia azon'i Pogorely antoka fa ny adala irery ihany no mety ho any aminy hangataka valinteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.