Manadihady Ireo Vaovaon'ny Gazety Nentim-paharazana Momba ilay Fiaramanidina Rosiana Nianjera Tany Ejipta Ireo Mpampiasa Ny Media Sosialy

People lit candles and left flowers at Dvortsovaya Square in St. Petersburg on Sunday, November 1 during a day of national mourning for victims of a Metrojet crash over Egypt that killed all 224 on board. Photo by Nikolai Gontar for Demotix.

Nandrehitra labozia sy nametraka voninkazo teo amin'ny Kianja Dvortsovaya tao St. Petersburg ny olona, ny Alahady 1 Novambra, nandritra ny andro fisaonan'ny firenena ho an'ireo niharan-doza tamin'ilay fianjeran'ny Metrojet tany Ejipta, izay namono ireo olona 224 rehetra tao anatiny. Sary avy tamin'i Nikolai Gontar ho an'ny Demotix.

Nijanona ho vaovao voalohany tao Rosia sy ireo media maneran-tany, nandritra iny faran'ny herinandro lasa iny, ny vaovaon'ilay fianjeran'ny fiaramanidina Rosiana mpitatitra mpandeha tany an-tany efitr'i Sinai ao Ejipta ny 31 Oktobra. Nantsoin‘ireo manampahaizana hoe “loza an-habakabaka ratsy indrindra tamin'ny tantara Rosiana” ilay loza nitranga. Voaresaka be tao amin'ny media sosialy ihany koa ilay fianjeran'i Metrojet, izay namono ireo mpandeha rehetra niisa 224, nahatonga resaka mafana momba ny fisidinana ambonin'ireo faritry misy ady, ireo tantaran'ny angon-drakitry Rosia momba ny fiarovana an-habakabaka, ary ireo honohono momba ny anton'ilay loza nitranga.

Sahala amin'ireo tantaram-baovao rehetra vao mivoaka sy miely haingana, notilian'ireo mpampiasa ny tambazotra sosialy ireo vaovao diso sy hadisoana amin'ny fitantaràn'ny media lehibe ilay fianjeràna. Lasa nahay kokoa tamin'ny famakiana ny lazain'ny media ireo antsasaky ny mpampiasa RuNet, raha jerena ireo adin'ny fampitambavoavao miseho eo amin'i Rosia, Okraina, ary ny Tandrefana manodidina ny fifandirana any Okraina Atsinanana sy, vao haingana, ny fidiran'i Rosia any Syria. Noho izany, tsy mahagaga raha mahatsikaritra ireo vaovao tsy marina sy ireo hadisoana nibaribary tany anatin'ny tatitra momba ilay fianjerana tany Sinai ireo mason'ny voromaherin'ireo mpanjifa ny vaovao, ary mitondra azy ireo ho amin'ny mazava ety anaty media sosialy.

Tsikerain'ireo mpisera amin'ny Aterineto ireo mpitatitra vaovao ao amin'ny Reuters, tamin'ny nanombohany ireo onjanà tatitra mhakasika ireo nieren-doza tamin'ilay fianjeràna: media am-polony hafa no nalaky naka ny tatitr‘izy ireo mikasika “ireo kiakiaka” heno avy tao amin'ilay fiaramanidina teo amin'ny tany efa potika, tao anatin'izany ireo gazety Rosiana maro, kanefa taty aoriana hita fa diso izany.

Ankehitriny, mazava fa nanaparitaka tatitra diso momba ireo nieren-doza ireo milaza ho mpanao gazety avy ao amin'ny Reuters, ary tonga dia naka io daholo ny rehetra. (mampiseho ireo lohateny sy fampidiran-dresaka avy amin'ireo media amin'ny teny Rosiana ireo dikasary)

Nahita avy eo ireo mpampiasa media sosialy fa, miaraka tamin'ny sary ny taona 2013, ny nanaingo tatitra iray momba ny famoriana olona ho fahatsiarovana ireo tr-doza tamin'ilya fiannjerana ny fahitalavi-panjakana Rosiana Pervyy Kanal (Channel One), tao afovoan-tanànan'i St.Petersbourg. Taorian'ny fikarohana tamin'ilay sary, hita fa nalaina tamin'ilay fety an-kalamanjana fankalazana ny faha 20 taonan'ny “Megafon”, orinasa iray mpanome tolotra finday, roa taona lasa izay, ilay sary.

Tena tafiditra lalina mihitsy ny Pervyy Kanal @channelone_rus tao anatin'ny fitsiriritana ny mba hanam-bintana, ary nandefa sary avy tamin'ny fankalazana ny Megafon ny taona 2013.

