- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tao Amin'ny TV Frantsay, Tsy Nomen'ny Filohan'i Iràna Lanja Firy Ny Fanoherana Ny Hijab Ataon'ireo Vehivavy Ao Amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Iràna, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Zon'olombelona
President Hassan Rouhani was confronted with this picture from the My Stealthy Freedom Facebook page during an interview with French journalists.

Nandritry ny tàfany tamin'ireo frantsay mpanao gazety, nifanehatra tamin'ity sary avy amin'ny pejy Facebook “Ny Fahafahana tselatro” ity ny Filoha Hassan Rouhani.

Nisarika ny sain'ny maro tokoa ny dian'ny filoha Iraniana Hassan Rouhani tany Frantsa tamin'ity herinandro ity, tsy hoe noho ilay resaka “tsy fandraisana divay mandritry ny fisakafoanana [1]” izay lasa resaka be nanakona fivahinianana eoropeana voalohany tontosain'ny filoha iraniana tato anatin'ny efa ho folo taona mahery. Ankehitriny, dia noho ny fihetsiny nanoloana sary iray avy amin'ny pejy Facebook  “Ny Fahafahana tselatro [2]” .

Manasongadina vehivavy iraniana manaisotra ny sarondohany eny imasom-bahoaka ilay pejy Facebook, ho fanoherana ireo lalàna manery ny tsy maintsy hitafiana hijab [3] ao amin'ny firenena. Ny rafitra mifehy ny fomba fitafy hijab ho an'ny vahoaka, araka ny lalàna Islamika, dia efa ampahany tao anaty lalànan'i Iràna hatramin'ny Revolisiona Islamika 1979.

To anatin'ny fanantenana hoe horesahan'ny filoha frantsay sy iraniana amin'izao dian'i Rouhani any Frantsa izao ireo olana goavana toy ny fifanarahana nokleary voasonia tany Viena tamin'ny Jolay lasa teo, ary hatramin'ny fifandonana any Siria koa. Eny tokoa, dingana iray lehibe no nomarihan'ity dia ity teo amin'ny fifandraisana ara-diplaomatika sy fiarahana miasa eo amin'i Iràna sy ny Tandrefana. Kanefa, ny fihetsik'ilay filoha malaza tony fihetsika, nanoloana ireo fanontaniana momba ny tsy maintsy hitafiana hijab, no niteraka fanehoankevitra marobe hafa, indrindra avy amin'i Masih Alinejad, Iraniana iray mpanao gazety mipetraka amin'izao fotoana izao any New York. Alinejad no mpamorona tao ambadik'ilay pejy Facebook izay nanjary nofaritana ho toy ny hetsika sosialy vaovao ho an'ny zon'ny vehivavy ao Iràna [4].

Sary iray avy ao amin'ilay pejy Facebook, mampiseho vehivavy iray manaisotra ny sarondohany, no nasehon'i David Pujadas, frantsay mpanao gazety, tamin'ny filoha Rouhani.

French journalist David Pujadas shows Rouhani a picture of an Iranian women from the mandatory hijab protest page "My Stealth Freedom." Screenshot of interview.

David Pujadas, frantsay mpanao gazety, mampiseho amin'i Rouhani sarim-behivavy iraniana iray avy ao amin'ilay pejy “Ny fahafahana tselatro” manohitra ny tsy maintsy hitafiana hijab. Pikantsary tamin'ilay tafa.

Nanontaniana ny filoha raha toa ka tohina na tezitra izy noho ilay sary, izay novaliany [5] tamin'ny fiteny Farsi hoe:

Inona no olana! Manana olana marobe hafa izahay ka tsy zavatra tahaka ireny no handanianay fotoana. Malalaka hanao araka izay tiany ny olona tsirairay any amin'ny fiainany manokana any. Saingy rehefa hoe mipetraka ao Iràna ny olona iray, tsy maintsy manaraka ny lalàna ao amin'ny firenena izy.

Any amin'ny firenena tsirairay dia misy ny fepetra natao ho an'ny fiarahamonina. Misy fepetra maro ho an'ny fomba fitafin'ny lehilahy sy vehivavy ary tomponandraikitra amin'ny fampanarahana ny lalàna aho…

Tany amin'ny antenimiera no nolaniana ny lalàna ary ireo mpanao lalàna ao amin'ny antenimiera izay nankatò ireo lalàna ireo sy ny vahoaka manontolo dia tsy maintsy manaja ny lalàna…

Ao amin'ny pejiny Facebook manokana [6], nanome ny fahatsapàny ny valintenin'ny filoha tamin'ilay sary i Alinejad:

