- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iràna: Hanome Fitsaboana Tsy Manavaka Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afganistana, Iràka, Iràna, Syria, Fampandrosoana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vonjy Voina, Zon'olombelona
Pictures of Afghan children at a school run by a local mosque for Afghan orphans & refugees in Shiraz, Iran. Photo by Simon Monk (CC BY-NC-ND 2.0).

Sarinà ankizy Afgàna ao amin'ny sekoly iray tantanin'ny maoske iray ao an-toerana ho an'ireo Afgàna mpitsoaponenana & kamboty ao Shiraz, Iràna. Sary an'i Simon Monk (CC BY-NC-ND 2.0).

Ao anaty fanambaràna [1] iray avy amin'ny Iraky ny Firenena Mikambana ao Iràna, dia ho ampidirin'ny governemanta Iraniàna ho ao anatin'ny Rafitra Fiantohana Salamat [2] any aminy ireo rehetra voasoratra ho mpitsoa-ponenana any aminy. Io dia fiarahana miasa eo amin'ny Ministeran'ny Atitany, mpiadidy  ny raharahan'ireo mpitsoa-ponenana, ny Fikambanana Iraniana misahana ny fiahiana Ara-Pahasalamana ary n y Kaomisiona Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana miadidy ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR).  Ikendrena indrindra ireo vahoaka Afgàna sy Irakiàna mpitsoa-ponenana ao Iràna izy io.

Ny Tehran Times [3], gazety mpiseho isanandro amin'ny fiteny Anglisy, ampahany amin'ny Masoivohom-baovao Mehr an'ny Fikambanana Fanapariahana ny Fotokevitra Islamika, no namaritra ilay “fisitrahana maimaim-poana” ho an'ny Sivanka Dhanapala, izay Solontenan'ny  UNHCR ao Iràna ho an'ilay fandaharanasa:

Nankatoavin'ny solontenan'ny UNHCR ao Iràna ny fandraisana anjaran'ny governemanta Iraniana, naneho ny fankasitrahan'ny UNHCR ho an'ny governemanta Islamikan'i Iràna noho ireo tolotra rehetra omeny ireo vahoaka mpitsoa-ponenana an-tanàndehibe betsaka indrindra eto amin'izao tontolo izao efa ho taompolo telo izao, ny fampidirany ireo mpitsoa-ponenana ho ao anatin'ity Rafitra Fiantohana Tsy Manavaka ity izay ohatra fakàn-tàhaka, tsy ho an'ny faritra fotsiny ihany fa manerana ny tany, ary nampiany hoe tsy nomena tany aloha tany ny tolotra tahaka izao ary tena manantena amin'ny foko manontolo aho fa hisy firenena hafa hanaraka io ohatra io.

Avy amin'ny governemanta Iraniana ny antsasany amin'ilay fiantohana, raha ny UNHCR kosa no hanome ny 8,3 tapitrisa ho fandraisany anjara. Ho afaka misitraka ilay fandaharanasa ireo rehetra mpitsoa-ponenana, izay hahazo fiantohana ara-pahasalamana ho an'ny “fidirana hopitaly maharitra na vonjimaika”, toy ny azon'ireo teratany Iraniana.

Araka ny tranonkalan'ny UNHCR [4], Iràna no firenena iray eto amin'izao tontolo izao “mampiantrano vahoaka mpitsoa-ponenana betsaka indrindra sy naharitra indrindra.” Manakaiky ny 1 tapitrisa ireo vahoaka Afgàna mpitsoa-ponenana ao Iràna, miampy ireo vinavinaina ho 1,4 hatramin'ny 2 tapitrisa monina sy miasa ao amin'ny firenena nefa tsy misoratra ara-dalàna ho mpitsoa-ponenana.

Niharan'ny kiana tany aloha tany ny fomba niatrehan'i Iràna io olana fanisàna vahoaka io, kanefa, tena hita misongadina tao anatin'ny tatitry [5] ny Human Rights Watch tamin'ny 2013, izay nanome antsipirihany ny fitondra tsizarizary sy indraindray fanararaotana an'ireo Afgàna nataon'ny governemanta sy ny fiarahamonina Iraniàna.

Ho an'ny vinavinany mikasika ny taona 2015 , nomen'ny UNHCR tamin'ny antsipirihany ny zavatra andrasan-dry zareo hataon'i Iràna amin'ny ankamaroan'ireo Afgàna sy Irakiàna ary Pakistane mpitsoa-ponenana, araka ny avoitran'ny sary eto ambany.

Screenshot from UNHCR country operations profile.

Chart from UNHCR country operations profile.

Notsikeraina [6] hatrany  i Iràna noho ny tsy nandraisany ireo mpitsoa-ponenana Siriana avy amin'ny ady an-trano tany aminy. Io fanakianana io dia tonga ao anatin'ny hoe ny zava-misy dia tafiditra lalina amin'ny fifandonana ao Siria izy, toy ny tafika mpiaradia no sady mpanohana ihany koa ny Filoha Siriana Bashar Al-Assad.

Eny tokoa, ity fivoaran-draharaha ity, nametrahana fiantohana ara-pahasalamàna tsy manavaka ity ho an'ireo vahoaka mpitsoa-ponenana, dia zava-dehibe misongadina ho an'i Iràna sy ny faritra. Kanefa, mbola afaka manatsara ny sariny hatrany i Iràna amin'ny fanamafisana ny toerana tànany amin'ny fanamaivànana ny olan'ireo Siriana mpifanolobodirindrina aminy mitsoa-ponenana.