Tantara tamin'ny 18 Novambra 2015
Manadihady Ireo Vaovaon'ny Gazety Nentim-paharazana Momba ilay Fiaramanidina Rosiana Nianjera Tany Ejipta Ireo Mpampiasa Ny Media Sosialy

Fony hitan'ireo mpivady Rosiana tao amin'ny vaovao harivan'ny fahitalavitra ny sariny tao amin'ny Instagram, ho "olona niharan-doza tamin'ilay fianjeràna fiaramanidina tany Sinai," nandeha tany amin'ireo media sosialy izy ireo mba handravàna ilay hadisoana.
Namela Olom-pirenena Nifindra Toerana sy Fanànana Simba Ny Fihazàna an'i “El Chapo Guzmán ” Ilay Mpivarotra Zava-mahadomelina An-tsokosoko tany Meksika
Ny olona nifindra toerana ao anatiny sy ny fananana simba any amin'ny faritra Avaratr'i Meksika dia vokatry ny fifandonana teo amin'ny tafika sy ny andian-jiolahy mba hisamborana indray ilay lehiben'ny fikambanana mpivarotra zava-mahadomelina iraisam-pirenena any Sinaloa.
GV Face: Momba An'i Beirota sy Parisy, Nahoana Ny Zavadoza Sasany No Misarika Ny Sain'izao Tontolo Izao, Ary Ny Hafa Tsia

Ao anatin'ity ampahany ity, resahanay ny momba ny foko niaviana, ny politikan'ny fahafatesana ary ny fanehoankevitra tsy mifandanja amin'ireo zavadoza mitranga manerana ny tany.
Peroviana Mpanao Gazety Notolorana Ny Loka Tamin'ny Fifaninanana Momba Ny Fiovàn'ny Toetrandro
Iray amin'ireo nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana Voices2Paris ilay Peroviana mpanao gazety, Pilar Celi Frías, voafidy tao anatin'ireo lahatsoratra 130 momba ny fiovàn'ny toetrandro avy any aminà firenena 40 nandray anjara.
Volavolan-dalàna Vaovao Mangataka Ny Hibahanana Ny WhatsApp Sy Google Tsy Ho An'ireo Rosiana Manampahefana

Fanalahidin'ny fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana ny fandraràna ny tsy hampiasàn'ireo Rosiana mpiasam-panjakana ny tolotra avy any ivelany toy ny Google, Yahoo!, ary WhatApp , hoy ny Rosiana iray mpanao lalàna.