Nanao Ahoana i Myanmar Tamin'ny Androm-pifidianana Manan-tantara

Olom-pirenena miandry mafy sy mijery mivantana ny fanisam-bato eo anoloan'ny biraon'ny antokon'ny mpanohitra. Sarin'i Irrawaddy tao amin'ny Facebook.

Na dia eo aza ireo tsy fanarahan-dalàna sasany voalaza, nahavita nanatontosa fifidianana milamina tamin'ny ankapobeny i Myanmar tamin'ny 8 Novambra. Antoko ara-politika sy ara-poko miisa 91 no nandray anjara tamin'ny fifidianana. Tarihin'ny filoha Thein Sein ny antokon'ny fitondrana amin'izao fotoana izao, ny Antoko Ho an'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana (USDP); raha tarihin'ilay mendrika tamin'ny Nobel-ny Fandriampahalemana, Aung San Suu Kyi kosa ny antokon'ny mpanohitra, Ligy Nasionaly ho amin'ny Demokrasia (NLD).

Na inona na inona valim-pifidianana, natokana ho an'ny miaramila ny 25 isan-jaton'ny seza ao amin'ny Parlemanta. Voalaza ao amin'ny lalam-panorenana 2008 novolavolain'ny tafika izany mba hiantohana fa mbola mampiasa ny ambaindainy eo amin'ny governemanta sivily ny tafika. Ankoatra izany, tsy mahazo manao filoham-pirenena araka ny voasoratra ao amin'izany lalàmpanorenana izany i Aung San Suu Kyi na dia mahazo ny maro an'isa amin'ny vato aza ny antokony satria manambady vahiny izy ary vahiny ny zanany.

Sokajiana ho fifidianana marina sy malalaka voalohany tao amin'ny firenena

Na dia fifidianana ankapobeny faharoa ara-teknika ao Myanmar aza izany, maro no mihevitra fa ny fifidianana 8 Novambra no fifidianana malalaka sy marina voalohany tao amin'ny firenena.

Teo ambanin'ny fitondrana didy jadona miaramila nandritra ny 50 taona i Myanmar. Tamin'ny fifidianana 1990, nahazo fandresena miezinezina ny antokon'i Aung San Suu Kyi saingy tsy noraharahian'ny miaramila ny voka-pifidianana ary nifehy ny governemanta izy ireo. Tamin'ny taona 2010, nampiditra fanovana ara-politika tahaka ny fanatontosana fifidianana ny governemanta na dia voampanga fa nanodikodina ny voka-pifidianana aza.

Anisan'ireo olana nitranga tamin'ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana ny fahitana fahadisoana goavana tamin'ny lisitry ny mpifidy, ny famerezan-jo ho an'ny vondrona ara-poko tahaka ny Rohingya izay silamo ny ankamaroany, ary koa ny fiangarana hita na fahadisoana teo amin'ny komitim-pifidianana. Na dia eo aza ireo olana ireo, maro ny olom-pirenena mbola nino ny fampanantenana tamin'ny fifidianana 8 Novambra hampiroborobo ny fiovana eo amin'ny fiarahamonina.

Maro ny olona nampiasa ny teny faneva toy ny အသဲကြားက မဲတပြား (Vato Avy amin'ny Fonay) sy ny ပြောင်းလဲ ချိန်တန်ပြီ (fotoana hiovana) izay mitaratra ny fihetseham-pon'ny vahoaka mikasika ny fifidianana ankapobeny.

Ireto ambany ireto ny fanamarihana sasany nozarain'ny mpifidy nandritra ny androm-pifidianana tao amin'ny sehatra media sosialy isan-karazany.

Ireo tonga voalohany nandritra ny androm-pifidianana

Nilahatra vao maraimbe nanomboka tamin'ny 4 ora ny olona sasany na dia amin'ny 6 ora maraina aza vao misokatra ny birao fandatsaham-bato

Nisioka ny sarin'ireo olona milahatra hifidy i Ye Ling Aung.

Ireo olona 10 tonga voalohany tao  amin'ny biraom-pifidianana. Voalohany amin'ny filaharana aho amin'izao fotoana izao

Rantsa-tanana asiana ranomainty

Maro ny olona namoaka ny sarin'ny rantsa-tanan'izy ireo misy ranomainty mba hanehoana fa avy nifidy izy ireo. Bilaogera Ei Myat Noe nizara ny heviny momba ny dikan'iny androm-pifidianana iny :

Well, for the rest of people, Nov 8th would be just an another Sunday, hanging out with friends, and do stuff but for us, Myanmar citizens who are going to vote, it’s not just another day

Ho an'ny rehetra, Alahady tsotra tahaha ny mahazatra ny 8 Nov, miresadresaka amin'ny namana, ary manao zavatra saingy ho anay, olom-pirenena Myanmar izay handeha hifidy, tsy andro mitovy amin'ny hafa izany

Nanazava ny dikan'izany marika izany i Kenneth Wong:

ယခင်က အာဏာရှင်တို့ လက်မထောင်ခဲ့ကြ၏။ ယနေ့ မြန်မာလူထုတို့ ဂုဏ်ယူဝင့်ကြွားစွာ မင်စွန်းသောလက်သန်းများ ထောငြ်ပကြလော။

Mizara sary am-pireharehana misy ny rantsa-tanany nasiana ranomainty ireo namako Birmana avy nifidy – porofo fa nandatsa-bato izy ireo. Mety hilaza ianao ankehitriny fa manopa ny fitondrana teo aloha ny mponina Birmana!

