- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandefasan'ny Tambajotran-tsosialy malaza indrindra ao Rosia hafatra manokana avy amin'ny governemanta ny mpiserasera miisa 20.000

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Ejipta, Rosia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Image edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nandefasan'ny iray amin'ny tambajotra sosialy iray malaza indrindra ao Rosia, Vkontakte, hafatra avy amin'ny Minisitera Rosiana misahana ny Raharahambahiny, manokana ireo mpiserasera rehetra nanan-draharaha tamin'i Ejipta tao anatin'ny tapabolana.

Nolazain'ny sekreteran'ny Vkontakte amin'ny fampitam-baovao, Georgy Lobushkin, tamin'ny [1] tranonkalan'ny TJournal.ru fa manodidina ny 20.000 teo ho eo ny mpiserasera nahazo hafatra tamin'ny governemanta miaty torohay [2] amin'ny fodiana any Rosia avy any Ejipta, taorian'ny nampiaton'ny Filoha Vladimir Putin ny fifamoivoizana an'habakabaka rehetra eo amin'i Rosia sy i Ejipta tamin'ny herinandro lasa teo, noho ny ahiahy fa mpampihorohoro no tompon'andraikitra amin'ny fianjeran'ny zotram-piaramanidina tamin'ny 31 Oktobra tao amin'ny faritra be tendrombohitra tao afovoan'i Sinai iny.

“Noraisinay avokoa ny mpiserasera Vkontakte rehetra niditra avy any Ejipta tao anatin'ny tapabolana,” hoy i Lobushkin, “ary, tamin'ny alalan'ny servisim-pandefasan-kafatray, nandefa ho azy rehetra ny hafatra avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny.” Nolazain'ny Vkontakte fa mba hitany voafangitra avokoa ireo mpiserasera rehetra nanao zavatra vao haingana tao Ejipta, nifandray tamin'izy ireo tamin'ny anaran'ny governemanta rosiana, na mpizahatany ry zareo na mponina maharitra ao. “Tsy misy ny fikendrena manokana fanampiny,” hoy ny fanazavan'i Lobushkin.

Nalefan'ny hafatra azon'ny tsirairay tany amin'ny tranonkalan'ny governemanta sy laharam-pinday azo antsoina maimaim-poana amin'ny fiverenana mankany Rosia izay rehetra nahazo izany. Ny hany azon'ny mpandeha entina dia izay azony entina an-tanana, ary ny Servisim-Paositra Rosiana no misahana ny famerenana mody ireo entana lehibebe kokoa. Mitovy avokoa ho an'ny rehetra ny hafatra azo, izay midika fa tsy nosoratana manokana hoan'olona iray ny lahatsoratra, na dia nalefa “an-takonana” (nalefa tao amin'ny fandefasan-kafatra ho an'ny mpiserasera) aza ny hafatra.

Efa an-taonany ny mpitsikera ny Vkontakte no niampanga ny servisy ho manana fifandraisana akaiky loatra amin'ny manampahefana rosiana. Na dia tsy mampiavaka manokana amin'ny Vkontakte na amin'i Rosia, aza ny fanahiana amin'ny ambaindain-kery ananan'ny governemanta amin'ny tambajotra sosialy an-tserasera, dia niakatra tampoka ny fiahiahiana manokana ny Vkontakte tao anatin'ny taona vitsivitsy, taorian'ny fiverenan'i Vladimir Putin tao amin'ny prezidansa tamin'ny 2012 sy ny fandroahana ny mpanangana sady filoha tale jeneraliny Pavel Durov, izay tsy nitsahatra ny namoaka ho hitam-bahoaka hatrany ny fihaikany ny ezaky ny governemanta hifehy ny Vkontakte.

Niteny [1] tamin'ny TJournal ny mpitondrateny ofisialin'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny, Maria Zakharova, fa niantso ny Vkontakte ny manampahefana hanampy azy amin'ny ezaka hanomezana fampahafantarana amin'ny fampodian'ny fanjakana ireo Rosiana tavela any Ejipta. “Nahomby mihitsy izany,” hoy i Zakharova. “Nila fandefasana fanairana ny daholobe izahay ary dia izay no vitanay. Tsy izay ihany no tokana azo natao, fa io no safidy voaporofo fa nahomby indrindra: na dia ny 15 isanjaton'ny hafatra ihany aza no nahatratra ny tsirairay dia fitaovana efa ampy izay.”

NIlaza ihany koa i Zakharova fa tsy nahavita nandresy lahatra ny Facebook hampandefa izany hafatra izany amin'ny mpiseraserany ny governemanta rosiana, noho ny laziny fa tsy fisian'ny fifandraisana mivantana teo amin'ny manampahefana rosiana sy ny mpitantana ny Facebook:

К Facebook контакта прямого практически нет: все решения принимаются очень долго и опосредованно. У них такая политика. У «ВКонтакте» политика другая — она прямая, есть люди, которые принимают решения. И решения принимаются очень быстро. Наш опыт взаимодействия с другими соцсетями несравним — не потому, что они зарубежные компании, а это российская, и мы хотим её похвалить.

Tsy dia manana fifandraisana mivantana amin'ny Facebook loatra izahay. Mila fotoana lava avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra ary vita tamin'ny fomba ankolaka daholo izany. Izay no politikany. Manana politika hafa ny Vkontakte—mivantana sady misy ny olona manapa-kevitra. Ary vita haingana dia haingana izany fanapahan-kevitra izany. Tsy misy ny ampitahaina amin'ny traikefam-piarahamiasa aminay—ary tsy noho ny maha orinasa vahiny azy ireo no anton'izany ary tsy noho ny hoe tia handoka ny orinasa rosiana izahay.

Raha atao fitarafana ny fitsapan-kevitra natao manerana ny firenena dia tsy manohitra amin'ny fidirana an-tsehatry ny governemanta amin'ny aterineto ny vahoaka rosiana. Tamin'ny Septambra 2014, ny fitsapa-kevitra [3] nataon'ny Foibe Levada no nampiseho fa 37 isanjato ao amin'ny firenena ihany no manohitra ny lalàna rosiana mavesatra nivoaka vao haingana mametra ny Rosiana hiditra amin'ny World Wide Web tsy voasivana. Na dia nihavitsy noho ny roa taona talohan'izany aza ireo Rosiana naneho ny fanohanany ny sivana amin'ny aterineto tamin'ny 2014, dia mihoatra ny atsasany (54 isanjato) no mbola manaiky izany fametrahan-dalàna izany.