Hatraiza Ny Fahombiazan'ny Hetsika Fiaretan-tory “Tsy Maintsy Atsahatra ny Delestazy” Tao Ghana?

Akosombo Dam in Ghana as seen from Volta Hotel. The dam supplies electricity to Ghana and neighboring countries.  Photo released under Creative Commons by Wikipedia user SandisterTei.

Tohodranon'i Akosombo ao Ghana tazana avy aty amin'ny Hotely Volta. Mamatsy herinaratra ao Ghana sy firenena hafa manodidina ny tohodrano. Sary navoaka tamin'ny alalan'ny Creative Commons, avy amin'i SandisterTei mpisera Wipedia.

Nameno ny araben'ny renivohitra Accra ny Ghaneana tamin'ny 16 Mai mba handray anjara amin'ny hetsika fiaretan-tory nokarakaraina ho fanoherana ampahibemaso ny krizin'ny angovo tsy misy fiafarana fanta-daza amin'ny anarana hoe “Dumsor” ao Ghana. Hevitra avy amin'i Yvonne Nelson, iray amin'ireo mpilalao sarimihetsika malaza indrindra ao Ghana ny fiaretan-tory, nokarakaraina tamin'ny alalan'ny diezy #DumsorMustStop.

Anarana amin'ny fiteny Twi ao an-toerana amin'ny fahatapahan-jiro matetika ny “Dumsor” – “dum” midika hoe tsy mandeha ary ary “Sor” midika hoe mandeha. Ny #DumsorMustStop no fihetsiketsehana goavana faharoa ao Ghana nateraky ny fahasorenam-bahoaka noho ny tsy fahombiazan'ny governemanta ary avoakan'ny media sosialy aorian'ny  #OccupyFlagStaffHouse, hetsi-panoherana ny kolikolin'ny governemanta ao anatin'ny toe-karena mihamarefo.

Saingy nahatratra ny tanjona nokasainy ve ny  #DumsorMustStop?

Niaina fahatapahan-jiro i Ghana nandritra ny telo taona. Miaina 24 ora tsy misy herinaratra isaky ny 12 oran'ny herinaratra ny Ghaneana amin'izao fotoana izao. Nanambara ny banky foibe ao Ghana tamin'ny volana Febroary fa nihisatra ny fitomboan'ny harin-karena faoben'ny firenena noho ny olana amin'ny famatsiana angovo.

Nisy fiantraikany tamin'ireo orinasa marobe ny fahatapahan-jiro miverimberina ka nitarika fandroahana mpiasa na fanakatonana orinasa ary nisy fiantraikany ratsy tamin'ireo tokantrano tsy mba afaka mividy gropy na loharanon’ angovo hafa ihany koa.

Araka ny tatitra avy amin'ilay mpanao gazety Ghaneana Sammy Darkor, niteraka voka-dratsy mahavariana ho an'ny Ghaneana ihany koa ny fahatapahan-jiro, manomboka amin'ny ‘zazakely teraka tamin'ny alalan'ny hazavana an-telefaonina’ hatramin'ny ‘fotoana bebe kokoa ao anaty fiara “izay ahafahan'ny mponina ao an-toerana manala ny hatezerany.

Tsy irery ao anatin'ny oran'ny fahamaizinany i Ghana. Miaina fahatapahan-jiro ihany koa ireo firenena hafa ao amin'ny kaontinanta tahaka an'i Tanzania, Nizeria, Afrika Atsimo ary i Zambia.

Nanoratra ity manaraka ity alohan'ny fiaretan-tory i Yvonne Nelson, mpikarakara fototra tamin'ny hetsika;

Protesters walking on the street of Accra. Photo taken from Yvonne Nelson's Facebook page.

Mpanao fihetsiketsehana nandeha tao an-dalan'i Accra. Sary nalaina tamin'ny pejy Facebook an'i Yvonne Nelson.

Vigil is on Saturday 16th May! Join me and other citizens of GHANA Strictly non-partisan. This is simply a discharge of your civic responsibility to God and country. This is for the many people who have lost their jobs because of dumsor. This is for the many people who have lost their lives because of dumsor. This is for the school children who have to study with lanterns and torches to write exams. This is for the sick people at the hospitals who have to endure dumsor on their sick beds. This is for the many patients who are unable to receive efficient healthcare because of dumsor. This is for you and I and the unborn generation of this great nation. #DumsorMustStop

Fiaretan-tory amin'ny asabotsy 16 May! Tongava miaraka amiko sy ny olom-pirenenan'i GHANA Tsy misy fiandaniana ara-politika. Fanehoana fotsiny ny andraikitra mahaolompirenena anao manoloana an'Andriamanitra sy ny firenena izany. Ho an'ireo olona maro very asa noho ny dumsor izany. Ho an'ireo olona maro namoy ny ainy noho ny dumsor izany. Ho an'ireo mpianatry ny sekoly voatery tsy maintsy mianatra amin'ny alalan'ny labozia sy ny fanilo mba hanaovana fanadinana izany. Ho an'ireo olona marary any amin'ny hopitaly voatery tsy maintsy miaritra ny dumsor eo ambony fandriana izany. Ho an'ireo marary maro tsy afaka mahazo fitsaboana mahomby noho ny dumsor izany. Ho anao sy ho ahy sy ho an'ire taranaka ao am-bohoka an'ity firenena lehibe ity izany. #DumsorMustStop

