Tian'ny Mpiserasera ao Torkia Hotazonina ny #SilvanUnderAttack taorian'ny fanafihana tao Parisy

Berlin, Germany. 12th November 2015 -- A woman gives a speech behind a banner remembering Silvan. -- Dozens Kurds and Yazidi rally at Berlin's Brandenburg Gate to condemn Turkish attacks on and the siege of Kurdish Silvan in Turkey. They also remember the fate of the Yazidi in Iraq who are murdered and enslaved by the Islamic State (ISIS) .

Berlin, Alemaina. 12 Novambra 2015 — Vehivavy iray manao lahateny ambadiky ny sorabaventy mahatsiaro an'i Silvan. — fihaonan'ny Kiorda sy ny Yazidi ampolony eo ambavahadin'i Berlin eo Brandenburg hanameloka ny fanafihana Tiorka sy ny fanaovana fahirano an'i Silvan Kiorda ao Torkia. Tsarovan'izy ireo ihany koa ny mahazo ny Yazidi ao Iràka izay vonoina sy andevozin'ny Fanjakana Islamika (ISIS) .

Miahiahy ny mpiserasera Pro-Kiorda ao Torkia fa hanimba ny tati-baovao iraisampirenena amin'izay lazain'izy ireo fa fanentanam-pampihorohoroana ataon'ny fitondrana tiorka isan'andro ao atsinanan'i Torkia ny fipoahana mandravarava maro lazaina fa nataon'ny ISIS tao Parisy.

Efa mihoatra ny folo andro talohan'ny fanafihana tao Parisy izay nahafatesana olona mihoatra ny 120 sy nampironjona an'i Frantsa, dia natao fahirano ny tanànan'i Silvan noho ny fifandonan'ny tafiky ny governemanta amin'ny mpiady avy ao amin'ny Antokon'ny Mpiasan'i Kiordistana (PKK) mpitady ny fahaleovantena.

Nampiasaina ny diezy ho fitaovana hanetsehana ny fifantohan'ny fampitam-baovao lehibe mandritra io fotoana io.

Rehefa maneho firaisankina amin'i Parisy, maro amin'ireo mpisioka no mampiasa ny diezy miaraka amin'ny hiantohana fa tsy ho rendrika ao anaty safidy ny hafatr'izy ireo ary hifangaroharo ao amin'ny tontolon'ny TS [Tambajotra Serasera].

Ry Fampitam-baovaonay mamirapiratra,  indrisy fa marina ny #ParisUnderAttack [Parisy tratran'ny fanafihana], ahoana ny amin'ny #SilvanUnderAttack [Silvan tratran'ny fanafihana]?

Taorian'ny fanafihana tao Parisy dia manirery tanteraka i Torkia. Andao hojerena inona no mitranga.

An'arivony ny mponina no noterena handositra ny tanànan'i Silvan ao amin'ny faritra Diyarbakir atsinanan'i Torkia ao anatin'ny bemidina tarihin'ny governemanta izay andefasana voromby, angidimby ary snipers [voakarama hitifitra olona tsirairay]. Farafahakeliny sivily enina no maty, araka ny Fanorenan'ny Zon'Olombelona ao Torkia, miaraka amin'ireo mpitolona mitam-piadiana am-polony sy miaramila telo avy ao amin'ny tafika tiorka hatramin'ny nanombohan'ny bemidina tamin'ny 3 Novambra.

Izany dia fanampin'ny fahafatesana anjatony vokatry ny fanapoahana mampihorohoro sy ireo zavatra hafa nataon'ny governamanta hatramin'ny nanaovana ny fifidianana ankapobeny voalohany tamin'ny roa notontosain'i Torkia tamin'ity taona ity tamin'ny volana jona.

Nilaza ny praiminisitra tiorka Ahmet Davutoğlu fa tsy hitsahatra ny bemidina ao amin'ny tanàna ahitana vakim-paritra misy mponina mihoatra ny 130000 mandra-paharingan'ny “mpampihorohoro tsy misy miangana na iray aza.” Notsipahin'ny governemantany ihany koa fa tsy ampy ny sakafo, rano ary ny herinjiro ary mizaka ny ady ny sekoly sy ny drafi-panorenana hafa.

Mifanohitra tanteraka amin'ny nolazain'ny praiminisitra Ahmet Davutoğlu ny fanambarana avy amin'ny Antoko pro-Kiorda ankavia Demôkratikam-Bahoaka (HDP).

Ertuğrul Kürkçü, iray amin'ny mpikambana amin'ny parlemanta avy amin'ny HDP sady mpikamban'ny delegasiona nitsidika ny tanànan'i Silvan tamin'ny 12 Novambra, nilaza ny bemidina ho “ady atao amin'ny vahoaka”:

There is a war being waged on people. People are being punished for rejecting [President Recep Tayyip] Erdoğan's regime, withstanding and resisting it.

Misy ny ady atao amin'ny vahoaka. Saziana noho ny fitsipahana ny [Filoha Recep Tayyip] Erdoğan sy ny fifikirana amin'izany ny vahoaka.

Noho ny tsy fahavitany miaro ny maro an'isa parlemantera ao anatin'ny filaminana tamin'ny volana jona, dia zara raha azon'ny Antoko AKP (Rariny sy Fampandrosoana) tarihin'i Davutoğlu sy ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ny fiverenana hifehy ny fanaovan-dalàna tiorka tamin'ny fandresena mampiady hevitra nandritra ny fifidianana faharoa notontosaina tamin'ny fiandohan'ity volana ity.

Ny fampielezankevitra dia notontosaina tao anatin'ny tahotra sy ny famoretana ny fampitam-baovao rehefa novelomin'i Ankara hiredareda indray ny ady nifanaovana tamin'ny PKK ampolony taona taorian'ny fanapoahana baomba tao Suruc izay nanaisotra ain'olona 33 ary nambaran'ny ISIS fa nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.