Peroviana Mpanao Gazety Notolorana Ny Loka Tamin'ny Fifaninanana Momba Ny Fiovàn'ny Toetrandro

Imagen de Flickr del usuario Ron Mader (CC BY-SA 2.0).

Sary : Flickr an'i Ron Mader. Tenifototra ho an'ny Vovonana momba ny Fiovàn'ny Toetrandro (COP21), hatao any Parisy eo anelanelan'ny 30 Novambra sy 11 Desambra. CC BY-SA 2.0.

Ilay Peroviana mpanao gazety, Pilar Celi Frías, no iray amin'ireo dimy nahazo ilay loka lehibe  “Voices2Paris” natolotry ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana sy ny fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa OXFAM. Ny asany miresaka ny fiovàn'ny toetrandro no nanomezana voninahitra an'i Frías.

Notoloran'ny Firenena Mikambana loka ilay Peroviana mpanao gazety.

Fintinin'ny tranonkala Clases de Periodismo ny asa nahazoan'i Frías loka :

La historia premiada cuenta como cinco mujeres peruanas, que viven en la provincia de Candarave, Tacna, viajaron a la India para aprender a instalar paneles solares y, al retornar a sus comunidades, mejoraron la calidad de vida de los habitantes a través del acceso a la luz eléctrica.

Ilay tantara nosoratan'ny mpandresy dia miteny ny fomba nataon'ireo vehivavy dimy Peroviana, avy any amin'ny faritanin'i Candarave, Tacna, nandeha nankany India hianatra ny fomba fametrahana takelaka fihariana herinaratra mandeha amin'ny masoandro ary, rehefa tafaverina tao amin'ny vondrom-piarahamonina Dadès misy azy ry zareo, dia nanatsara ny fari-piainan'ireo mponina teo an-toerana tamin'ny alàlan'ny fanomezana azy ny hazavana avy amin'ny herinaratra.

Mpanao gazety avy ao amin'ny tranonkalam-baovao ConexiónCOP i Pilar Celi, vavahadin-tranonkala iray mitatitra momba ny fiovàn'ny toetrandro sy ireo fifanatonana iraisampirenena:

ConexiónCOP busca facilitar el trabajo de los periodistas y líderes de opinión de la región a través del acceso y actualización diaria de noticias, entrevistas, reportajes, datos, reportes clave e historias relacionadas con el cambio climático.

Kendren'ny ConexiónCOP ny hanamora ny asan'ireo mpanao gazety sy mpitari-kevitra avy ao amin'ny faritra, amin'ny alàlan'ny fanomezana isanandro fahafahana mahazo sy fanavaozana vaovao, antsafa, teboka fototra, tatitra, ary tantara mifandraika amin'ny fiovàn'ny toetrandro.

Manaraka ny Vovonana momba ny Fiovàn'ny Toetrandro (COP21) ny ConexiónCOP, vovonana izay voalahatra hatao ao Parisy ny 30 Novambra hatramin'ny 11 Desambra.

Ireo mpanao gazety hafa nahazo loka dia ry Neil Marks (avy any Guyana), Diana Omondi Makimario (Kenya), Shahani Singh Shrestha (Nepal), ary Augustina Armstrong-Ogbonna (Nizeria). Mpanao gazety fantadaza avy amin'ireo goavan'ny famoahana vaovao no mandanja ny asan'ireo mpifaninana, izay nitarika ihany koa ireo dingana roa fifantenana tany ampiandohan'ny fifanintsanana.

Tsy ela dia nivoaka tao amin'ny Twitter ny fiarahabàna:

Mirehareha noho i Pilar Celi! Mendrika ny lanjam-bolamena tandrify ny lanjany izy! Hanana solotena goavana any amin'ny COP21 ny ConexiónCOP.

Fiarahabàna ho an'i Pilar Celi noho ny fankasitrahana ny asany

Araka ireo tatitra, tsy hanafoana ny vovonana momba ny fiovàn'ny toetrandro hatao ao Parisy ireo Frantsay manampahefana misahana ny fivahinianana, na teo aza ireo fanafihana nandatsa-drà nitranga tao amin'ilay tanàna ny alin'ny 13 Novambra lasa teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.