- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Michelle Payne avy ao Aostralia no vehivavy Jockey voalohany nandrombaka ny Amboaran'i Melbourne

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta
Michelle Payne Wins 2015 Melbourne Cup

Michelle Payne nahazo ny amboaran'i Melbourne 2015 (pikantsary nataon'ny mpanoratra).

Tafiditra ao anatin'ny tantara i Michelle Payne noho izy vehivavy jockey [mpitaingi-tsoavaly mpihazakazaka] voalohany nandrombaka ny loka malazan'ny Amboaran'i Melbourne [1]. Soavaly betongotra [outsider] manana sanda 1/100 ny soavaly nentiny Prince of Penzance [2] tamin'izany.

Taiza ianareo tamin'ny nahazoan'ny vehivavy voalohany ny Amboaran'i Melbourne? Tsara ry Michelle Payne. Iray hatry ny ela.

Ny Amboaran'i Melbourne no loka ambony indrindra ao Aostralia amin'ny hazakaza-tsoavaly, mitentina A$ 6 tapitrisa dolara Aostraliana (4,5 tapitrisa dolara amerikana). Raha ny fijery mahazatra ny ao an-toerana dia io no hazakazaka mampijanona ny firenena iray’. Fetim-bahoaka mihitsy aza io ao Melbourne.

NIhorakora-pifaliana ny mpisera Twitter iray mipetraka ao Aostralia antsoina hoe Reds Under the Beds:

ARAHABAINA I MICHELLE PAYNE!!! vehivavy voalohany nandrombaka ny Amboaran'i Melbourne!!

Vantany vao vita ny hazakazaka, mailaka i Payne hijery ny fandresena ho fandresena manoloana ny fiambon-dehilahy diso tafahoatra, raha nilaza hoe, “Fa nomeko daholo ny zava-drehetra azoko. Te-hiteny ny rehetra aho hoe mbay tany, mieritreritra ry zareo hoe tsy dia matanjaka loatra ny vehivavy saingy vao nodoninay izao tontolo izao.” Maneran-tany ny olona naka ny teniny.

Vehivavy jockey nandrombaka ny Amboaran'i Melbourne, ilazao mbay tany ny mpanandratra lehilahy…

Tao anatin'ny minitra vitsivitsy ny mpanjohy an'i Payne tao amin'ny Twitter dia niainga tamin'ny 2000 ka tonga hatramin'ny 12000. Tafiditra amin'izany ny minisi-panjakana Viktoriana misahana ny fahasalamana Jill Hennessy, izay nisioka hoe:

Tsy nieritreritra aho hoe afa-mirehareha, afa- mifaly ho anao sy ny mpanohana anatao tahaka izao.

Fotoana manokana ho an'i Payne sy ny fianakaviany ihany koa izao. Ny anadahiny Stevie, izay tratran'ny fahasembanana ara-tsaina, no mpitarika ny soavaly (mpitantana sy mikarakara ny soavaly rehefa vita ny hazakazaka). Talohan'ny hazakazaka izy namoaka ny sariny sy ny anadahiny teo anoloan'ny bariera:

BuzzFeed namoaka ny sarin'izy mianadahy mitazona ny amboara :

Michelle Payne sy ny anadahiny Stevie mandrombaka ny hazakazaka lehibe indrindra ao Aostralia

Notakonan'ity fandresena ity ny resaka zon'ny biby tahaka ny fampiasana karavasy sy ny fanahiana ny ain'ilay soavaly Red Cadeaux in-telo faharoa naratra, izay re tamin'ny tatitra farany fa “velona sy salama tsara [23]” taorian'ny fandidiana tamin'ny tongony. Ny sasany aza moa nijery ny lafitsaran-javatra :

Na dia eo aza ireo fomba fiheverana ny hazakaza-tsoavaly ho ‘fanatanjahantena dia faly dia faly tokoa amin'i Michelle Payne sy ny fianakaviany aho. Tsy mba nila nikapokapoka ny soavaly fahatany koa izy.

Zoe Norton Lodge heverina ho namintina ny fahatsapan'ireo nalahelo :

Fotoana tena mampikorontan-tsaina ireo feminista mankahala ny hasiahana atao amin'ny biby izao

Lasa lavitra kokoa aza ny sasany :

Tsy maintsy atao maty noho ny filànao hisotro sy hisatrohana ve ireo soavaly ireo? Fatiantoka izany.

Ny sioka faran'i Payne's nialoha ny hazakazaka dia fiarahabana ny nanamontsanan'ilay mpanentana hazakazaka Greg Miles ny zavabita iray tsara indrindra. Mahazatra azy ny mampiasa diezy mendrika izany araka ny fijeriny :

Tantara mahafinaritra ao amin'ny @Racing [28] momba an'i Greg Miles! Lehilahy mendrikaja sy mpanentana mahafantrapo! #mpanetritena

Ny zavabitan'i Payne dia nitranga roa taona taorian'ny zavabitan'i Gai Waterhouse [31], vehivavy voalohany mpanazatra nahazo ny Amboaran'i Melbourne tamin'ny 2013.