Namorona Ny Tafika Mpirotsaka An-tsitrapo Ao Amin'ny Aterineto Ny Nasiônalista Shinoa “Papango”, Hanohitra ireo “Hery Fahavalo”
Efa fahita ny fisehoan-javatra: vondronà mpaneho hevitra izay manitatra ny sehatry ny hevi-bahoaka amin'ny korontana ao amin'ny Aterineto any Shina. Amin'ny fanompàna ireo olona sy fanovàna ny zava-misy mba hahatonga hevitra mahatezitra bebe kokoa, nanamboatra toerana hiadiana mihitsy ireo vondrona ireo, manosika ireo mpisera amin'ny Aterineto hifanditra ety anaty Aterineto, na hikarakara korontana ivelan'ny Aterineto.
Matetika no miseho ho toy ny “mpirotsaka an-tsitrapon'ny fivoaran'ny tanora ao amin'ny aterineto” ireo karazana mpaneho hevitra amin'ny Aterineto ireo, tohanan'ireo Liginà Tanora Kaominista Afovoany miaraka amin'ny governemanta, ny Antoko 50 Cent (Wumaodang) na ireo mpanohana mahaleotena ny governemanta, fantatra amin'ny hoe “ziganwu.”
Ao amin'ny Weibo, tsy mametraka zavatra firy mombamomba azy ireo mpirotsaka an-tsitrapon'ny fivoarana ao amin'ny Aterineto sy ny wumaodang —sary sy anarana sahala amin'ny an'ireo mpisera amin'ny Aterineto tsotra no apetrany eo.
Fa misy hery iray vaovao miforona, ny “tafika mpirotsaka an-tsitrapo Shinoa amin'ny Aterineto” tantànan'ireo mpikambana avy amin'ny vondrona nasiônalista elatra havanana. Ireo mpanaraka ny kolonely zokiny Dai Xu izay nandresy lahatra ny hanaovana tafika miahy tea ho fanafahana handrodanana ireo hery fahavalo avy any ivelany ao amin'ny Aterineto no nanangana ilay tafika mpirotsaka an-tsitrapo, izay nalamina toy ny fomban'ny sampan'ny tafika. Samy manana ny kaontiny amin'ny media sosialy avy ny sampana tafika tsirairay, izay misy ireo sainam-pirenena jaky manjelatra sy ireo teny faneva fanentanana eny amin'ireo pejin'ny mombamomba azy. Manana ny hira fanevny manokana mihitsy aza ilay tafika.
Ity tafika mpirotsaka an-tsitrapo ity dia mametraka ny tenany ho hery miaro ny tombontsoam-pirenena sy ny nofin'i Shina, fotokevitra noforonon'i Xi Jinping, filohan'i Shina ny taona 2012. Milaza izao ny fanambaràna ny asa iandraiketany:
【中国网络义勇军宗旨】支持习主席,助力中国梦。捍卫国家利益,弘扬爱国主义,聚合正义力量,打击第五纵队是网络义勇军的宗旨和目标。目前,网络义勇军已经有多支主力队伍,戴旭网络义勇军各师、义勇军后援团、华夏主攻团、网络义勇军先锋团、新上甘岭志愿军等。
[Ny asa iandraiketan'ny tafika Shinoa mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny Aterineto] Ny hanohana ny filoha Xi hanatanteraka ny nofin'i Shina no adidy sy tanjon'ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Aterineto. Miaro ny tombotsoam-pirenena, mampiroborobo ny nasionalisma, mampiray ny hery tsara, mandrodana ny tsanganana fahadimy [mpitsikilo sy mpamadika an'ireo hery mpanjakazaka]. Ankehitriny, misy sampana maro ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Aterineto: ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny Aterineto Dai Xu sy ireo sampany, ny sampana mpijery ato aoriana, ny sampana mpanafika Hua Xia, ny sampana Mpisava làlana, tafika mpirotsaka an-tsitrapo vaovao Triangle Hill [Triangle Hill, toerana nisy ady lehibe nandritra ny adin'ny Koreana tamin'ireo miaramila Amerikana ny taona 1950].
