- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Okinawa Ka Hatrany Amin'ny Firenena Mikambana, Mbola Mitohy Hatrany Ny Hetsika Manohitra Ny Toby Miaramila Amerikana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Okinawa_Governor_Takeshi_Onaga,_Lt._Gen._John_Wissler_exchange_greetings_141218-M-FX659-003

Fifampiarahaban'i Governoran'i Okinawa Takeshi Onaga sy ny Lietnà Jeneraly. John Wissler

Notoherin'ireo vahoakan'i Okinawa sy ny governorany, Takeshi Onaga, mafy ny drafitra efa elan'ny Amerikana hanamboatra toby miaramila vaovao any amin'ny faritra iray lavitra an'i Japana. Ny 13 Oktobra 2015, nampiasa ny zony amin'ny maha governora azy i Onaga mba handavana ny taratasy iray fangatahana fahazoandàlana ilain'ny miaramila Amerikana [1] mba hanamboarany ilay toby vaovao, mamarana tanteraka ny fanorenanana ilay toby.

Nipoitra ny fibahanan'ny governoran'i Okinawa ilay fanorenana ny toby, taorian'ny 21 Septambra nitenenan'i Onaga tamin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tany Zeneva , teo anoloan'ireo mpanao gazety Japoney sy mpanaramaso maro mikasika ny fandàvan'ireo mponin'i Okinawa amin'ilay tetikasa.

Io no niresahan'ny governoran'ny prefektiora Japoney voalohany tamin'io filankevitra io, ary niseho taoriana kely fotsiny ny nampitandreman'ny tomponandrakitra ofisialin'ny Firenena Mikambana an'i Japana momba ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona, tany Okinawa indrindra.

‘Mampaneno lakolosy’ momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona

Nanatrika ny resaka an-databatra momban'ny zon'olombelona nataon'ny Firenena Mikambana tany Zeneva i Onaga, mba “hampaneno lakolosy” [2] mikasika ny famindràna ny Toby an'Habakabaky ny Hery an-Dranomasin'ny Amerikana Futenma [3] any Okinawa ho ao Henoko, toerana any avaratra kokoa ao anatin'ny prefektiora, izay vondronosy kely eny amin'ny atsimo andrefana lavidavitr'i Japana.

Nilaza i Onaga fa tsy noraharahian'ny governemanta foiben'i Japana any Tokyo, izay nifampiraharaha tamin'ny Hery an-Dranomasin'ny Amerikana momba ny hamindràna ilay toby, ny zon'ireo Okinawana handray fanapahankevitra irery.

Misy ny ahiahy fatratra momba izay ho voka-dratsy henjana be haterak'io fanorenana toby miaramila Amerikana io amin'ilay toerana manana tontolo iainana (zava-maniry sy biby) tsy azo sandaina vola. Fantatra amin'ireo biby efa ho lany tamingana i Henoko Bay, sahala amin'ny dugong, biby an-dranomasina tsy hita na aiza na aiza any Japana, ary haran-dranomasina manga izay tsy fahita firy (Heliopora coerulea).

Manohitra ilay tetikasa ny ankamaroan'ireo mponina, araka ny fitsapankevitra maro nandritra ny taona maro, fa misy ihany koa ireo Okinawana vitsy manohana ny fanorenana [4] ilay toby vaovao. Na hoe 0,6% amin'ny tanin'i Japana aza izy, toerana ho an'ireo fanorenana miaramila Amerikana maherin'ny 70 % any Japana i Okinawa. Mibahana ny 18% farahafakelin'ny toerana amin'ny nosin'i Okinawa ireo toby miaramila Amerikana.

20 taona hatramin'ny fivoriana fihetsiketsehana nanohitra ny trangan'ny fanolanan'ny tafika Amerikana. Ankehitriny, 80% n'ireo Okinawana no manohana ny fanoheran'ny Governora Onaga ny famindràna ny toby Amerikana ho any Henoko

Nandritra ny 17 taona, vitan'ireo Okinawana ny nanohitra ny famindràna toerana ilay toby, hatramin'n'ny nanomezan'ny politikan'ny fiarovana ny soso-kevitra hanaovana ilay famindràna, ny taona 1996 [8], ary mbola mitohy re mafy ao Okinawa ny fisian'ny Amerikana. Taorian'ny fanapahankevitra hamindra toerana any Henoko, ny taona 2013, nisy hetsi-panoherana efa ho tsy an-kiato [3] nanoloana ireo toby miaramila.

Maneho ‘fanavakavahana’ ireo Okinawana ireo toby miaramila

Tonga taorian'ny fitsidihana ny Aogositra 2015 tany Okinawa, nataon'i Victoria Tauli Corpuz [9], mpitatitra manokana an'ny Firenena Mikambana momba ny zon'ireo vahoaka vazimba teratany, ny fandraisam-pitenenan'i Onaga tao amin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny volana Septambra. Fony tany Okinawa, nilaza i Corpuz fa maneho fanavakavahana [10] an'ireo vahoakan'i Okinawa ny fisian'ireo toby miaramila Amerikana maro tokoa ao aminà prefektiora kely sy alavitra toy io.

Hatry ny nahalany azy ho governoran'i Okinawa ny Novambra 2014, nanao ireo fomba maro hisorohana ny hamindràna ilay toby miaramila i Onaga, toby izay mitoetra ao afovoan'ny tanànan'i Ginowan, any amin'ny farany atsimo andrefan'ny nosin'i Okinawa. Nahatsapa fa na ireo governemanta Amerikana na ny Japoney, samy tsy hisy hilaza io olan'ireo Okinawana io, nanapaka hevitra i Onaga, ny volana Septambra,  handeha ho any amin'ny fivondronambe iraisam-pirenena mba hampahafantatra bebe kokoa ilay olana:

Okinawa Governor Onaga Screencap courtesy Sanae Fujita.

