- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozika no lalana nivoahan'ity vehivavy karana ity hahaleotena ara-bola

Sokajy: Azia Atsimo, Eoropa Andrefana, Frantsa, India, Mediam-bahoaka, Mozika, Vehivavy sy Miralenta

Itay lahatsoratra sy tatitra radio nataon'i April Peavey [1] ho an'ny The World [2] nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org [3] tamin'ny 5 Novambra 2015 ary navoaka eto ity dia ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tritha Sinha dia vehivavy iray mahafantatra tsara izay tiany. “Notadiaviko hatrany ny halalaka sy tsy hiankina amin'ny raiko amin'ny vola am-paoketra na hiankina amin'ny mety ho sipako na mitovitovy amin'izany,” hoy ny filazany.

Sinha no hery mpitarika ao ambadiky ny tarika mpihira monina ao New Delhi- sy Paris – antsoina hoe Tritha Electric [4]. Nihalehibe tany Kolkata izy ary niteny fa any India ny vehivavy rehetra manodidina azy dia tsy sambatra. Nampanginina izy ireo. “Efa hitako ny ranomaso nanorika ny endrik'ireo nenitoako na ny reniko, na ireo mpampianatra hitako tany an-tsekoly — ary izany no nahatonga ahy hahatsapa fa misy zavatra tsy milamina ao.”

Ny mozika, hoy i Tritha Sinha, no lalana nivoahany — tapakila nandehanany tamin'ny fahaleovantena ara-bola sy ny fanafahana.

Efa nanomboka hatry ny fahakeliny izany sombim-pahafahany izany. Vao 5 taona monja i Tritha Sinha raha nanomboka nihira.

Credit: April Peavey. Used with PRI's permission

Tompon-tsary: April Peavey. Nahazoana alalana avy amin'ny PRI

Izy no nandoa ny lalany nanavatsava ny kolejy [oniversite] tamin'ny alalan'ny fihirana tamin'ireo sarimihetsika ao Bollywood. Saingy tsy ampy ny mihira izay nosoratan'ny hafa. Tsia a, mila manoratra ny hirany izy ary manangana tarika manokana.

Dia izay no nahatongavan'ny Tritha Electric.

Nantsoin'i Sinha ho mozika ethno-punk [5] izany.

Ny lafiny maha ethno azy, dia ny fifamatorany amin'ny fototry ny hira Karana klasika niaviany amin'ny mozika punk, no nolazainy, ho nanampy azy hanehoany ny tolona hahatonga azy ho vehivavy mahaleotena ao India amin'izao fotoana.

Tritha Electric's latest album is called Pagli [6]. That means “crazy woman” in Bengali. And the songs on it tell the story of a woman who feels confined by tradition. But she breaks the rules and finds freedom. Much like Tritha Sinha herself.

Nolazainy, “Hahitana ny fahafahana indraindray dia mila mandalo fotoana tena manadala sy tsy madio hahatsapana izany atao hoe fahafahana izany sy ny mety ho halehiben'ny fahafahana ao anatintsika lalina ao. Ary izany no tena nanokatra ny varavarako nankany amin'ny fiaina-mozikako mahaleotena.”

Fanamarihana: mila jerena any amin'ny YouTube mihitsy ny lahatsary.