Oviana Ianao No Niharan'ny Herisetra Ara-nofo Voalohany? Manohitra Ny Herisetra Antserasera Ny Vehivavy Breziliana
Iharan'ny herisetra ara-nofo voalohany ny vehivavy iray ao Brezila eo amin'ny faha sivy taonany. Avy amin'ny asan'ny vondrona mpiandraiki-tserasera antsoina hoe ThinkOlga izany fikarohana mahagaga izany, izay nanangona tantara kely maherin'ny 80.000 mikasika ity lohahevitra ity tamin'ny fampiasana Twitter.
Nanomboka tamin'ny MasterChef Junior izany rehetra izany, avy amin'ny fandaharana malaza iray mpandeha mivantana momba ny nahandro fanaon'ny Tandrefana, mampiseho ireo mpifaninana eo anelanelan'ny sivy ka hatramin'ny 13 taona. Amin'ny fivezivezen'ny mpahandro mahay mifaninana amin'ny nahandro mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra, namorona meme [sary pihana namboarina hihomehezana] vaovao ny mpijery voasarika mba hifaneraserana amin'ny fandaharana. Raha mampahery ny sasany, naneso ireo mpifaninana kosa ny fanehoan-kevitra hafa. Eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, manana ny toerany avokoa ny herisetra, ny fanilihana vehivavy, sy ny fametavetana ankizy, niteraka voka-dratsy tsy nampoizin'ny mpamokatra ny fandaharana ny MasterChef Junior
Hita fa mpahandro sakafo mahay indrindra sy tena ankafizin'ny mpijery i Valentina, 12, taona, iray amin'ireo mpifaninana. Saingy tsy maintsy niaritra ireo karazana fanehoan-kevitra mpanilika vehivavy sy mpanolan-jaza rehefa eo amin'ny fandaharana. “Miloko mavo mena ny volony lava ary manga ny masony. Raha nahazo fankatoavana aho, mety ho mpanolan-jaza ve aho?” hoy ny vakin'ny fanehoan-kevitra iray ao amin'ny Twitter. “Hanjary iray amin'ireo sekretera amin'ny sarimihetsika vetaveta i Valentina alohan'ny faha-14 taona” hoy ny fanehoan-kevitra hafa.
Miha-feno fanehoan-kevitra feno fankahalana ny tambajotra sosialy. Ity tranga manaitra ity, na izany aza, dia notoherin'ireo vondrom-behivavy tia mamorona, tsy misolelaka, tia fandaminana sy mavitrika ao amin'ny aterineto ihany koa.
Taitra tamin'ireo fanehoan-kevitra marobe mpanambany vehivavy mikasika ny MasterChef zandriny, ny tambajotram-behivavy bilaogera, mpiserasera Twitter sy Facebook dia nivondrona tao anatin'ny fifaneraserana iombonana ThinkOlga mba hifanentana amin'ny alalan'ny diezy #PrimerAsedio (fanohintohinana voalohany).
Iray amin'ireo mpanoratra ao amin'ny ThinkOlga i Juliana, nizara ny zavatra niainany tao amin'ny tranonkala:
We created the #primeiroassedio hashtag on Twitter. There, I, Juliana, shared my first experience with harassment at age 11 and other cases that occurred repeatedly during my childhood, preadolescence, and adolescence.
We invited our readers to do the same. It is not a simple, painless, or easy mission. Empowering yourself from your own story is important, so that the victim is recognized as a victim. It is not victimhood. It is the first and most important step towards change.
Namorona ny diezy #primeiroassedio tao amin'ny Twitter izahay. Nizara ny traikefako voalohany tamin'ny fanaovana antsojay ahy teo amin'ny faha-11 taonako sy ireo tranga hafa nitranga imbetsaka nandritra ny fahazazako, ny fidirana amin'ny fahatanorana sy ny fahatanorana izaho Juliana tao.
