Mihalalina Ny Krizy Ao Burundi

Compilation des images de la crise au Burundi en 2015

Angon-tsary tamin'ny krizy tao Burundi tamin'ny 2015

Tao anatin'ny krizy i Burundi nanomboka tamin'ny volana Aprily saingy zara raha voalaza ao anatin'ny fampahalalam-baovao  iraisampirenena ny zava-misy ao amin'ny firenena. Na dia izany aza, nandritra ny tapa-bolana faran'ny volana Oktobra, tonga amin'ny fetra atahoran'ny mpanara-baovao mafy mandritra ny krizy ny tahan'ny herisetra sy ny famonoana olona niniana natao.

Ho fampahatsiahivana, voafidy indray ho filoham-pirenena i Pierre Nkurunziza tamin'ny taona 2010. Mandràra ny filoham-pirenena rehetra tsy hirotsaka hofidiana fanintelony ny lalàmpanorenana ao Burundi. Tamin'ny 25 Aprily 2015, nanambara i Nkurunziza fa hirotsaka fanintelony amin'ny fifidianana filoham-pirenena Borondey amin'ny 2015. Nankatoavin'ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana izany tamin'ny 5 Mey.

Nipoaka ny fihetsiketsehana manerana ny firenena hanoherana izany fanapahan-kevitra izany. Mpanao fihetsiketsehana roa amby roapolo farafahakeliny no namoy ny ainy. Nanambara ny Jeneraly Godefroid Niyombare tamin'ny 13 May 2015 fa handray ny fahefana izy raha nankany  Dar-es-Salaam, Tanzania ny Filoha Nkurunziza.

Tamin'ny 14 May, tsy nahomby ny fikasan'ny mpanonganam-panjakana hifehy ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana RTNB. Nanambara ny manodidina an'i Pierre Nkurunziza fa tafaverina ao Burundi izy ary mifehy ny fitantanam-pirenena.

Nirotsaka tamin'ny fifidianana 21 Jolay 2015 i Nkurunziza ary nahazo vato 69.41% tamin'ny latsa-bato. Tsy nampilamina ny toe-draharahan'ny krizy izany fifidianana izany. Mpitsoa-ponenana an'arivony no nandao an'i Burundi namonjy an'i Tanzania noho ny tahotra ny mety hisian'ny ady mitam-piadiana.

Tao amin'ny tranonkalan'ny Feon'i Burundi, mitafatafa amin'i Aimé Magera, mpiantsehatra malaza eo amin'ny fiainana ara-politika Borondey ny mpitati-baovao Ngabire Elyse amin'izay vahaolana mety amin'ny krizy ao Burundi:

Aimé Magera constate que les dirigeants actuels n’ont presque rien gardé de l’expérience du passé récent de notre pays : « Ils sont entrain de marcher exactement dans les pas d’un ancien régime qui les a précédés juste avant que le vent de la démocratie ne souffle dans le paysage politique burundais en 1992. ” Dans un contexte où les cœurs sont déjà meurtris par les longs mois de manifestations réprimées dans le sang, des enlèvements, tortures, assassinats, découvertes des cadavres ligotés ou emballés dans des sacs et abandonnés le long des routes ou jetés dans des rivières, etc., la commission (de reconciliation) telle que définie par le décret qui l’a créée, n’apportera rien de nouveau.

Manamarika i Aime Magera fa tsy mba nandray lesona tamin'ny lasan'ny firenentsika vao haingana ny mpitondra amin'izao fotoana izao: “Manara-dia tanteraka ny nizoran'ny teo aloha nodimbiasiny mialoha indrindra ny nidiran'ny rivotry ny demaokrasia tao anatin'ny tontolo ara-politika Borondey tamin'ny 1992 izy ireo.” Ao anatin'ny toe-javatra nandratra fo noho ireo volana maro nisian'ny fihetsiketsehana nogejaina tao anatin'ny fandahatsa-drà, fakàna an-keriny, fampijaliana, famonoana olona, fahitana vatana mangatsiaka mifatotra na nofonosina ao anaty gony sy navela manerana ny lalana na natsipy tany anaty renirano, sns, tsy hitondra zava-baovao ny komity (ny fampihavanana) voafaritry ny didy hitsivolana natsangana.

