Tafiditra ao anatin'ny tantara i Michelle Payne noho izy vehivavy jockey [mpitaingi-tsoavaly mpihazakazaka] voalohany nandrombaka ny loka malazan'ny Amboaran'i Melbourne. Soavaly betongotra [outsider] manana sanda 1/100 ny soavaly nentiny Prince of Penzance tamin'izany.
Where were you when the first female won the Melbourne Cup? Well done Michelle Payne. One for the ages #MelbCup
— Ben Friedlander (@BennyB11) November 3, 2015
Taiza ianareo tamin'ny nahazoan'ny vehivavy voalohany ny Amboaran'i Melbourne? Tsara ry Michelle Payne. Iray hatry ny ela.
Ny Amboaran'i Melbourne no loka ambony indrindra ao Aostralia amin'ny hazakaza-tsoavaly, mitentina A$ 6 tapitrisa dolara Aostraliana (4,5 tapitrisa dolara amerikana). Raha ny fijery mahazatra ny ao an-toerana dia io no hazakazaka mampijanona ny firenena iray’. Fetim-bahoaka mihitsy aza io ao Melbourne.
NIhorakora-pifaliana ny mpisera Twitter iray mipetraka ao Aostralia antsoina hoe Reds Under the Beds:
CONGRATULATIONS TO MICHELLE PAYNE!!!! First woman to win the Melbourne Cup!! #MelbourneCup #Australia
— Reds Under the Beds (@Nettythe1st) November 3, 2015
ARAHABAINA I MICHELLE PAYNE!!! vehivavy voalohany nandrombaka ny Amboaran'i Melbourne!!
Vantany vao vita ny hazakazaka, mailaka i Payne hijery ny fandresena ho fandresena manoloana ny fiambon-dehilahy diso tafahoatra, raha nilaza hoe, “Fa nomeko daholo ny zava-drehetra azoko. Te-hiteny ny rehetra aho hoe mbay tany, mieritreritra ry zareo hoe tsy dia matanjaka loatra ny vehivavy saingy vao nodoninay izao tontolo izao.” Maneran-tany ny olona naka ny teniny.
#socialmedia #tech Female jockey wins Australia's Melbourne Cup, tells chauvinists to ‘get stuffe… https://t.co/61qKvrfpvM di @mashable
— Fabio Incalcaterra (@fincalcaterra) November 3, 2015
Vehivavy jockey nandrombaka ny Amboaran'i Melbourne, ilazao mbay tany ny mpanandratra lehilahy…
Tao anatin'ny minitra vitsivitsy ny mpanjohy an'i Payne tao amin'ny Twitter dia niainga tamin'ny 2000 ka tonga hatramin'ny 12000. Tafiditra amin'izany ny minisi-panjakana Viktoriana misahana ny fahasalamana Jill Hennessy, izay nisioka hoe:
I don't think we could feel more pride & joy for you & your supporters. @mj_payne #getstuffed #MelbourneCup
— Jill Hennessy MP (@JillHennessyMP) November 3, 2015
Tsy nieritreritra aho hoe afa-mirehareha, afa- mifaly ho anao sy ny mpanohana anatao tahaka izao.
Fotoana manokana ho an'i Payne sy ny fianakaviany ihany koa izao. Ny anadahiny Stevie, izay tratran'ny fahasembanana ara-tsaina, no mpitarika ny soavaly (mpitantana sy mikarakara ny soavaly rehefa vita ny hazakazaka). Talohan'ny hazakazaka izy namoaka ny sariny sy ny anadahiny teo anoloan'ny bariera:
Barrier 1 #gostevie #thedreamisalive 👌🏆 POP https://t.co/dTJAXOU8sg
— Michelle Payne (@mj_payne) October 31, 2015
BuzzFeed namoaka ny sarin'izy mianadahy mitazona ny amboara :
Michelle Payne @mj_payne and her brother Stevie take out the biggest race in Australia: https://t.co/ieFG0Frr5m pic.twitter.com/ht7JbXNnuR
— Alex Lee (@alex_c_lee) November 3, 2015
Michelle Payne sy ny anadahiny Stevie mandrombaka ny hazakazaka lehibe indrindra ao Aostralia
Notakonan'ity fandresena ity ny resaka zon'ny biby tahaka ny fampiasana karavasy sy ny fanahiana ny ain'ilay soavaly Red Cadeaux in-telo faharoa naratra, izay re tamin'ny tatitra farany fa “velona sy salama tsara” taorian'ny fandidiana tamin'ny tongony. Ny sasany aza moa nijery ny lafitsaran-javatra :
Despite opinions on horse racing as a ‘sport’, I'm so happy for Michelle Payne and her family. She didn't needlessly whip the horse either.
— Jules The Red (@RedJules4) November 3, 2015
Na dia eo aza ireo fomba fiheverana ny hazakaza-tsoavaly ho ‘fanatanjahantena dia faly dia faly tokoa amin'i Michelle Payne sy ny fianakaviany aho. Tsy mba nila nikapokapoka ny soavaly fahatany koa izy.
Zoe Norton Lodge heverina ho namintina ny fahatsapan'ireo nalahelo :
This is a very confusing time for feminists who hate animal cruelty #MelbourneCup
— Zoe Norton Lodge (@zoenl) November 3, 2015
Fotoana tena mampikorontan-tsaina ireo feminista mankahala ny hasiahana atao amin'ny biby izao
Lasa lavitra kokoa aza ny sasany :
Do horses really have to die just because you need an excuse to get drunk and wear a hat? It's a disgrace. #MelbourneCup #RedCadeaux
— Blake Erickson (@Blake_Erickson) November 3, 2015
Tsy maintsy atao maty noho ny filànao hisotro sy hisatrohana ve ireo soavaly ireo? Fatiantoka izany.
Ny sioka faran'i Payne's nialoha ny hazakazaka dia fiarahabana ny nanamontsanan'ilay mpanentana hazakazaka Greg Miles ny zavabita iray tsara indrindra. Mahazatra azy ny mampiasa diezy mendrika izany araka ny fijeriny :
Awesome story on @Racing on Greg Miles! Such a gentleman and what a great caller! #sohumble
— Michelle Payne (@mj_payne) November 2, 2015
Tantara mahafinaritra ao amin'ny @Racing momba an'i Greg Miles! Lehilahy mendrikaja sy mpanentana mahafantrapo! #mpanetritena
Ny zavabitan'i Payne dia nitranga roa taona taorian'ny zavabitan'i Gai Waterhouse, vehivavy voalohany mpanazatra nahazo ny Amboaran'i Melbourne tamin'ny 2013.