Nitily toerana i yves Tennevin [1] ary nampakatra ny sasantsasany tamin'ìreo sary mahazendana nolokoina tamin'ny tànana [2] ahitàna an'i Japàna tamin'ny taonjato faha-19, taorian'ny nanokafan'io firenena io indrindra ny varavarany [3] ho an'izao tontolo izao.
Hita amin'ny sehatra natao ho an'ny daholobe [4] daholo ireo sary rehetra, ary heverina ho tao Japàna no nalain’ [5]i Adolfo Farsari [6], teratany Italiana mpakasary, tany amin'ny faramparan'ny 1880. Maro amin'ireo fanontàna navoakany no nolokoina tamin'ny tànana, fomba fanao iray izay nahazatra ihany tao Japàna [7] tany amin'ny faran'ny taonjato faha-19, rehefa injay nitsidika tao i Farsari.
Raha ny sary nataony no tsaraina, nandeha lavitra nitety ny manodidina an'i Japàna i Farsari, ary nandrakitra saika ny zavatra rehetra nolalovany mihitsy.
Somary hita mibaribary ihany hoe nasian'i Farsari fikarakaràna ny ankamaroan'ireo sariny. Midika io fa tsy dia milaza mandrakariva ny tena zavamisy loatra ireo sary entiny anehoana an'i Japàna, ary angamba mety nandray anjara tamin'ny fanefena ny fomba fijerin'ny tany ivelany momba ilay firenena vao avy nisokatra, fa tsy tena maneho taratra ny fomba fijerin'i Japàna ny tenany manokana.
Indrisy, tsy ny sary rehetra asongadin'i Farsari no misy maribolana, araka izany dia sarotra ny mamaritra ny toerana nakàna azy ireny.
Sarotra ny hilaza raha tena izao no mety ho fisitrahan'ireo Japoney ny zaridaina, na fomba iray fotsiny io nanaingàn'i Farsari ny olony hàka toerana ho alaina sary.
Mety ho Yokohama ity sary ity. Telopolo taona monja talohan'ny nakàna ity sary ity, mety ho tanàna nilamina nonenan'ny mponjono i Yokohama.
Ny sasany tamin'ireo diany nataon'i Farsari dia nitondra azy tany amin'ireo toerana lavitra izay afaka nakàna sary ny endriky ny fiainana andavanandro ho an'ireo olona ivelan'ny tanàndehibe.
Toy ny mpanjono ireto lehilahy ireto, manamboatra bika mba ho an'ny sarin'i Farsari hanehoan-dry zareo ny fandrobohana an-drano ny làkany.
Maro amin'ny sary nalain'i Farsari no toy ny marika maneho hatraiza hatraiza an'i Japàna.
Fantina goavana iray amin'ireo sary nopihan'i Farsari no azo jerena amin'ny toerana samihafa manerana ny tranonkala. Ny fantin'ny Nagasaki Library Collection [8] amin'ny sarin'i Farsari dia ahitàna maribolana famariparitana momba ny toerana nakàna ireo sary.
Raha tianao ireo, mety tianao ihany koa ny hitsirika hijery andian-tsary tranainy iray hafa momba an'i Japàna [9] avy amin'io vanimpotoana io ihany, saingy ilay Japoney mpakasary, T.Enam0, no naka azy.