Mujeres Trabajando : Fiombonana mahaova ny tontolon'ny hip-hop ao Meksika

Mujeres trabajando

Fidirana an-tsehatra nandritra ny andron'ny vehivavy manerantany sy ny tsingerintaona fahaenin'ny Fiombonana tamin'ny 8 marsa 2015. Sarin'i Giulia Iacolutti, nahazoana alalana nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny Mujeres Trabajando

Nohozongozonin'ny fiombonana Mujeres Trabajando izay, nahavita nitsofoka tao amin'ny tontolo anjakan'ny tsy fitiavam-behivavy sy ny fanandratana ny lehilahy tamin'ny alalan'ny mozika, tononkalo, ny zavakanto ara-maso ary ny dihy, hatramin'ny taona 2009, ny sehatry ny hip-hop tao Meksika.

Cartel realizado para un evento de "Mujeres Trabajando". Tomado con permiso de su cuenta de Instagram.

Afisy notontosaina tamin'ny hetsika iray nataon'ny  “Mujeres Trabajando”. Nahazoana alalana navoaka indray avy tao amin'ny kaonty Instagram.

Nivoaka noho ny fisantaran'andraikitr'i Jezzy P sy i Ximbo ity fiombonana marolafy iray ity. Ankehitriny, dia artista 12 avy amin'ny lafivalon'ny firenena no mandrafitra azy, ary samy manana ny fahaizana manokana ao amin'ireo singa mandrafitra ny hip-hop ry zareo ireo.

Araka ny fampahafantarana azo jerena ao amin'ny pejy Facebook, dia hita ao amin'ny tanjon'izy ireo ny :

[…] difundir y promover la cultura al exponer los trabajos individuales de las integrantes a través de espacios compartidos y comunitarios. Asimismo, impulsa la creación artística realizada por mujeres e incentiva el desarrollo de las mismas, el desarrollo integral de la mujer y su participación activa e igualitaria en los ámbitos laborales y artísticos en la sociedad mexicana.”

[…] mampiely sy mampiroborobo ny kolontsaina amin'ny fampirantiana ny sangan'asan'ny mpikambana, amin'ny alalan'ny sehatra ifampizarana sy ikambanan'olona maro. Avy amin'izany izahay no manome tombony ny famoronana artisitika notontosain'ny vehivavy ary mandrisika ny fivelaran'ireo vehivavy ireo, ny fampandrosoana manontolo ny vehivavy ary ny fandraisany anjara mavitrika sy mitovy tantana ao amin'ny tontolo matihanina sy artistikan'ny fiarahamonina meksikana.”

Ao anatin'ny asan-dry voalohany ny fanatontosana fampisehoana, ny fampiderana break dance,  graffiti ary ny fampirantiana saripika, ny famakiana tononkalo amin'ny feo avo, ary eo ihany koa ny trano fanovan'endrika ny tee-shirts, ary amin'ny alalan'izany ry zareo no miezaka mampivelatra ny kolontsaina fampiasana indray ny zavatra efa niasa sy manohana ny famoahan'ny vehivavy tsirairay [ny asakantony].

Ny lahatsary manaraka etoana no mampiseho ny fintin'ny fampisehoana nataon'izy ireo voalohany :

Ao amin'ny firenena efa fiainana fahita andavanandro ny herisetra atao amin'ny vehivavy (ny taona 2012 ka hatramin'ny 2013 dia 3892 ny vehivavy maty nisy namono, araka ny Fanarahamason'Olompirenena manoloana ny Famonoambehivavy), dia nijoro ho tahala avo toerana amin'ny fampielezana sy famoahana ny kanto artistikam-behivavy, mihaika ireo fijery vilana sy mifanandrina amin'ireo fanavakavaham-behivavy ny fiombonana Mujeres Trabajando.

Tsy isalasalana fa fitaratra amin'ny empoderamiento, fandraisam-pahefana ataon'ny vehivavy ao anatin'ny kolontsaina hip-hop, sy amin'ny sehatra mivelatra kokoa, eo anivon'ny fiarahamonina meksikana ny fiombonana.

La unión hace la fuerza en todos los sentidos,
mujeres trabajando compartiendo el sonido
la rosa de los vientos aquí como testigo
juntas sin dañar sin afán de competir
Venimos a mostrar que podemos construir

Rime de Dayra en “Ladies Night”

(“Ny firaisana no hery amin'ny heviny rehetra,
ny vehivavy miasa mifampizara feo
ny raozin'ny rivotra no vavolombelona
miaraka tsy mikendry hanimba na faniriana hifaninana
Tonga izahay hampiseho izay azonay atsangana.”)

Jereo ny fampahafantarana bebe kokoa momba ny asan'izy ireo ao amin'ny blaoginy ofisialy sy ireo tambajotra serasera : Facebook, Instagram, Twitter ary YouTube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.