Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

03 Novambra 2015

Tantara tamin'ny 03 Novambra 2015

Zava-misy Dimy Momba Ny Día de Los Muertos (Andron'ny Maty) Ao Meksika

Miha-mipoitra ao Etazonia ilay fety fankalazàna, toerana ahitàna vondrom-piarahamonina Meksikana betsaka.

Tanora Kyrgyzstana ‘Manohitra Ny Rehetra’ Ny Omalin'ny Fifidianana

Tsy niraika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka natao tao amin'ny fireneny tamin'ny 4 Oktobra ireo tanora Kyrgystana maro na dia efa hifarana aza ny fampielezan-kevitra nifamahofaho.

Iràna: Hanome Fitsaboana Tsy Manavaka Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana

Manakaiky ny 1 tapitrisa ireo vahoaka Afgàna mpitsoa-ponenana ao Iràna, miampy ireo vinavinaina ho 1,4 hatramin'ny 2 tapitrisa monina sy miasa ao amin'ny firenena nefa tsy misoratra ara-dalàna ho mpitsoa-ponenana

Manao fanangonan-tsonia hanoherana ny halafon'ny aterineto ny Mozambikana

NItsambikina ny saran'ny aterineto tao Mozambika noho ny fanapahan-kevitry ny Ivontoerana Nasionaly Misahana ny Fampitan-Kafatra (INCM) hanapaka ny fanampiana ireo mpanome tolotra aterineto ao an-toerana hatramin'ny 75%, izay manimba ny toeran'ny governemanta milaza ho mpomba ny aterineto.

Mihevitra Hampiditra Ny ISIS Ho Ao Anatin'ny Lisitry ny “Fikambanana Tsy Miankina Tsy Iriana” Ny Mpanao Lalàna Rosiana

Akon'ny RuNet

Voalaza fa manomana lisitra fanampiny vaovao ao anatin'ny "lisitra-farany" misy ireo fikambanana tsy miankina ny loholona, mitady handràra ireo vondrona vaovao maromaro, anisan'izany ny vondrona ISIS mahery fihetsika tsy ara-dalàna sy efa voaràra ao Rosia.

Valifatin'ny Olona Iray Manohitra Ny Fampielezankevitra Rosiana

Akon'ny RuNet

Niasa tao amin'ny mediam-panjakana Rosiana izy, nitantana ny inoSMI.ru. Ankehitriny, mamaly faty ireo olona lazainy ho nanimba ny mediam-panjakan'ny fireneny i Alexey Kovalev.

i Pelé Ve No Nampitsahatra Ny ady an-trano Nisy Rà Mandriaka Be Indrindra teo amin'ny Tantaran'i Nizeria Nandritry ny 48 Ora?

Marina ve fa nitarika ny fitsaharan'ny poabasy nandritry ny 48 ora ilay Breziliana mpanjakan'ny baolina kitra tamin'ny ady an-trano nisy rà nandriaka tany Nizeria? Nanao fikarohana ny mpanoratra iray ary marina ny fisalasalàny.

Mpiandry Raharaha Ao Amin'ny Firenena Shinoa Mandrisika Ny Olona Hitoroka Ireo Ahiahiana Ho Mpitsikilo

Petrakevitr'ireo mpisera ety anaty aterineto ny hoe natao hamafy saritaka eny anivon'ny Shinoa ilay fiandrasana raharaha. " Savaranonando ho amin'ny Revolisiona ara-Kolontsaina ve", hoy ny iray mpampiasa Weibo.