- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iza No Hiaro Ireo Mpisolovava Voafonja Ao Tajikistan?

Sokajy: Tajikistan, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Empty courtroom. Wikipedia image.

Efitranom-pitsarana, foana. Sary Wikipedia. [1]

Vetivety i Tajikistan dia lasa firenena faran'izay mampidi-doza eo an-tany mety hahatonga anao manoloana ny hazomeloka, miarka amin'ny tantaran'ireo mpisolovava nosamborin'ny manampahefana noho ny fiampangàna toa tsy marim-pototra tato anatin'ny valo ambinifolo volana.

Ny haingana indrindra tamin'ny fisamborana — izay tsy mbola mazava ihany koa ny antony — dia tany ampiandohan'ity volana ity.

Zara raha manao zavatra hanatsaràna ny tedraharaha ireo vondrom-piarahamonina sivily efa tratry ny tsindry syny vondrom-piarahamonina iraisampirenena, toe-draharaha izay toa nateraky ny fitomboan'ny politikan'ny fanampenam-bava ao amin'ny firenena.

Amin'izao fotoana izao, misy ny vinavina manone sosokevitra hoe vao mainka hiharatsy ny tedraharaha ho an'ireo mpisolovava ao an-toerana taorian'ny nandanian'ny parlemanta ireo fanitsiana [2] tamin'ilay ‘Lalàna momba ny Fisolovana Vava’ nataon'ny governemanta tamin'ny herinandro lasa iny.

Ankoatry ny zavatra hafa, mampitombo ny fiankinandohan'ireo mpèisolovava amin'ny rantsam-panjakàna ireo fanitsiana natao, rantsana izay handrindra ny asan'izy ireo, raha sady manakana hatrany ampiandohana ireo mpisolovava tsy hampihatra ny lalàna raha mbola mitoetra foana koa ireny fameperana ireny.

Zavadehibe kokoa izany ao anatin'ny tontolon'ny zava-mihatra amin'ireto mpisolovava manaraka ireto, izay mety tsy hahita efitrano fitsarana Tajik mandrakizay intsony indray amin'ny asa maha-matianina azy.

Filaharan'ireo fisamborana mpisolovava tao Tajikistan

Martsa 2014Fakhriddin Zokirov [3] no mpisolovava an'i Zayd Saidov [4], ilay mpitarika ny mpanohitra tony fihetsika nampidirina am-ponja. Notànana izy ary nampangaina aminà vesatra manjavozavo ho nanao “hosoka”, saingy taoriana kely dia nomena famotsoran-keloka, ny Novambra 2014.

Taoran'ny famotsorana azy, dia nitsahatra tsy niaro intsony an'i Saidov izy.

Jolay 2014Shuhrat Qudratov [5], mpisolovava fanta-bahoaka, lefitry ny filohan'ny Antoko Demaikdraty Sosialista mpanohitra ao Tajikistan, dia isan'ny mpiaro an'i Saidov teo anatrehan'ny lalàna ihany koa. Notànana noho ny fiampangàna azy ho nandray “kolikoly” izy ary nosaziana hifonja sivy taona an-tranomaizina, avy eo nahena ho telo taona.

Samy nino ireo mpiara-miasa amin'i Qudratov sy ireo mpanjohy azy fa noho ny fiarovany an'i Saidov no nanamelohana azy.

Aogositra 2015 – Fakhriddin Zokirov (jereo ilay mpisolovava voalohany) dia nosaborina indray fa hoe nanao “hosoka”. Mbolamijanona ho tsy mazava ny antony nitànana azy hatreto.

Septambra 2015  – Zarafo Rahmoni dia notànana amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ilay Filankevitra Pltikan'ilay hetsika matanjaky nympanohitra ao amin'ny firenena, ny IRPT Antoko Aina Vao Silamo ao Tajikistan izay voaràra ankehitriny [6].