Namaritra ny hetsika sy ny valintenin'ny governemanta ny blaogy Ghana On The Go :

On May 16th, Ghanaians took the streets again, inspired by the #dumsormuststop campaign led by popular Ghanaian celebrities like Yvonne Nelson, Sarkodie, Lydia Forson, Efya, DKB, Sydney, and Van Vicker. Governmental response to the “Dumsor Must Stop” Vigil reflected the highly politicized nature of the energy crisis. Members of the ruling party National Democratic Congress (NDC) like Alhaji Halidu Haruna called female celebrities like Yvonne Nelson and Lydia Forson “unmarried prostitutes”. When floods devastated the capital, Ga traditional leaders argued that the dumsor protests had upset the gods, violating bans on drumming during the harvest festival of homowo in Accra. Other government officials, like NDC MP for Lower Manya Krobo, Ebenezer Teye Larbi, complained that the effects of dumsor were “exaggerated by people who cannot afford fridges or air conditions [sic] in their homes.” A number of NDC officials promised that the crisis would be alleviated by August, as the government was working assiduously on addressing the crisis and had plans in the works that would soon be revealed to the public.

Nidina an-dalambe indray ny Ghaneana tamin'ny 16 May, nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika #dumsormuststop [tsy maintsy atsahatra ny delestazy] tarihin'ireo olo-malaza Ghaneana tahaka an'i Yvonne Nelson, Sarkodie, Lydia Forson, Efya, DKB, Sydney, ary Van Vicker. Nampiseho ny fampidirana ny krizin'ny angovo ao anaty politika ny valintenin'ny fitondram-panjakana amin'ny Fiaretan-tory “Tsy maintsy Atsahatra ny Dumsor”. Niantso ireo vehivavy olo-malaza tahaka an'i Yvonne Nelson sy Lydia Forson ho “mpivaro-tena tsy manambady” ireo mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana Kongresy Demokratika Nasionaly (NDC) toa an'i Alhaji Halidu Haruna. Raha nandrava ny renivohitra ny tondra-drano, nilaza ireo lehibe nentim-paharazan'ny Ga fa ny hetsika dumsor no nahakivy ireo andriamanitra, tamin'ny fanitsakitsahana ny fandraràna ny fitendrena amponga mandritra ny fetin'ny fijinjana ao homowo ao Accra. Nitaraina kosa ireo manampahefana hafa tahaka ny solombavambahoakan'ny NDC ao amin'ny Lower Manya Krobo, Ebenezer Teye Larbi fa “itarin'ny olona tsy afaka mividy vata fampangatsiahana na fitaovana fikopakopahana ao an-tranony” ny fiantraikan'ny dumsor. Nampanantena ireo manampahefana maro ao amin'ny NDC fa ho maivana kokoa ny krizy amin'ny volana Aogositra, satria miasa mafy hamaha ny krizy ny governemanta ary manana drafitra am-perinasa izay hambara amin'ny vahoaka tsy ho ela.

@Wanlov, mpiangaly mozika Ghaneana malaza nilaza fa nahitana ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra ny fiareta-tory*:

Nahitana mpitolona anti-ndc tsy manao fanamiana ny #DumSorMustStop, Ny hiaka sasany tamin'ny #DumSor dia navantana amin'i JJ, i Attah Mills ary i Mahama irery.

Nisalasala ny tamin'ny fiantraikan'ny hetsika, na izany aza ireo olona maro nanatevin-daharana ny fiaretan-tory. Enim-bolana taorian'ny  fiaretan-tory malaza #Dumsormuststop, mbola miatrika ny krizin'ny delestazy tsy an-kijanona i Ghana.

Daixy (@D41XY) naneho ny fanaintainany:

Ity toe-javatra delestazy ity eh? Mihamahamay. Avy eo ry zareo manangolingoly antsika amin'ny fanantenana, mitondra ny delestazy eo anoloan'ny masontsika. #dumsormuststop

Jeneral Achere (@Afrohacker)  nanontany ny fiantraikan'ny fiaretan-tory;

Fa tena, inona no nitranga tamin'ny #DumsorMustStop ? Fomba iray hanaovana dokambarotra amin'ny sarimihetsika hoavy ve izany?

Te-hahafantatra i Kwame Anim (@KwameAnim) raha faritana amin'ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana ny fahombiazan'ny hetsika:

Ahoana no hamaritanao ny fahombiazan'ny #DumsorMustStop, ny fandraisana anjara sa ny fisiany fotsiny?

Tsy nanome famantarana mikasika izay hiafaran'ny delestazy ao amin'ny firenena ny governemanta amin'izao fotoana.

*Fanamarihana amin'ny sioka: antokon'ny fitondrana ny National Democratic Congress (NDC), filohan'i Ghana teo aloha Jerry Rawlings i JJ, filohan'i Ghana teo aloha John Atta Mills ary filoha amin'izao fotoana izao i Mahama.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.