عکس یک زن ایرانی از صفحه آزادی های یواشکی جلوی صورت روحانی بالا می رود در دفتر خود رییس جمهور در ایران
خنده های کمی عصبی آقای روحانی با دیدن عکس جالب است که سریع می گوید چه مسئله ایه این ….ما انقدر مسائل مهمتر داریم که اصلا به اینها نمی رسیم…..
بلاخره سوال زنانِ صفحه آزادی یواشکی به گوش مسولان ایران هم رسید.
کاش خودم می توانستم پرسشم را بپرسم و نه یک خبرنگار غیر ایرانی ولی واقعا خوشحالم که تونستم یک سوالِ همیشه سانسور شده را از طریق صفحه آزادی های زنان به گوش کسی برسانم که خودش بر اساس آنچه در کتاب خاطراتش نوشته یکی از مجریان طرح اجباری شدن حجاب در ادارات بوده در همان اوائل انقلاب ولی حالا می گوید قانونگذاری وظیفه مجلس ایران است و خبرنگار از او نمی پرسد که مسولیت دولت چیست؟
……..
شما می گویید من به عنوان یک حقوقدان می گویم مردم باید به قانون کشور احترام بگذارم حالا هر قانونی که می خواهد باشد؟ آقای روحانی یعنی به هر قانونی باید احترام گذاشت؟ یعنی الان شما و کابینه تان به قوانین فیلترینگ شبکه های اجتماعی احترام می گذارید؟ یعنی اگر قوانینی تصویب شود که همسرتان و یا زنان ایران را وادار کند حجابشان را در نشست های بین المللی بردارند آیا به آن قوانین احترام می گذارید یا اعتراض می کنید؟
مهمتر از همه شما در مورد اجرایی شدن قوانین مربوط به اجباری شدن حجاب بر اساس نوشته های خودتان، مسول هستید و الان که در قدرت هستید باید پاسخگو باشید، صدای زنانی که در شبکه های اجتماعی عکس بدون حجاب منتشر می کنند را شنیدید و می گویید اصلا مسئله مهمی نیست ولی ما یک گام به جلو رفتیم و این سوال را انقدر می پرسیم تا دیگر کسی نگوید قانون قانون است و بس چون هیچ قانونی مقدس نیست و باید به قانون بد اعتراض کرد.

Hotehirizina ao amin'ny biraon'ny filohan'i Iràna izao ilay sarim-behivavy Iraniana avy ao amin'ny pejy Facebook  “Ny Fahafahana Tselatro” naseho teo alohan'ny tavan'ingahy Rouhan.

Mahaliana ilay tsiky tsy ravo avy amin'Ing. Rouhani rehefa tojo ilay sary raha iny izy namaly malaky hoe, “Inona no olana! Manana olana marobe hafa izahay ka tsy zavatra tahaka ireny no handanianay fotoana…”

Ary araka izany dia tonga tany am-tsofin'ireo mbola ho eo amin'ny fahefàna ny olan'ireo vehivavin'ny pejy “Ny Fahafahana Tselatro”.

Faniriako fotsiny ny ho afaka mametraka io fanontaniana io fa tsy mpanao gazety tsy iraniana, saingy faly tena faly aho fa io fanontaniana io, izay matetika voasivana, no natao tonga tany an-tsofin'ny olona iray, tamin'ny nampiasàna ny pejy “Ny Fahafahana Tselatro”, olona izay araka ny tantaram-piainany manokana ihany, dia tomponantoka tamin'ny fandrafetana tany amboalohan'ny revolisiona ny politikan'ny tsy maintsy hitafiana hijab. Saingy ankehitriny lazainy fa an'ny antenimiera iraniana ny anjara andraikitra amin'ny fanaovana lalàna amin'ity lohahevitra ity, ary tsy nanery azy ve ireo mpanao gazety momba izay tena andraikitry ny governemantany?

[…]

Miteny toy ny olon'ny lalàna ianao fa hoe ny vahoaka tsy maintsy manaraka ny lalàna ao amin'ny firenena, mba ho afaka atao hoe lalàna fotsiny ve izy ireny? Atoa. Rouhani, ny tianao lazaina dia hoe tsy maintsy manaraka ny lalàna rehetra isika. Ny tianao lazaina ve dia hoe manaja ny lalàna momba ny fanatatavànana ireo tambajotra sosialy ianao sy ny kabinetranao? Ny tianao lazaina ve dia hoe raha misy lalàna iray mivoaka eo an-toerana ary manery an-dramatoa vadinao na vehivavy iraniana iray hanaisotra ny sarondohany mandritra ireo fivoriambe iraisampirenana, hanaja sa hanohitra izay lalàna izay ianao?

Ny tena zava-dehibe amin'izao rehetra izao dia ny hoe vokatra ampahany avy amin'ireo zavatra nosoratanareo ihany ny famoronana ilay lalàna izay nahatonga ny hijab ho zavatra tsy maintsy itafiana ao Iràna. Ianareo no tomponandraikitra ary amin'izao fotoana izay maha-mpitondra anareo izao, tsy maintsy tomponandraikitra ianareo. Renareo ny feon'ireo vehivavy eny anatin'ireny tambajotra sosialy ireny, namoaka ny sariny tsy misy hijab ary dia lazainareo fa tsy olana goavana velively izany, fa hanao dingana iray miroso kokoa izahay, izay tsy hahasahian'ny sasany hiteny intsony hoe ny lalàna dia lalàna, satria tsy misy lalàna masina ary ny isam-batan'olona dia tsy maintsy manohitra ireo lalàna ratsy.