Niresaka tamin'ny Firenena Mikambana ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, tany Zeneva,  Soisa ny 21 Septambra 2015. Dikasary nomen'i Sanae Fujita [11] maimaim-poana.

Taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, nalain'ny miaramila Amerikana an-keriny ny taninay, ary nanorenany ireo toby miaramila tao Okinawa. Tsy nanome an-tsitrapo ny taninay mihitsy izahay. 0,6 % n-i Japana fotsiny i Okinawa, kanefa, ao Okinawa no misy ireo 73.8% n'ireo toby Amerikana any Japana […] […] Tsy noraharahiana ireo zonay haneho hevitra sy handà, ary ireo zon'olombelona. Ny firenena iray ve afaka mizara soatoavina toy ny fahafahana, fitoviana, zon'olombelona, ary demôkrasia miaraka amin'ireo fanjakana hafa, raha tsy afaka miantoka ireny soatoavina ireny ho an'ny vahoakany akory io firenena io?

Afaka jerena ato [11] ny fandraisam-pitenenana manontolon'i Onaga, amin'ny teny Anglisy.

Noderain'ireo mpikatroka mafana fo ny kabarin'ny Governora rehefa tafaverina tany an-tanàna

Nahazo tehaka tamin'ireo mpikatroka mafana fo ny kabarin'i Onaga tao amin'ny Filankveitra momba ny Zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana, fony niverina tany Okinawa. Jinshiro Motoyama, mpianatra Okinawana, manaraka ny SEALDs an'i Japana, hetsiky ny mpianatra [12], nilaza izao:

Tsara ny kabarin'i Andriamatoa Onaga. Misaotra betsaka! Alefa Governora Onaga

SEALDs Ryuku [15], rantsamangaika ao an-toerana ho an'ny hetsika nasiônalin'ny mpianatra mpikatroka mafana fo, nandefa izao bitsika izao ihany koa:

Tsara kosa an, hihaona amin'ny kilioban'ny mpisolotena any ivelany ny Governora Onaga rahampitso [any Tokyo, taorian'ny fiverenany ao Japana avy tany Zeneva]. Tiako raha mbola tohizan'i Onaga ampitaina amin'ny fivondronambe iraisam-pirenena ny hafatr'i Okinawa.

“Ny fisian'ireo toby miaramila Amerikana no antony lehibe indrindra amin'ny tsy firaharahiana ireo zon'olombelona sy ny zo hanapaka hevitra irery. Tena mahatohina mihitsy ny naheno ny governemanta Japoney nilaza fa tsy misy idiran'ireo toby miaramila ny resaka zon'olombelona.” – Manohy manery ny Firenena Mikambana hatrany moa ny Governora Onaga.

Fahasimbàna nandritry ny fitopolo taona noho ny fisian'ny miaramila Amerikana

Niresaka tamin'ireo mpitatitra vaovao tany Zeneva [18], nanipika i Onaga fa nandritra ny 27 taona nahateo ambany fifehezana mivantan'ny miaramila Amerikana an'i Okinawa, taorian'ny fahataperan'ny Ady Lehibe Faharoa, tompon'andraikitra taminà olana maro ireo tafika Amerikana, anisan'izany ny fanolanana ireo tovovavy kely, fianjeran'ny fiaramanidina taminà sekoly ambaratonga voalohany sy ireo tranga midaroka-dia-mandositra.

Taorian'ny namerenana ny fitantanana an'i Okinawa ho an'i Japana, ny taona 1971 [19], nipoitra nibaribary ireo vokatra mampidi-doza maro navelan'ny miaramila Amerikana [20], fa tsy afaka nanao na inona na inona mikasika io i Okinawa noho ny Fifanarahana Ara-tafika nisy teo amin'i Japana sy Etazonia [21].

Mbola misidina ny fiaramanidina Amerikana na aorian'ny 10 ora alina aza, mifanohitra amin'ireo fifanarahana nifanaovan'ny governemanta roa tonta, hoy i Onaga. Taorian'ilay fitaranana mikasika ny tabataban'ny fiaramanidina napetraka tany amin'ny Minisitry ny Fiarovana Japoney any Okinawa, sy ireo birao hafa an'ny governemanta Japoney, nilaza i Onaga fa nolazaina fotsiny izy hoe ho taterina any amin'i Etazonia ireo.

Taorian'ny hetsika farany nataon'i Onaga, ny volana Oktobra, ho fanafoanana ilay taratasy fahazoandàlana ilain'ny miaramila Amerikana hanorenana ilay toby vaovao ao Henoko, misy ireo mpisolotena ny governemanta Japoney mitady ny hampiantona ny fanapahankevitr'i Onaga [22], amin'ny alalan'ny Didim-pitantanana fanaovana Fampakàrana .

Sanae Fujita dia mpikambana mpiray antoka ao amin'ny Ivon-toerana momba ny Zon'olombelona, Anjerimanontolon'i Essex, Angletera [23]. Mitoetra ao Angletera, nandeha tany Zeneva i Fujita ny volana Septambra 2015 mba hitatitra ny hafatry ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, tao amin'ny Filankevitra momba ny Zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana. Nanatrika ny famorianampanao gazety nataon'i Onaga taorian'ilay fandraisany fitenenana i Fujita.