Ny Hitsikitsika
Dai, kolonely misotro ronono sy mpaneho hevitra ao amin'ilay gazety natao ho an'ny sarambabem-bahoaka (tabloid) Global Times tantanan'ny fanjakana, fantatra amin'ny fomba fijeriny avy lavitra ny politika ivelany sy ara-tafiky ny Shinoa.
Tamin'ny tafatafa ny volana Jona, nampaneno lakolosy izy ny amin'ny “hery ratsin'ny tandrefana” mitsofoka sy manova ny fotokevitra Shinoa hanaraka ny an'ny tandrefana, araka ny voalazan'ny ampahany manaraka izao:
美国的“战略先遣队”在其总部的统一指挥下,有的渗入中国高级智囊机构,误导中国政策的顶层设计,让中国经济沿着低技术的畸形道路发展,以避免对美国的高技术战略构成挑战,目的是让中国成为西方的经济殖民地;有的打入中国各高校和学术研究机构,以资助研究为名,对中国的一些学者进行“洗脑”,然后通过这些学者发表各种反共、反华的不良言论。其中,法学界和政治学界、历史学界等领域是他们渗透的重点;有的进入互联网领域,借助外资短期内控制大型商业门户网站,利用网络传媒和新媒体平台大肆散布历史虚无主义错误思潮,误导社会民众;更有甚者,已成功渗入中国的主流媒体和国家机关,暗中做着损中利“西”的无耻勾当。
Tarihan'ireo foiben-toerany, nisy sasany tamin'ireo “sampana statejika Amerikana nalefa mialoha” niditra tany amin'ireo tranon-kevitra Shinoa ka mandiso ny famolavolàna ny paikady Shinoa, ary manodina ny firoboroboana ara-toekarena ao Shina ho lasa miankin-doha amin'ireo teknolojia efa taraiky, mba hamonoana ny fanambin'i Shina tsy hiankin-doha amin'ny sehatry ny teknolojia avo lentan'ny Amerikana. Manana tanjona ny hanao an'i Shina ho andevon'ny toekaren'ny tandrefana izy ireo [sampana statejika]. Misy ireo [sampana statejika sasany] niditra an-tsokosoko tany amin'ireo kolejy sy ireo ivon-toerana fikarohana, mody hoe manohana ilay fikarohana, mba hanasa atidoha ireo manampahaizana izay manohana ny fijery “tsy mankasitraka ny kaominisma sy manohitra an'i Shina”. Mifantoka amin'ny sehatry ny lalàna, politika ary tantara ireo fidikidirany. Mba hamitahana ny vahoaka, mampiasa ny renivola vahiny izy ireo mba hanarahana maso ireo vavahadin'ny Aterineto momba ny serasera ara-barotra, ary manaparitaka amin'ny fampiasàna ny media vaovao sy ny Aterineto ny hevi-diso tsy ara-dalàna momba ny fomba fisainana nalaza ara- tantara amin'ny fandavana ny fenitra napetraky ny fiarahamonina sy fametrahana fanontaniana momba ny zavatra rehetra. Misy aza ireo [sampana statejika] sasany nahavitra niditra tamin'ireo media fototra Shinoa sy ireo masoivohon'ny governemanta, ary nanao asa ratsy nanimba tanteraka ireo tombotsoan'ny Shina sy nanome tombony ny tany tandrefana.
Ny taona 2013, naneho ny fanohanany ny fiverenan'i Dai i Hu Xijing, tonian-dahatsoratry ny Global Times sady olona malaza amin'ny maha nasiônalista azy :
戴旭是中国军人学者中的著名“鹰派”。我在很多时候都不同意他的观点,但我觉得,中国舆论场上应当能容得下几只“鹰”。
Papango malaza tao anatin'ny miaramila Shinoa manam-pahaizana i Dai. Matetika aho tsy mitovy hevitra amin'ny heviny, fa mahatsapa aho fa tena mila tanteraka ny “papango” toy ireny ny sehatry ny raharaham-pirenen'i Shina.
