- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitarika ny Al-Qaeda Mba Miresaka Mikasika Ny “Lohataona Silamo” Ao Anatin'ireo Andian-dahateny Ao Amin'ny Media Sosialy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika
Screen Shot of one of the Twitter accounts which announced Al Zawahiri's lecture series

Dikasarin'ny iray amin'ireo kaonty Twitter izay nanambarà ireo andian-dahatenin'i Al Zawahiri, nolazaina halefa ao amin'ny media sosialy.

Andrasana hanome andian-dahateny mikasika ny “Lohataona Silamo” ao amin'ny media sosialy i Ayman Al Zawahiri [1] mpitarika ny Al-Qaïda.

Efa mandehandeha eraky ny media sosialy ny filazana. Ao amin'ny Twitter, miteny ity mpampiasa iray tsy nitonona anarana ity fa:

Noho ny sitrapon'i Allah, tsy ho ela ny andiana tantara mitohy momba ny Lohataona Silamo ataon'i Emir Ayman Al Zawahiri, hiaro azy anie i Allah

Nampidirina etsy ambony ny dikasarin'ilay bitsika satria ny kaonty tahaka itony, izay manohana ireo vondrona mpitolona, dia matetika akaton'ny Twitter aorian'ny fitarainan'ireo mpampiasa. Araka ny Fitsipika ao amin'ny Twitter [7], voasakana ireo lahatsoratra mandrisika hanao herisetra:

Herisetra sy Fandrahonana [8]: Tsy azonao atao ny mamoaka na mandefa fandrahonana hanao herisetra amin'ny hafa na mandrisika ny fanaovana herisetra amin'ny hafa.

Ary mitàna ny zo [9] hampiato ireo kaonty izay mandika ny fitsipiny ny Twitter:

Rehefa mandika ny pôlitikanay momba ny fitondrantena mahery vaika ny kaonty iray, dia arakaraka ny hasarotr'ilay fandikàna no fepetra raisinay manohitra io kaonty io. Mety hangataka an'ireo mpampiasa kaonty izahay mba hanamarina na hanome fanazavana, hamafa ireo bitsika voakasik'izany, na mety hampiato na hanidy vetivety/tanteraka ilay kaonty izahay.

Manao fanambaràna sahala amin'izay, fa tsy milaza ny loharanony, ihany koa i Zaid Benjamin, mpanao gazety monina any amin'ny Distrikan'i Colombia, izay manara-maso akaiky ireo media sosialy jihadista:

Andrasana hiresaka momba ny “Lohataona Silamo” ny filohan'ny Al-Qaeda, Ayman al-Zawahirino, ao anatinà andian-dahateny halefa amin'ny media sosialy.

Anisany tsy voafaritra tao anatin'ilay fanambaràna koa ny hoe aiza no hahazoana ireo lahateny ireo.

Manjary ady mafotaka tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fanakanana ireo vondrona mpitolona toa ny Al-Qaeda sy ny vondrona mpanohitra anatiny, ny ISIS, amin'ny fampiasana media sosialy handroràna ny poizina mahafatin'izy ireo, hanaparitaka ny hafatra avy amin'izy ireo, ary handraisana mpikambana maro. Sahala amin'ireo vovonana maro, ao anatin'ireo teny filazàna andraikitr'izy ireo [11], ny vovonana mitovy amin'ny Google [12] sy Facebook [13] dia manakàna votoaty izay mandrangitra herisetra, fampihorohoroana, ary teny fankahalàna, ary mitahiry ny zo hahafahany manaisotra azy ireny any anatin'ireo tranonkalany. Tsy mahasakana ireo mpanohana tsy hiantsampy amin'ilay fiarandalamby eny am-pandehanana io.

Screen shot of a Topsy search for mentions of  Ayman Al Zawahiri, in Arabic, on Twitter

Pikasary avy amin'ny Topsy iray mikaroka ireo momba an'i Ayman Al Zawahiri, amin'ny teny Arabo, tao amin'ny Twitter

Fikarohana Topsy iray momba an'i Ayman Al Zawahiri, amin'ny teny Arabo, no  mampiseho bitsika mihoatra ny 360, tao anatin'ny 23 andro lasa izay, ny betsaka ahitana fizaràna ireo fitanisàny sy ireo lalàna silamo ary fiderana ny atidoha mpikotria fampihorohoroana. Ny iray aza manome rohy natao dikapetaka mankany amin'ireo bokiny momba ny Jihad.

Al Zawahiri, ejipsiana, 64 taona, nisolo toerana ny mpitondra ny Al-Qaeda tamin'ny taona 2011, taorian'ny nahafatesan'ilay Saodiana Osama Bin Laden.

Niara-fantatra ho mitovy amin'ny Lohataona Arabo ireo andianà fikomiana izay namely ny tontolo Arabo toy ny tafio-drivotra hatramin'ny nionganan'ny fitondrana Zainalabiden bin Ali tao Tonizia, ny fiandohan'ny taona 2011. Ny sasany namorona ny anarana Lohataona Silamo koa, satria nitondra ho amin'ny firohotan'ireo hetsika Silamo ny fahaterahan'ny tranga Lohataona Arabo, ny sasany tamin'ireo no niasa tao anatin'ilay rafitra, toy ny  Ennahda [14] tao Tonizia, raha toa ireo hafa toy ny ISIS nitondra loza tao amin'ny faritra.

It is not clear which Islamic Spring Al Zawahiri will be referring to. Nevertheless, we can't wait to hear it straight from the horse's mouth, as journalist Sherine Tadros sarcastically points out:   ……………

Tsy mazava hoe Lohataona Silamo inona no horesahan'i Al Zawahiri. Na izany aza anefa, tsy afaka ny hiandry handre izany avy amin'ny vavan-tsoavaly isika, tahaka ny anipihan'i Sherine Tadros, mpanao gazety amin-keso hoe:

Tsy afaka miandry.. https://t.co/qOXUP4o4uP [15]