Nanamarika ilay mpikatroka Khin Ohmar fa maro ny olona nitaraina fa tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana, raha nijoro vavolombelona kosa ny sasany fa nahazo kara-pifidianana marobe. Namaky vaovao ihany koa izy fa mitarika ao amin'ny fari-pifidianan'ny tafika ny antokon'ny fitondrana.

Ampiandrasana ny fivoahan'ny valim-pifidianana

Rehefa nikatona tamin'ny 4 ora hariva ny biraom-pifidianana, miandry am-panaintainana ny vokatra vonjimaika ny olona. Nidera ireo miasa mafy ao amin'ny biraom-pifidianana ilay mpanao gazety Lupa Aung:

မဲရုံမှာ တာဝန်ကျတဲ့သူတွေကို လေးစားပါတယ်
သူတို့ အခုထိ ထမင်းမစားရသေးသူတွေ ရှိတယ်ဗျ။
အပြောင်းအလဲ အတွက် သည်းခံစိတ်ကို အလေးပြုပါတယ်။
လူပအောင်

Mankasitraka ireo namita ny adidiny tany amin'ny biraom-pifidianana. Tsy nihinan-kanina akory ny sasany tamin'izy nandritra ny tontolo andro. Mankasitraka ny faharetan'izy ireo miasa ho amin'ny fiovana.

Vahoaka mitangorona eo anoloan'ny biraon'ny NLD ao Mandalay mijery mivantana ny fanisam-bato. Sary nozarain'i Nik Nayman tao amin'ny Facebook.

Vato mampiahiahy

Mandritra izany fotoana izany, ao Loikaw renivohitry ny fanjakana Kayah, nahatezitra kandidà sy mpifidy ny fahatongavan'ny vato 5000 efa voaisa mialoha. Nitatitra i Josephine Mu Nan :

5,000 pre-votes arrived out of nowhere in an election commission office in Loikaw. Where it came from is quite blurred. Fighting other representatives and whoever in charge there!

Bileta efa voasoratra mialoha 5.000 no tonga tsy fanta-piaviana tao amin'ny biraon'ny komitim-pifidianana ao Loikaw. Tsy mazava ny fiavian'izy ireo. Miady amin'ireo solontena hafa sy izay tompon'andraikitra eto!

Nitranga tao amin'ny faritra maromaro manerana ny firenena ny fahatongavan'ireo vato ‘tonga aloha’. Nampiahiahy ny vahoaka sy ny mpanara-maso ny fifidianana izany vaovao izany. Nilaza ny Burma Partnership, tambajotram-pikambanana miaro ny demokrasia sy ny zon'olombelona fa mirona any amin'ny antokon'ny fitondrana ireo vato mampiahiahy:

In Myitkyina around midnight, advance votes arrived, which were mostly for USDP. The same situation with the arrival of advance votes in Monywa, Lashio, Taunggyi. In remote and ethnic areas where it is strategic for the Burma Army, it seems they will not allow the NLD or ethnic opposition party to win.

Tao Myitkyina manodidina ny misasakalina, tonga ny vata efa misy vato izay ho an'ny USDP ny ankamaroany. Tahaka izany ihany koa no niseho tao Monywa, Lashio, Taunggyi. Tao amin'ireo faritra lavitra sy faritra ara-poko izay stratejika ho an'ny tafika Birmana, toa hita fa tsy avelan'izy ireo handresy ny NLD na antokon'ny mpanohitra ara-poko.

Saingy mahagaga, tsy namaly ny mpanohitra:

What is interesting is that the NLD candidate who had already won by vote counts last night is not objecting this illegitimate arrival of the advance votes at midnight. It will be interesting to see whether the NLD as a whole will respond to the arrival of these midnight advance votes.

Ny mahaliana dia tsy niloa-bava mikasika ity fahatongavan'ny vato mialoha tsy ara-dalàna tamin'ny misasakalina ity ny kandidàn'ny NLD izay efa nandresy tamin'ny fanisam-bato halina. Mahaliana ny mahafantatra raha hiloa-bava manoloana ny fahatongavan'ireo vato tonga aloha ireo tamin'ny misasakalina ny NLD amin'ny ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.