Ny Fiakaran'ny Miaramila Mpirotsaka An-tsitrapo
Na teo aza ny zava-misy hoe matetika miantso any amin'ny fanohanana mazava sy arahan'asa mendrika hametrahana fitokisana ny tsikombakomban'i Dai, mamaly ny fitomboan'ny nasiônalisma hatrany ny fandresen-dahatra ara-politika ataony, ary efa manomboka maka endrika ho tafika ao amin'ny Aterineto, mpirotsaka an-tsitrapo sy manana ny fitantànany samirery.
Ny volana Jolay lasa teo i Dai nanazava tao amin'ny lahatsoratra iray ny antony anohanany ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Aterineto:
今天,一些西方国家借助网络优势,不断在世界上制造颜色革命,将世界局势搅得动荡不安。习近平指出,意识形态斗争极端重要。……中国共产党在抗战中“严厉除奸”加强统一战线,重塑英雄主义和爱国主义,让义勇军精神穿越时空,激扬于当今网络时代。
Amin'izao, mampiasa ny Aterineto sy ireo tombontsoa azo avy aminy ireo firenena tandrefana sasany mba hihantsiana fanovàna loko, amin'ny fametrahana korontana manerana ny tany. Nanamafy i Xi fa tena zava-dehibe tokoa ny ady ho an'ny fotokevitra… Nandritra ny ady nanoherana ny Japoney, “nanatanteraka fitsikilovana henjana be” ny Antoko Kaoministan'i Shina, mba hanamafisana ny mandatehezana nitambatra tao anatin'ny ady. [Ankehitriny] averinay ny herimpo sy ny fitiavan-tanindrazana, amin'ny fitarihana ny fanahin'ireo tafika mpirotsaka an-tsitrapo hitety ny fotoana sy toerana rehetra ary mamelona azy io ao anatin'ny vanim-potoanan'ny Aterineto ankehitriny.
Ny tena izy, ny Tafika Mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny Aterineto an'i Dai Xu, izay ny lehibe indrindra amin'ny Tafika mMpirotsaka An-tsitrapo ety anaty aterineto, no voalohany namorona ilay vondrona. Nanazava ny fomba niforonan'io tao amin'ny lahatsoratra Weibo ireo mpikambana ao amin'ny sampana Tafika Mpirotsaka An-tsitrapo amin'ny tafik'i Dai:
“网络义勇军”一词是由戴旭对应“捍卫网络上甘岭”所提出的,对网络上自发反击敌对势力的爱国网民的统称,是在戴院长的感召下自发形成的。以“戴旭”命名是表达广大网络义勇军对戴院长的敬爱与支持,并非戴旭本人发起。无特定组织形式,仅为了便于团结和号召更多的爱国者一同加入捍卫国家利益的行列。
Mba hiarovana ny “Triangle Hill ao amin'ny Aterineto” , mandrisika ny famoronana ny “tafika mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Aterineto” i Dai, izay natao ho an'ireo olom-pirenena tia tanindrazana, izay nahazo aingam-panahy tamin'i Dai sy ny fizakantena, mba hanao ady ao amin'ny Aterineto hanoherana ireo hery ratsy. Tsy noforonin'i Dai akory ilay tafika, fa kosa nomena ny anarany mba hanehoanay ny fanajanay. Tsy misy endrika fivoriana manokana [ataonay], ny hanambatra ny rehetra sy hiantso ny fitiavan-tanindrazana bebe kokoa mba hiarovana ireo tombontsoam-pirenena no tanjonay.
Ady ao amin'ny Aterineto
Matetika no lasa kinendrin'ireo fanafihan'ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo ireo olo-malaza izay maneho ny heviny ao amin'ny Weibo, sehatra lehibe indrindra any Shina mitovy amin'i Twitter.
