Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Novambra 2015

Tantara tamin'ny 17 Novambra 2015

Emirà: Vehivavy Tokantena Ianao Saingy Mbola Te-hanana Zaza Iray

“Na ireo olona manambady aza, tsy miresaka momba ny fananganana zaza. Resahako izy io satria manana hafatra ho an'ny fiarahamoniko aho…[ny fananganana] dia zavatra tena manan-danja tokony ho eken'ny fiarahamonina..”

Manamboninahitra maty nisy namono tao Tajikistan rehefa nahazo lohatenin-gazety indray ny fanerena hiditra ho miaramila [zazavao]

"Izao no akon'ny rafitra izay niasa nihoatra ny 20 taona nandritra ny fotoanan'ny fandraisana zazavao ao Tajikistan.."

#FreeBassel: Tsahoana Hosaziana Ho Faty Ilay Syriana Injeniera Informatika

GV Mpisolovava

Niely ny tsaho fa nahazo sazy ho faty avy amin'ny governemanta Syriana ilay injenieran'ny rindrambaiko Syriana-Palestiniana any am-ponja Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi.

Sehatra vaovao manao izay hampety ny endrika sy fandaminana tanàna ho an'ireo eny ifotony

Akon'ny RuNet

Ny sehatra, nantsoina hoe "Zhyteli" (Mponina), dia mikendry ny hanome fitaovana hoan'ireo mponina an-tanandehibe hifandraisana amin'ny mpifanolobodirindrina aminy hahombiazana kokoa amin'ny fikarakarana andavanandro ka hatramin'ireo asam-panavaozana goavangoavana.

Maraoka: Miatrika Fitsaràna i Hisham Almiraat Mpikamban'ny Global Voices

GV Mpisolovava

Hiatrika fitsaràna amin'ity herinandro ity i Hisham Almiraat, dokotera mpitsabo ary efa ela no mpitarika vondrom-piarahamonina tato amin'ny Global Voices. Vesatra iampangàna azy ny "fanohintohinana ny filaminana anatin'ny Fanjakàna"