Nosaziana ihany koa ny fandaharam-baovao Vesti tao amin'ilay fahitalavi-panjakana tamin'ny fampiasàna sary avy tany Okraina ho fanaingoana tamin'ny fanehoany ny fisaonana sy ireo zava-nisy mifandraika amin'izany tany Rosia. Nalaina marina teo akaikin'ny Masoivoho Rosiana tany Kiev ny sary eo amin'ny dikasary io ambany io, izay nitondran'ireo olom-pirenena voninkazo, labozia, ary kilalao mba hanehoana ny fanohanany ny fianakavian'ireo niharan-doza.

Ilay fahitalavitra milaza ny marina indrindra eto an-tany: naka sary avy tany Kiev ary manoratra momba an'i Rosia.

Fa ny fandravàna ny tsahotsaho mahatsiravina indrindra tamin'ny fitaterana tety anaty media sosialy momba ilay fianjeràna, dia nataon'ireo Rosiana izay nahita ny ireo endrik'izy ireo nalaza tampoka tao amin'ireo vaovao federaly maro nilaza fa tao anatin'ireo mpandeha niharan'ilay loza mahatsiravina izy ireo.

Taitra mafy i Yevgeny sy Yulia Kostyanitsa raha nahita sary iray tamin'ny Instagram, sary izay nalain'i Yulia herinandro lasa tany aloha (fa nalefany tao amin'ny kaontiny kosa ny 31 Oktobra) nampiasaina tamin'ireo vaovao mitatitra ny fianjeràna tany Sinai. Ny tena ratsy indrindra, nanipika ireo tatitra fa anisan'ireo niharan-doza ilay olona teo amin'ny sary, kanefa izy ireo velona soa aman-tsara ankehitriny. Nampiasa ilay sary ireo fandaharan'ny fahitalavitra fototra aoRosia Pervyy Kanal, NTV, Rossiya-1, ary nanaparitaka bebe kokoa ny tantara avy eo ireo media sosialy tao amin'ny Aterineto.

Naka Dikasary ny fihetsiny tohina mafy sy ny ady fatratra mba handravàna ilay tsahotsaho dison'ireo tatitry ny media ao amin'ireo sary sasany amin'ny Instagram, ary amin'ny mombamomba azy ao amin'ny VKontakte, i Yulia.

Andriamanitra o, inona ary no miaraka amin'ireto olona ireto… Tena tohina mafy aho!!! salama tsara izahay!!! Misaotra an'Andriamanitra, velona izahay ary salama tsara!!! (dikasary avy tamin'ny pejy VKontakte an'i PRONovosti)

Velona soa aman-tsara izahay!!! Sary efa tamin'ny herinandro io sary io!!! Natao ny alina io, fa tsy vao mangiran-dratsy!!! Mitombo isan-tsegondra ny fankahalako ny media!!! (dikasary avy tamin'ny fandaharana Rossiya-1 TV)

Miangavy anareo mba tsy HISAONA ANAY!!! VELONA izahay!!! (dikasary avy tamin'ny fandaharana NTV TV)

Nanoratra tany amin'ny Ren TV, Rossiya-1, Rossiya 24 izahay… Fa tsy nanao na inona na inona izy ireo… Mitohy miseho amin'ny Aterineto ary amin'ireo vata fahitalavitra ireo sarinay!!! Misaotra an'ireo rehetra nanoratra sy nanontany ny fahasalamanay!!! Nampivarahontsana ny maro taminareo izahay… kanefa tsy hadisoanay izany… (dikasary avy tamin'ny vohikalan'i Ren TV)

Fony nanomboka nandefa ireo tantara nanazava ny fahadisoana tamin'ny sary nony farany ireo media lehibe, nivadika ho feo feno fahatoniana feonà fankasitrahana ny feon'i Yulia Kostyanitsa tao amin'ny Instagram.

Hita ho gina tsy nahateny ihany koa ireo hafa mpampiasa ny RuNet tany anatin'ireo fanehoankeviny momba ilay saritaka tao amin'ny Instagram.

Miala tsiny aho, fa tena mahasosotra kosa izany.

Afaka atao ho famaritana ny fahaizan'ireo Rosiana mpampiasa ny Aterineto milomano ao anatin'ireo vaovao maro sy loharanom-baovao, ary mahay kokoa amin'ny fisafidianana hoe iza no hatokisana amin'ny media nentim-paharazana sy ny Aterineto, ny fihetsika sy ny fahaiza-miaina mitombo hatrany eo anatrehan'ny media. Miaraka amin'izany, manaporofo ny fanehoana ilay fianjeràna tao Sinai (sy ireo loza hafa mitovitovy amin'io) fa mety ho tratran'ny fihazakazahana hanome tantara mampihetsi-po haingana na ireo mpampiasa ny media amin'ny Aterineto, na ireo mpanao gazety matianina, ka mamela ho takona ny fahaizany mamadibadika sy manadihady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.