Manasa ireo mpamaky izahay mba hanao tahaka izany ihany koa. Andraikitra tsy mora, maharary ary tsy tsotra izany. Zava-dehibe ny fankaherezanao ny tenanao amin'ny tantaranao manokana, ka fantatra ho niharam-boina tokoa ny niharam-boina. Tsy resaka fanandratana ny niharam-boina ity. Dingana voalohany sy zava-dehibe indrindra mankany amin'ny fiovana izany.
Valinteny maherin'ny 82.000 (sioka sy sioka naverina) no nivoaka tao amin'ny Twitter tamin'ny 25 Oktobra Niresaka momba ny ampahany amin'ireo tantara 3.111 nozaraina tao amin'ny Twitter ny mpikatroka ary hita fa miseho eo amin'ny faha 9,7 taona eo ny zava-nianana voalohany nahazoana antsojay.
Ity ambany ity ny saontinany kely:
Com 15anos meu professor de história me seguiu de carro e me “convidou” pra entrar. Dps de ignorar ele reprovei na matéria #PrimeiroAssedio
— Barbara Helton (@babihelton) October 23, 2015
Tamin'ny faha-15 taonako, nanaraka ahy tamin'ny fiarany ny mpampianatra taranja tantara ahy ary “nanasa” ahy hiditra ao anatiny. Rehefa tsy niraharaha azy aho dia tsy nifindra kilasy.
Meu #primeiroassedio foi aos 7. Meu tio avô decidiu enfiar a mão dentro da minha blusa. Por mt tempo achei q era como idosos se despediam.
— peligrom (@moharamv) October 23, 2015
@moharamv: 7 taona aho tamin'ny antsojay voalohany niainako. Nanapa-kevitra hanatsofoka ny tanany ao anaty akanjoko ny rahalahin'ny dadabeako. Naharitra fotoana ela ny nieritreretako fa toy izany no fanaovan'ny zokiolona veloma.
9 anos. Um homem tentou me agarrar a força na frente da antiga casa da minha prima. Até hoje ñ passo pela rua onde ocorreu. #primeiroassédio
— Amanda Sfair (@amandassfair) October 23, 2015
@amandassfair, 9 taona. Nisy lehilahy iray niezaka haka ahy an-keriny teo anoloan'ny trano fahinin'ny havanay. Mandraka androany, tsy mandeha eny amin'ny lalana nitrangan'izany intsony aho.
Raha nivoaka sy nozaraina tao amin'ny Twitter, Facebook, ary bilaogy ny tantara, nipoitra indray ihany koa ny resabe. Nanamarina izy ireo fa noho ny endriky ny vehivavy no mahatonga azy ho voaolana, nampiasa ny endrika ivelan'ny vehivavy mba hanafika azy ireo (“matavy”, “ratsy tarehy”, “manao akanjo toy ny vehivavy janga”), ary nitsipaka ireo fijoroana ho vavolombelona ho lainga.
Ankoatra ny fanafihana, niresaka momba ny fanehoan-kevitra manohitra ezahin'izy ireo naparitaka i Louise Bello ao amin'ny ThinkOlga:
Fue increíble, poderoso e inspirador observar la fuerza que tenemos, juntas, de denunciar esse tipo de violencia y como eso da el coraje de simplemente compartir nuestras historias. Nuestra intención es solamente empoderar a las mujeres. Son ellas las que merecen atención, espacio y voz en todo ese movimiento. La campaña sufrió ataques, si, como era de esperar cuando mujeres denuncian machismo en internet. Pero eso no nos desenfocó ni disminuyó la fuerza de la campaña.
Tsy mampino, mahery vaika, ary manintona ny mahita ny hery ananantsika, miaraka hiampanga ity karazana herisetra ity sy ny fomba hanomezany herim-po ho antsika mba hizara ny tantarantsika fotsiny. Ny fikasanay dia ny hanome hery fotsiny ho an'ny vehivavy. Izy ireo no mendrika fandinihana, toerana, sy feo amin'ity hetsika manontolo ity. Niaritra fanafihana ny fanentanana, eny, izay ampoizina rehefa miampanga ny fanjakazakan-dehilahy ao amin'ny aterineto ny vehivavy. Saingy tsy manaisotra ny fifantohana na hampihena ny herin'ny fanentanana izany.
