Tanora Kyrgyzstana ‘Manohitra Ny Rehetra’ Ny Omalin'ny Fifidianana

Photo taken from Kloop.kg (Creative Commons).

Sary nalaina avy tamin'ny Kloop.kg (Creative Commons).

Nanatanteraka fifidianana tena sarotra vinavinaina i Kyrgyzstan tamin'ny 4 Oktobra, dingana goavana eo anivon'i Azia Afovoany, Sovietika taloha izany. Fa tsy ny zavatra mahataitaitra ireo mpanara-maso avy any ivelany akory dia haharototra ny ankamaroan'ny Kyrgyzstana, indrindra fa ny tanora, izay mahatsapa fa adalain'ny fampanantenana politika poakaty sy ny kolikoly maharitra.

To anatin'ny fiomanana ho amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny faran'ny herinandro (4 Oktobra)  dia nanao lahatsary resadresaka tamin'ny tanora momba ny hevitr'izy ireo ny amin'ny fifidianana ny Global Voices.

Nazava ny didim-pitsarana : tsy firaharahiana goavana.

 

Nilaza fa tsy mivaky loha amin'ny fifidianana ny ankamaroan'ny olona nanontaniana.

Nisalasala ny amin'ny fahamarinan'ny fifidianana ny sasany, ny hafa kosa nilaza fa fantany izay antoko hitarika amin'ny fifidianana  amin'ireo antoko 14 ireo ka dia nanahy izy ireo fa tsy hanova na inona na inona ny vatony.

Ny sasany kosa tsy afaka mifidy satria tsy nanatitra ny angona biometrika momba azy ara-potoana araka ny fangatahana vaovao nataon'ny governemanta izay milaza fa hiantoka fa hadio ilay fifidianana.

Notaterin'ny gazety Vecherniy Bishkek fa mponina 2.751.414 monja no nanatitra ny angona, miampy ireo mpifidy an-tapitrisany hafa tsy afaka mandatsa-bato rehefa tsy nahatratra ny 19 Septambra, fotoana fanaterana farany.

Miteraka ahiahy momba ny fiainana manokana sy tsy fandriampahalemana ny fanapahankevitry ny governemanta, izay mitaky ny handraketana ny angona biometrika momba ny mpifidy, ao amin'ny firenena iray izay tsy hentitra amin'ny fikarakaràna ny angona.

Fa nankatoavin'ny fitsarana ao an-toerana, tamin'ny 14 Septambra, ho mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana izany. Volana vitsivitsy talohan'izay, voaroaka i Klara Sooronkulova, mpitsara ambony iray nanandrana nanohitra io fanapahankevitra io.

Araka ny tatitra nataon'ny Eurasianet tamin'ny volana Jona :

Efa noroahana ny mpitsara zokiolona iray tany Kyrgyzstan rehefa nanohitra ny drafitry ny governemanta mba hanangona ny lavotondron'ny olom-pirenena sy angona biometrika hafa.

Klara Sooronkulova, nanjary olo-mahery ho an'ireo olom-pirenena mafana fo izay mino fa ny ezaka ataon'ny any ambony ka hatrany ambany mba hanerena ny olom-pirenena hanome ny lavotondrony ho takalon'ny  zo hifidy dia tsy araka ny lalàm-panorenana ary mifanohitra amin'ny fahalalahany amin'ny maha olom-pirenena azy.

Nanoratra taratasy i Sooronkulova, mpitsara iray ao amin'ny Fanarahana maso ny Lalàm-panorenana ao amin'ny Fitsarana Avo, milaza fa tsy araka ny lalàm-panorenana ny lalàna momba ny Firaketana Biometrika 2014. Nosintoniny ny fahaizamanaon'ireo manampahaizana manokana momba ny lalàna avy any ivelany mba hanamafisany ny toerany.

Ankehitriny dia toa azony antoka fa very ny toerany taorian'ny nifidianan'ny Filankevitry ny Mpitsara (karazana filankevi-pitantanan'ny mpitsara) manontolo tamin'ny 18 Jona mba handroahana azy, isan'izany ny fanitsakitsahana ny fitsipi-pifehezana mifehy ny fitsarana.

Ao anivon'ny tsy hafalian'ny vahoaka mialoha ny fifidianana, dia miantso ireo mpfidy voasoratra anarana mba handatsaka ny vato “manohitra ny rehetra” i Bektour Iskender, trangam-pifidianana iraisana any amin'ny firenena maro tany amin'ny Firaisana Sovietika taloha izany.

Raha toa ka mifidy ny ” manohitra ny rehetra” ny mponina, hoy ny fanazavany, dia midika izany fa tsy maintsy averina ny fifidianana. Felaka tehamaina ho an'ny governemanta izany ary mety hanome aina ny  vahoaka izay te-hifidy saingy antenaina fa havadiky ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana ho fahafahana misoratra anarana ilay fanapahankevitra manery hanaiky ny angon-drakitra biometrika.

Na dia vokatra manalasala aza izany dia ” hampatahotra ny governemanta ” ny hamaroan'ny vato  ‘manohitra ny rehetra’, hoy i Iskender.

Достаточно просто, чтобы количество голосов против всех было заметным. Чтобы в будущем граждане Кыргызстана смогли пугать государство голосованием против всех, если их что-то будет принципиально не устраивать в действиях власти”.

Ampy ho fanairana ny habetsaky ny vato manohitra ny rehetra. Mety hidika izany fa afaka hampitahotra ny governemanta amin'ny fifidianana ny manohitra ny rehetra ny mponina rahatrizay ka tena tsy mahafapo azy ireo ny asan'ny manampahefana.

Farany teo, tsy navelan'ny vaomiera foibe momba ny fifidianana hiteny maimaim-poana tamin'ny haino aman-jery, toy izay omena ireo antoko politika mifaninana amin'ny fifidianana, ny vondron'ireo mpikatroka misolo tena ny “manohitra ny rehetra”.

Fa nasehon'ny fangalàna ny hevitry ny olona tamin'ny aterineto nataon'ny Zanoza.kg fa maherin'ny ampahefatry ny olona nanontaniana no te-handratsaka ny vatony amin'io fomba io, latsaka kely fotsiny amin'ny vaton'ny antoko Respublika-Ata-Jurt izay mitarika amin'ny fangalàna hevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.