Tao amin'ny Waza Afrique, manome ny heviny momba ny krizy diavin'ny fireneny i Landry Sibomana, mpanorina ny vondrona Facebook “Asa ao Bujumbura / Jobs in Bujumbura” ao amin'ny :

Les causes sont multiples : politiques, économiques, sociales, etc. Ce qui m’attriste, c’est surtout les pertes en vies humaines, les dégâts matériels, mais aussi cette inquiétude et incertitude du lendemain qui se lit sur les regards des gens. La vie tourne au ralenti. C’est regrettable. La jeunesse est une ressource extraordinaire pour une nation et s’en occuper devrait être une priorité.  Beaucoup de jeunes se sont laissés embrigader dans des aventures dangereuses qui, finalement, ne font que leur coûter la vie. Et là, c’est toute la nation qui perd. je pense que les acteurs concernés devraient s’asseoir et dialoguer et penser à l’intérêt commun, qui est la paix et la sécurité pour tous. Qu’on le veuille ou non, tout le monde est victime.

Marobe ny antony: ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy, sns. Ny mampalahelo ahy, dia ireo aina nafoy, ny fananana simba, ary ny tebiteby sy ny fisalasalana amin'ny ampitso hita soritra eny amin'ny endriky ny olona. Mikatsokatso ny fiainana. Mampalahelo. Loharano lehibe ho an'ny firenena ny tanora ary tokony ho laharam-pahamehana ny fikarakarana azy ireo. Maro ny tanora tafiditra ao anaty andrakandrana mampidi-doza izay miafara amin'ny fahafatesan'izy ireo. Ary ny firenena manontolo no very amin'izany. Mino aho fa tokony hipetraka ary hifandinika sy hihevitra ny tombontsoa iombonana, dia ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an'ny rehetra ireo mpandray anjara. Na tiana na tsy tiana, lasibatra avokoa ny olona rehetra.

Eny tokoa, an'arivony ireo Borondey eny an-dalana handositra ny ady sy ny hazalambo miha-matetika . Manazava ny firongatry ny herisetra tao anatin'ny volana vitsivitsy lasa ny lahatsary eto ambany:

Nilaza i Valentin Byabagabo, mponina ao avaratr'i Bujumbura fa nahita vatana mangatsiaka mitsingevana ao anaty renirano hatramin'ny volana Septambra.

Alohan'ny fitomboan'ny disadisa ara-poko, mampahatsiahy i Roland Rugero ao Bujumbura misy antony maro no mahatonga ny krizy:

Dans dix ans, le Burundi aura plus de huit millions de demandeurs d’emplois, sur plus de 13 millions d’habitants. La résolution de la crise de 2015 ne doit pas faire oublier à tous les intervenants politiques et sociaux, locaux ou amis du pays, l’essentiel : si la population burundaise reste pauvre, avec tous les problèmes liés à une forte démographie et l’exiguïté des terres, le pays aura toujours et encore des violences cycliques. La crise burundaise renvoie à des frustrations économiques, sociales et politiques profondes : les jeunes qui ont fourni l’essentiel des contingents de manifestants sont les jeunes chômeurs, les travailleurs précaires, les jeunes ruraux désœuvrés en quête d’espoir en ville, mais aussi la majorité des étudiants qui rejettent tous un ordre politique et social qui les condamne durablement à la misère et au chômage, à un avenir sans perspective. Ils dénoncent un pouvoir incapable de répondre à leurs aspirations économiques et sociales. Cette impuissance n’est pas propre à ce régime.

Ao anatin'ny folo taona, ho tafakatra valo tapitrisa mahery ireo mpitady asa ao Burundi, amin'ireo mponina maherin'ny 13 tapitrisa. Tsy tokony hanadinoana ny zava-dehibe ny famahana ny krizy ataon'ireo mpandray anjara ara-politika sy ara-tsosialy, ao an-toerana na naman'ny firenena: raha mbola mahantra ny mponina Borondey, amin'ny fahamaroan'ny mponina sy ny fahateren'ny tany, dia hiaina herisetra miverimberina hatrany hatrany ny firenena. Miteraka lonilony ara-toekarena, ara-tsosialy sy politika lalina ny krizy Borondey: ireo tanora izay nandrafitra ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana dia ireo tanora tsy an'asa, ireo mpiasa tsy raikitra, ny tanora tsy an'asa any ambanivohitra mitady fanantenana ao an-tanàndehibe, mbamin'ny ankamaroan'ireo mpianatra mitsipaka ny lamina politika sy sosialy mametraka azy rehetra hogejain'ny fahantrana sy ny fananan'asa, sy ho avy tsy misy fanantenana. Miampanga ny fitondrana ho tsy mahavita mamaly ny hetaheta ara-toekarena sy ara-tsosialy izy ireo. Tsy an'ity fitondrana ity manokana izany tsy fahavitan-javatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.