Herisetra tena izy ihany koa ny herisetra antserasera
Afaka manampy ireo mpiserasera handinika ny toetry ny herisetra ao amin'ny sehatra virtoaly sy eny an-dalambe ny fanadihadiana ireo karazana fampiasana aterineto miaraka amin'ny votoaty novokarin'ny fitaovam-pifandraisana nentim-paharazana kokoa tahaka ny fahitalavitra sy ny onjam-peo.
Namoaka feo masiaka marobe ny tambajotra sosialy. Mihoatra noho ny tany aloha, fotoana handinihana momba ny fahavoazana tena misy ateraky ny fanafihana antserasera sy ny herisetra izao.
Ao Brezila, voalaza ao amin'ny andininy faha-213 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Breziliana ny sazy amin'ny fanaovana an-keriny. Araka ny volazan'ny andininy faha-241-D momba ny ankizy sy ny tanora, voasazy herintaona hatramin'ny telo taona an-tranomaizina ary mandoa onitra ny misarika, manorisory, mandrisika na manery ankizy, amin'ny alalan'ny fitaovam-pifandraisana misy, miaraka amin'ny tanjona hanatanterahana fihetsika mamoha fady amin'izy ireo.
Na dia maro aza ireo mpanafika namafa ny kaonty Twitter-n'izy ireo, niparitaka sy azo atao porofo ireo pikantsary misy ny fanehoan-kevitra.
Araka ny voalazan'ny Satan'ny Zon'ny Olom-pirenena Breziliana amin'ny Aterineto, fantatra ihany koa hoe “Marco Civil da Internet”, tsy tompon'andraikitra na tokony hanana fahalalana mialoha mikasika izay avoakan'ny mpiserasera ny mpanelanelana. Saingy raha sy rehefa ampahafantarina ireo karazana fanararaotana izy ireo, dia tsy maintsy manaisotra izany votoaty izany, raha tsy izany tompon'andraikitra ihany koa amin'ny fahavoazana aterak'izany.
Raha nampahafantarin'ny Mpampanoa lalàna momba ny fanararaotana ny Twitter, dia mety takiana aminy ny hamoahana ny mombamomba ny nahavanon-doza. Ao Brezila, tonga hatrany amin'ny fandraiketam-panjakana mihitsy izany.
“Amin'izany vaovao izany, afaka mitory azy ireo amin'ny ady madio noho ny fahavoazana sy ny fahaverezana ihany koa ny ray aman-dreny,” hoy i Ricardo de Moraes Cabezon, manam-pahaizana momba ny lalàna mifehy ny ankizy sy ny tanora tamin'ny vohikalam-baovao Uol.
Nanampy nampitombo ny resaka momba ny herisetra an-tserasera toy ny mifandray mivantana amin'ny herisetra eo amin'ny sehatra ara-batana ny fanentanana. Zava-dehibe izany mba hanaraha-maso ireo voka-dratsin'ny herisetra antserasera mihatra amin'ny vehivavy sy ireo vondrona marefo hafa toy ny fikambanana LGBTIQ, zaza tsy ampy taona, sy ny olona manana fahasembanana.
Tao amin'ny fampahalalam-baovao, ny fanevatevana sy ny endrika habibiana hafa dia mety hamafisina amin'ny ambaratonga tsy zaka ho an'ny niharam-boina amin'ny fiaretana izany fanararaotana izany. Raha afaka manolo-tena hampiasa ireo sehatra anaty aterineto am-pahamendrehana sy amim-panajana isika, afaka hampihena ny herisetra sy hamorona fiarahamonina mahazaka kokoa isika.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...