Vao haingana i Ren Zhiqiang, lehibe amin'ny resaka fandraharahàna trano sy mpikambana amin'ny Antoko Kaominitsa, nopetahana anarana hoe “tafondro goavana,” no lasibatr'ilay tafika. Ny volana Septambra lasa teo, nanaratsy ny filofosana ny foto-kevitra Kaominisma amin'ny Ligin'ny Tanora Kaominitsa i Ren, tamin'ny fampahatsiahivana ireo fijaliany nandritra ny Fanovàna ara-Kolontsaina.
Andro vitsy taty aoriana, nisy lahatsoratr'i Yi Guoming, nitondra ny lohateny hoe “Mahatsapa ny Fita-bitron'i Ren Zhiqiang”, niampanga an'i Ren ho manaratsy ny fotokevitra kaominisma ary miaro ny demôkrasia tandrefana. Nanomboka nanao fanafihana maro an'i Ren ilay tafika mpirotsaka an-tsitrapo, tamin'ny fizaràna ilay lahatsoratra tao amin'ny Aterineto ary namerimberina ny fomba fijerin'ilay mpanoratra.
Mihoa-pefy tsy nanaraka ny fitsipika ofisialin'ny governemanta sy ny Antoko Koaminista, izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny fomba fitondrantenana amin'ny maha-olona nandia fianarana ao amin'ny Aterineto ihany koa ilay vondrona. Miaro ireo sarisary fampiasa amin'ny Aterineto mihitsy aza ilay tafika mpirotsaka an-tsitrapo, toa an'i Hou Jusen, ilay mpikambana malaza ratsin'ny “mpirotsaka an-tsitrapon'ny fivoarana ao amin'ny Aterineto,” izay nanangona ady maro tety anaty aterineto sy nirotsaka taminà ady teny an-dàlana tamin'ny anaran'ny fitiavan-tanindrazana:
国家有戴院长这样的军人,有候聚森这样的青年学生,有捍卫网络上甘岭的网络义勇军,国家一定会强大,让我们铭记国耻,奋发图强!
Tsy maintsy matanjaka tokoa, ny fanjakàna, izay manana mpiasam-panjakàna sahala amin'ny tale Dai, mpianatra tanora toa an'i Hou Jusen, ary tafika mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny Aterineto miaro ny “Triangle Hill” amin'ny Aterineto. Andao tsiahivina hatrany ireo holatry ny firenena sy ny tolona hanànana firenena matanjaka kokoa!
Miaraka amin'ireo fanambaràna tahàka ireny, manosika ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Aterineto ireo tafika mpirotsaka an-tsitrapo — amin'ny fanovàna ny hevitra, fihoaram-pefin'ny mpisera amin'ny Aterineto ka hatramin'ny fanohanana herisetra mihitsy aza, ary tsy mijery ny ankamaroan'ireo lalàna ka manao io ho sahala amin'ny toerana milamina azo iheren'ny jiolahy sy jiolahimboto.
Misalasala momba ny maha ara-dalàna ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo, ny mpampiasa Weibo iray, ao amin'ireo fanehoan-kevitra:
这个组织既然叫什么“军团”的话应该属于武装组织吧,这个组织是在中国哪个部门注册成立的?如果没有的话那就属于非法组织,再加上有武装的话应该就是恐怖组织了吧。戴旭应该就是恐怖组织的头目了。
Ilay antsoina hoe fitiavan-tanindrazana Dai sy ireo nilaza ho jiolahim-boto an-tserasera nilaza dia natao hisotasota sy hanompa ny olona izay nanakiana ny governemanta noho ny tsy rariny sy ny kolikoly misy amin'izao fotoana izao. Ireo jiolahimboto ireo, izay tsy nanao na inona na inona ata-tsy ny midera ny rafitra [ny fanjakana], no tena mpamadika.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...