- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny 9 novambra ao Alemaina : Andro hamakiana ny rindrina hita vatana sy ny rindrin'ny kolontsaina

Sokajy: Eoropa Andrefana, Alemaina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tantara
Fall der Berliner Mauer

Faharavan'ny Rindrin'i Berlin tamin'ny 1989. Misy rindrina hita vatana sy kolontsaina mijoro koa manakana ny hoavin'ny mpifindramonina maro ny taona 2015. Sary nalain'i Raphaël Thiémard tao amin'ny Flickr (CC BY-SA-2.0)

1918, 1938, 1989 : Manamarika ny tantara alemana ny 9 novambra, fantatra ao Alemaina ho “andron'ny anjara”. Ankoatra ny Revolisionan'ny [1] 9 novambra 1918, izay nanamarika ny faharavan'ny fitondram-panjaka tokana tamin'ny fiafaran'ny Ady Lehibe Voalohany, dia misy fotoan-dehibe ara-tantara ihany koa manamarika io andro io ao an-tsain'ny mponina ao Alemaina : ny Alin'ny Kristaly [2], hetsika maherisetra voalohany nataon'ny fitondrana nasionaly-sosialista tamin'ny jiosy tamin'ny 9 novambra 1938 sy ny Faharavan'ny Rindrin'ny Berlin [3] tamin'ny 9 novambra 1989. Mihalohalo indrindra ireo fotoan-dehibe roa ireo amin'izao taona 2015 izao, lasa toy ny vao omaly ao anaty fahatsiarovana : Tamin'io andro io indrindra ny hetsika tendrony ankavanana PEGIDA (Patriotische Europäer gegen die Islamisierung des Abendlandes : Eoropeana tia tanindrazana manohitra ny fanaSilamOana an'i Andrefana) no niantso ny hanaovana fihetsiketsehana, isaky ny alatsinainy herintaona mahery izay.

Tamin'ny alin'ny 9 nifoha 10 novambra 1938 no nopotehina nanerana an'i Alemaina manontolo ny sinagoga, toeram-pivoriana, magazay, fonenana ary toeram-pandevenana jiosy an'arivony. Io andro io no manamarika nytetezamita avy amin'ny fanavakavahana mankany amin'ny fampijaliana tsy mitsahatra sy ny famonoana ny jiosy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nisy mpiseraseran'ny TS (Tambajotra Sosialy) nampiseho ny firaisankinany. Indro ny sarin'ny “Stolperstein [4]” iray (izay azo adika hoe “vato voapaikan'ny fahatsiarovana”), takelaka fahatsiarovana napetraka tanoloan'ny tranon'ireo olona nampijaliana na nafindra toerana.

Rehefa manaraka ny mpanaraka ary tsy miaro ny semôkrasiany intsony ny olompirenena…

Toe-javatra iray hafa ny faharavan'ny Rindrina tamin'ny 9 novambra 1989. Nisokatra tsikelikely ny Rindrin'i Berlin izay nanasaraka nandritra ny 28 taona ny RDA sy ny RFA tamin'ny 9 novambra, taorian'ny fihetsiketseha-panoherana nataon'olompirenena. Herintaona taorian'izay no tonga ny fampitambarana.

Kihondalana vaovao indray ny fahatsiarovana notontosaina tamin'ny 9 novambra 2015, satria nomena alalana tamin'io andro io ny PEGIDA hanao antso hanao fihetsiketsehana, eny antsisintsisin'ireo lanonam-pahatsiaovana maro. Nandrara ny vondrona tsy hanao fihetsiketsehana aloha ny tanànan'i Munich tamin'ny voalohany, fa ny tribonaly misahana ny ady amin'ny fanjakana no nanaisotra io fandrarana io. Ho an'ny Alemana maro, tsy mety zakaina io famoriambahoakan'ny tendrony ankavanana io. Tany amin'ny faritra maro, niaka-danja arakaraky ny fahamaroan'ny mpifindramonina ditra misy ambadika fankahalana vahiny [8] sy ny fanaovan-kerisetra ireo foibe fandraisam-bahiny [8], ary nipoitra tetsy sy teroa ireo vondrona ankavanana isankarazany. Ny vondrona mpankahala islamo PEGIDA no niantso ho amin'ny fanaovana fihetsiketsehana manerana an'i Alemaina, indrindra fa ao Dresde, izay olona an'arivony maro no namaly ny antsony.

Eny amin'ny tambajotra sosialy, mahey vaika ny fitsikerana ny famoriam-bahoakan'ny PEGIDA. Misy ireo mpiserasera vitsivitsy nanao fampitaha tamin'ny herisetra natao tamin'ny jiosy nandritra ny Alin'ny Kristaly tamin'ny 1938 sy ny herisetram-panakahalam-bahiny nandritra ny taona 2015 :

77 taona no manelanelana ireo Nazi nandoro ny synagoga sy ireo Nazi nandoro ny tobin'ny mpitsoaponenana.

Ny 9 novambra indrindra no tokony hampahatsiaro fa tsy vahaolan'ny taona 2015 ny fankahalam-bahiny sy ireo fefy (rindrina) isan-karazany. Efa fanamby nihoaran'i Alemaina indray mandeha ireo rindrina hita maso sy rindrina ara-kolontsaina ireo.

Matahotra fiteny hafa, fombafomba hafa sy fomba fiakanjoana hafa ? Efa hay izany !

Tsy vahaolana ny fefy. Na tamin'ny 1989 Na amin'ny 2015.