- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihabetsaka ny isan'ny hetsi-panoherana ao Rosia, hoy ny navoakan'ny fanadihadiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
Protesters detained at rally in support of Bolotnaya prisoners held in St. Petersburg on February 24, 2014. Photo by Yury Goldenshtein for Demotix.

Mpanao fihetsiketsehana voasambotra nandritra ny famoriam-bahoaka fanohanana ireo gadran'i Bolotnaya natao tao St. Petersburg tamin'ny 24 Febroary 2014. Sary avy amin'i Yury Goldenshtein, Demotix.

Lasa mampiaka-peo kokoa amin'ny fanakianan'izy ireo ny manampahefana ny Rosiana, araka ny hitan'ny fikarohana fanarahamaso [1] nataon'ny Vaomieran'ny Tetikasa Sivika. Nandritra ny tapany voalohan'ny taona 2015 (1 Janoary hatramin'ny 1 Jona), niakatra efa ho 15 isan-jato ny fihetsiketsehana ankapobeny tao Rosia voarakitry ny manam-pahaizana raha oharina tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2014.

Manaramaso ireo disadisa ara-tsosialy sy toekarena ary ara-politika ao amin'ny faritra rehetra ao Rosia ny Komitin'ny Fisantaran'Andraikitra Sivika [2]ary mampiasa ireo tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy tolotra an-tariby momba ny fihetsiketseham-bahoaka mba hanombanana ny haavon'ny fanoherana. Alahatry ny komitin'ny sosiology, mpahay siansa politika, mpahay toekarena miaraka amin'ilay hetsi-panoherana ihany koa ny sata sosialy sy toekarena (karama, tombontsoa, ​​figalabonana) sy ny zavamisy ara-politika misy ao anatiny (rafitra ara-politika sy ny hetsika).

Ny hetsi-panoherana noraketin'ny mpanaramaso dia ahitana “fanoherana ara-politika”, sy resaka ara-tsosialy, fitakian-jo ara-tsendikaly, olana ara-pitanteraka sy mpitranga an-tanandehibe ary ny resaka tontolo iainana.Nanamarika ny manam-pahaizana manokana ara-politika fa tsapan'ny olona kokoa ny resaka politika ao anatin'ny firenena mihoatra ny politika ivelany sy iraisampirenena tamin'ny 2015 (anisan'izany ny fifandirana Okrainiana), raha zavadehibe amin'ny Rosiana toy ny tamin'ny herintaona ny olana ara-tsosialy tamin'ny taona 2015.

Alexey Titkov, zokiolona mpikaroka ao amin'ny Sekoly Ambony Momba ny Toekarena sy iray amin'ireo mpanoratra ny tatitra fanaraha-maso, no niteny [3] tamin'ny sampam-baovao RBC fa tarehimarika akaikikaiky ihany ny fiakarana 15 isanjato. “Tsy mitovy amin'ny fanisantsika ny isan'ny olona mandray anjara isaky ny misy hetsi-panoherana io” hoy Titkov. “Ny fitomboana eo amin'ny isan'ny fihetsiketsehana dia midika fotsiny hoe tamin'ity taona ity dia nahitana fitomboan'isa ny hetsika fanoherana ary miteny ny tsy fahafaliany kokoa amin'ireo olana ny olona ary mitabataba kokoa momba izany. Nampiana tao anatin'ny fomba fanadihadianay ireo tondro roa ireo. “

“Ny mety hitrangan'ny hetsi-panoherana betsaka indrindra ao Rosia isa-paritra.” kisary fampahafantarana avy amin'ny sampam-baovao RBC.

Napoitran'ny kisarisary fampahafantarana nataon'ny RBC ireo toe-po sy ny hetsika isa-paritra ary asehony ihany koa hoe aiza no ahitana fihetsiketsehana be indrindra ao Rosia amin'ny fotoana iray voatondro. Mitari-dalana amin'ireo faritra mehy ahitana fihetsiketseha-panoherana indrindra ireo faritra voamarika loko jaky—Moskoa, St. Petersburg, faritra Novosibirsksy faritra Zabaykalsky—.

Any amin'ny faritra rosiana maro dia tsy misy ny fahazaran'ny daholobe hihetsika amin'ny tsy fahafaliana na tsy fahafaham-po amin'ny politika sosialy, araka ny hevitr'ilay mpahay siansa politika antsoina hoe Aleksandr Kynev, izay mpiara-manoratra ihany koa amin'ilay fanadihadiana. Fa ny ataony kosa, hoy i Kynev tamin'nyd RBC [3], dia amin'ny alalan'ny “fandatsaham-batom-panoherana” no hanaovany azy rehefa maneho ny tsy fahafaliany amin'ny alalan'ny latsabato ny olompirenena. namintina ny tatitra nataon'ireo mpanroatra fa ny fiakaran'isan'ny hetsi-panoherana dia mitarika ihany koa amin'ny latsabatom-panoherana any amin'ny faritra 38 izay efa miomana hanatontosa fifidianana ao an-toerana amin'ny Desambra  2016. Ary raha mitady hanao tsindry ara-panjakana ny manampahefana ao an-toerana hisakanana fanoherana ao amin'ny mpifidy, dia mety hipiritika hivoaka ho fanoherana an-dalambe izany.

Na dia mihabetsaka aza ireo fihetsiketseha-panoherana ao Rosia, dia tsy hitan'ireo manampahaizana ao amin'ny Komitin'ny Fisantaran'Andraikitra Maha Olompirenena [Sivika] ho fialana bala hanaovana fihetsiketsehana faobe tahaka izay efa nanozongozona an'i Moskoa taorian'ny fifidianana ny Duma tamin'ny 2011 izany. Na dia tsy niezaka ny handrafitra fanombanana amin'ny antsipiriany amin'ireo hetsi-panoehrana ara-piarahamonina sy ara-toekarena aza ny fanadihadiana, dia nohazavain'i Titkov fa tsy mifanitsa-toerana loatra ireo vondrona ao amin'ireo faritra manao fihetsiketsehana noho ny tsy fahafaham-po ara-tsara sosialy sy toekarena sy ireo vondrona nanao fihetsiketsehana nandritra ny Ririnin'ny Tsy Fahafaliana tamin'ny 2011-2012, ka sarotra ny isian'ny hetsi-panoherana faobe mitovy lanja amin'io noho ny antony ara-piarahamonina sy ara-toekarena.

Fikambanana Rosiana tsy ara-barotra izay mametraka ny tenany ho “firaisankina tsy ara-politikan'ny manampahaizana ara-toekarena, siansa, fanabeazana, fitsaboana, kolontsaina ary ny faribolana hafa eo amin'ny fiainana” miasa ho amin'ny fampandrosoana an'i Rosia ny Komitin'ny Fisantaran'Andraikitra Sivika. Naorin'i Alexey Kudrin (minisitry ny vola teo aloha tao Rosia, 2000-2011) sy ireo olo-malaza ara-politika sy ara-panabeazana maha olompirenena maro hafa tamin'ny 2012 io fikambanana io.