Nanoratra [7] ny Kaomision Amerikana momba ny Fahalalahana ara-Pinoana Iraisampirenena fa “faran'izay nnaovana fanararaotana sy nandrahona ny hamono tena” i Rtoa. Rahmoni nandritry ny fitànana azy am-ponja izay mbola mitohy hatramin'izao.

Tany aloha, niaro ireo mpiray antoko aminy i Rtoa. Rahmoni, ary arka izany dia lasa lasibatra nihariary arakaraky ny nanaovan'ny governemanta hazalambo sy fampanginana goavana ho an'ireo antoko, tamin'ny Sepabra.

Septambra 2015Buzurgmehr Yorov [8], mpisolovavai ray nahazo laza tamin'ny niarovany ireo mpitarika ny mpanohitra tato anatin'ny taona vitsivitsy, dia notanana ho nanao “hosoka”, taorian'ny nanambaràny fa mety hiaro ny filoha mpitarika ny IRPT nosamborina izy.

Oktobra 2015 – voasambotra i Nuriddin Mahkamov [9], mpisolovava mafàna fo tao amin'ny media sosialy ary mpisolovava faharoa niaro ny IRPT — noho ny fiampangàna ho nanao “hosoka” ihany koa araka ny nambaran'ny havany. Niezaka ny nàka alàlana hahazo hiaro ilay nàmany, Ing. Yorov notànana, Ing. Mahkamov saingy nolavina izany.

Novambra 2015 – Dilbar Dadajonova, avy amin'ny Sendikà  “Sipar” iarahany amin'i Mahkamov sy Yorov, notànana [10] ho nanao “hosoka”.

Tsy misy fampahafantarana azo raisina momba an'i Rtoa. Dadajonova hoe niaro mpanao politika fanta-daza na tsia, na he mifandray sa tsia amin'ny an'ireo namany ny nisamborana azy.

Rindrin'ny fahanginana

Miaraka amin'ny  rivotra iainana feno tahotra tsy mitsahatra mitombo ao amin'ny firenena, ary ny fahatsapàna fa ny tsirairay ao amin'ny firnena dia mety hiharan'ny fiampangàna amin'izao zavatra rehetra izao, nanangana ny rindrin'ny fanìhanginana ireo olompirenena tsotra sy ireo vondrona mpiaro ny sivily.

Raha herintaona lasa izay, niteraka adihevitra [11] sady nanovàna ny mombamomba ny teny tety anaty tambajotra sosialy mihitsy aza ny fitànana am-ponja an'i Shuhrat Qudratov, nampikatona ny vavan'ny olona kosa ireo tranga nampandriaka rà tamin'ny Sptambra 2015 [12] sy ny fanenjehana ara-politika nanaraka azy.

Ao anatin'ny raharaha Buzurgmehr Yorov, nosokafana ny pejy Facebook iray [13]. Saingy 1.300 monja no mpanjohy azony, maro amin'ireo no manafina ny tena maha-izy azy. Tsy nisy sata vao haingana mba hoe nahazo ‘Tiana’ mihoatra ny 10.

Matahotra fatratra ny olona ankehitriny ka tsy sahy manao ‘Tiana’ amin'ireo sata na miditra ho mpanjohy ilay pejy Facebook an'ny vondrona mpanohitra toy ny IRPT sy ny  “Group 24″, izay samy nofaritan'ireo Tajik manampahefana fahatany ho fikambanana mpampihorohoro, nampidirina ho ao anatin'ny lisitry ny Interpol ireo mpikambana ao aminy any ivelany.

Ety imasombahoaka, voafetra ho an'ny fianakaviana na ireo kaony misarontava ao amin'ny media sosilay ihany ny fifanakalozandresaka momba ny manjo ireo mpisolovava, na ny mpikatroka mafàna fo manana fahasahiana.

Iray amin'ireo mavitrika amin'ny firesahana ny fanohanan azy ny anabavin'i Yorov. Tamin'ny Oktbra, notazonin'ny polisy izy [14] nandritry ny alina iray, noho ny vesatra fiambangana tsy nasiana fanazavana, talohan'ny namotsorana azy ny ampitson'iny.