Tantara tamin'ny 13 Novambra 2015
Ny 9 novambra ao Alemaina : Andro hamakiana ny rindrina hita vatana sy ny rindrin'ny kolontsaina
1918, 1938, 1989 : andro manandanja eo amin'ny tantara alemana ny 9 novambra. Norombahin'ny PEGIDA avy amin'ny ankavanana tamin'ny fomba mampiady hevitra izany tamin'ity taona ity.
Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka
"Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany #SackTheSpeaker #HoldKeyAccountable"
Mujeres Trabajando : Fiombonana mahaova ny tontolon'ny hip-hop ao Meksika
Vitan'ny fiombonana Mujeres Trabajando ny nitsofoka tao amin'ny tontolo anjakan'ny tsy fitiavam-behivavy sy ny fanandratana ny lehilahy tamin'ny alalan'ny mozika, tononkalo, ny zavakanto ara-maso ary ny dihy, ny sehatry ny hip-hop tao Meksika.
Vazimba Teratany Lumad Ao Filipina Miampanga Ny Fanararaotana
“Nopotehan'ny Tafik'i Filipina ny sekolinay. Nodoran'izy ireo ny kaoperativam-pambolenay. Niainako ny famonjàna ary ankehitriny miatrika fiampangana noforomporonina avy amin'izao zavatra rehetra izao hoe nanao fakàna ankeriny. Malahelo ny tanin'ny razanay izahay."
Mamely Indray Ny Avaratra-Atsinanan'i Shina Ny Airpocalypse
Rakotra setroka mampidi-doza ireo tanàndehibe maro ao Liaoning, isan'izany ny renivohiny, Shenyang, izay tonga amin'ny fetra farany ambany ny firaketana ny kalitaon'ny rivotra ao an-toerana, in-130 voatilin'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna (OMS) ho ambanin'ny refy heverina fa tsy mampidi-doza.