Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Novambra 2015

Tantara tamin'ny 04 Novambra 2015

Tsy Misy Anenenako: Tao Anaty Boky Iray Vaovao, Filoha Taloha Hàlam-bahoaka Ao Kyrgyzstan Tsy Mila Famelàna Heloka

Teny tokana no tsy ampy tao anatin'ny bokin'i Kurmanbek Bakiyev, ilay mpifehy tsy norefesi-mandidy nanao sesintany ny tenany, teny fototra afaka namadika azy io ho ny boky be mpividy indrindra : Azafady/Mifona.

Ao Amin'ny “Cafe de Monk” Ao Japana, Afaka Misotro Kafe, Mihinana Mofomamy Ary Misy Mihaino Ireo Niangana Tamin'ny Tsunami

Efa ho dimy taona lasa izay ny nisian'ny tsunami sy ny loza ara-nokleary tao Japana, an'arivony ireo izay mbola mijaly ny voka-dratsin'izany. Ka nanangana fisotroana kafe vonjimaika ny moanina Bodista Japoney iray mba hamaly ny filàn'izy ireo.

Mikarakara Fitsapankevitra Hijanonany 35 Taona Mahery Eo Amin'ny Fitondràna ao Kongô i Sassou-Nguesso

Filoha 4 amperinasa ao Afrika (Roandà, Borondi, Repoblikan”i Kongô ary ny Repoblika Demaokratikan'i Kongô) no miezaka manalava ny fe-potoana fiasàny hihoatra ny fetra napetraky ny lalàm-panorenana any amin'ny tany misy azy avy. Ao Kongô Brazzaville, nisy fitsampankevitra naroson'ny filoha Denis Sassou-Nguesso mba hahafahany mirotsaka indray hofidiana. Fepetra vaovao nolavin'ny mpanohitra...

Voka-pifidianana Mamoaka Izay Mety Ho Fandehan'ny Fifidianana Hafa Ao Azerbaijan

Tsy tena fifidianana no natao tamin'ny Alahady tao Azerbajian ary tsy tena parlemanta ilay vaovao, saingy tsy dia miraharaha izany ny fianakavian'ny fitondrana.

Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina

Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina