Mahafinaritra ve ianao? Ho anao izany ireto sary Ultraman ahetsiketsika ireto

Ultraman Zeos, Ultraman Man, Ultraman Dyna

Ultraman Zeos, Ultraman Man, Ultraman Dyna ary zazalahy kely mpankafy ao amin'ny Tedori Fishland, Ishikawa. Saripikan'i Nevin Thompson.

Mpisera YouTube ultramanvszetton no nanao fanambatambarana sarimihetsika fohy amin'ny alalan'ny fomba fandatsahana kilalao, [endrika] mihetsika, fanajanonana sy fandefasana sary, ary fikirakirana feo.

Iza no kintana ao amin'ny fantsona YouTube an'i ultramanvszetton? ireo endrika isankarazany monina ao amin'ny tontolon'ny fanorolahy Japoney Ultraman.

Indro ny Ultra Seven miady amin'ny Bira Seijin (Tsy Olon'ny Tany Bira).

Ultra Seven dia fiovan'endrika fahatelon'i Ultraman, nivoaka voalohany tamin'ny andiam-pandaharana taona 1967. Ultraman dia misy itovitovizana amin'ny lafiny maro amin'ny andiam-pandaharana britanika Dr. Who.

Tahaka ny Dr. Who, ny andiam-pandaharana Ultraman dia eo amin'ny manodidina ny 50 taona nivoahana, ary maro dia maro ny andiam-pandaharana no nitranga tamin'ny fotoana sy tontolom-piainana an'habakabaka maro dia maro.

Isaky ny andiam-pandaharana iray no ivoahan'ny fanorolahy Ultraman iray vaovao tsy maintsy miady amin'ny TOT (Tsy Olon'ny Tany] kôsmika mitady hanafika ny Tany. Ireo fanorolahy Ultraman isankarazany dia miainga avy any amin'ny planeta misy azy any ary mifidy vatan'olombelona iray idirana ho fiarovan-dry zareo ny Tany amin'ny bibidia.

Nandritra ny taona maro ireo andiam-pandaharana mitohy Ultraman amin'ny televiziona sy ny sarimihetsika no namorona  andian'entambarotra goavana tsy voasakana, mivarotra maodelin-tsarifanorolahy Ultraman kely ampolony maro sy ireo bibidian'ny habakabaka tsy maintsy reseny.

Ultraman action figures

Ultraman action figures sold in a Japanese toy store. Photo by Nevin Thompson.

Izany rehetra izany no mahatonga famoronana karazan-javatra maro dia maro ho an'ireo mpankasitraka romotra amin'ny fanangonana azy ireny, tahaka ity mpisera YouTube ultramanvszetton ity.

Ato amin'ity sarimiaina fohy noforonin'i ultramanzetton ity, niverina i Ultra Seven hiady amin'ilay raboto goavambe mpihinana fiarakodia Crazygon avy any amin'ny planeta Banda.

Raha ankizy no tena nokendrena amin'ny andiam-pandaharana ela niasana Ultraman, efa ela no nihaodihaody tao Japana ity andiam-pandaharana ity fa efa lasa fisehoan-javatra ara-kolontsaina malaza. Mety ho hitanao any amin'ny fiainana andavanandro ao Japana ao i Ultraman, ary tafiditra amin'izany ny lalao baseball Japoney.

E, toa mpankasitraka baseball ihany koa i Ultraman (tpt). Lany daholo ny tapakilan'ny lalao androany alina… Manontany tena aho raha ry zalahy ireo no nividy ny tapakila rehetra? Ultraman Neos ô, aza mijoro eo anoloana tahaka izao!

Mazava loatra, Ultraman tsy andiampandaharana tokusatsu (特撮, na SFX) ao Japana.

Ny mpisera YouTube Goji73 izao dia nanangana andiana lahatsarin-tranonkala iray manontolo mampiasa ireo [endrika] antsoina hoe Godzilla sy ireo namany mahatalanjona (misy fifampidirana eo amin'i Godzilla sy ny endrika Ultraman iray antsoina hoe Daikaiju Battle ).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.