Mikatona ny birao fandatsaham-baton'ny fifidianana ankapobeny fanindroany andrandrain'i Torkia fatratra amin'ity taona ity

A woman votes in Turkey's last general election on 7 June, 2015. Photo by Sadik Gulec. Demotix ID 7795368.

Vehivavy iray mandatsa-bato amin'ny fifidianana ankapobeny farany ao Torkia tamin'ny 7 jona 2015. Sary nalain'i Sadik Gulec. Demotix ID 7795368.

Nizotra tany amin'ny birao fandatsaham-bato ny Tiorka mpifidy androany amin'ny fifidianana parlemantera faharoa tamin'ity taona 2015 ity. Ny fifidianana teo aloha tamin'ny Jona dia niafara tamin'ny fitarihan'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) an'ny Filoha Recep Tayyip Erdogan sambany tsy nety nahazo ny maro an'isa feno (atsasamanilan'ny seza) hatramin'ny nahatongavan-dry zareo teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2002.

Tamin'ny fifidianana teo aloha ny antoko ankavia pro-Kiorda HDP dia nahahoatra ny 10% ny vato ilaina hahazoany seza ao amin'ny parlemanta, ary izany no nanampy tamin'ny tsy nahazoan'ny AKP ny maro an'isan'ny seza nahafahany nanangana governemantan'antoko tokana.

Nihanifanipaka kokoa ny fiarahamonina tiorka tao anatin'ny taona vitsivitsy, ary maro ny mpitsikera no nilaza fa lasa mpanao kolikoly sy tsirefesimandidy i Erdogan. Tamin'ny taona 2013, ny fihetsiketsehana manohitra ny zaridaina kelikely iray ho lasa tsenambarotra tao afovoan'i Istanbul no niaka-danja ho lasa fanoherana ankapobeny sy namelezan'ny governemanta ny fahalalahan-gazety sy ny fahalalahan'ny tsirairay.

Nanomboka teo ny AKP no voampanga tamin'ny kolikoly maro dia maro ary nihena ny lazany iraisampirenena taorian'ny tsy fahombiazany amin'ny fanohanana am-pifaliana ireo hetsika revolisionera Islamista tao Ejipta sy Syria.

Nijotso tsimoramora ihany koa ny toekarenan'i Torkia ary nihanalemy ny sandambola noho ny tsy fahatombenan'ny faritra ankoatra ny zavatra hafa tsy hotanisaina. Nisalasala kokoa ny fampiasambola vahiny noho ny fiandrasan'ireo fandraharahana ny voka-pifidianana.

Na dia nanatontosa fihaonana enina aza ny AKP sy ny CHP hananganana governemanta iraisan'izy ireo, dia nilaza ny mpitarika azy ireo, Ahmet Davutoğlu sy Kemal Kılıçdaroğlu fa tsy nahavoaka fifanarahana ry zareo. Tsy nety hiara-dia amin'ny AKP ny antoko nationalista MHP. Taorian'ny tsy fahombiazana nanangana governemanta dia niantso ny hanaovana fifidianana fanindroany ny filoha Erdogan.

Saingy, nandritra izay volana vitsivitsy nandalo izany dia tapaka ny fifanaraham-pandriampahalemana nifanaovan'ny governemanta sy ny milisy Kiorda PKK — izay heverina ho iray amin'ny fahombiazan'ny AKP tamin'izy teo amin'ny fitondrana — . Ny fandarohana baomba namelezana ny vondrona ankavia nolazain'ny ISIS fa nataony no nitarika ny fanafihan'ny PKK tamin'ny miaramila tiorka, izay voampanga ho manampy ny ISIS.

Nihanahery vaika ny kabary fanaon'ny AKP hamelezana ny vondrona mpanohitra sy ny fampitam-baovao, nampangainy ny tony fihetsika HDP ho manohana ny fanentanan-kerisetran'ny PKK ary tereny ny fanakatonana ny vondrom-pampitam-baovaon'ny mpanohitra tahaka ny KanalTurk sy ny Bugun, ary ny fisamborana ny tonian'ny Today avy amin'ny Zaman.

Ireo sehatra ireo dia misy ifandraisany amin'ny hetsika niara-dia tamin'i Erdogan teo aloha, avy amin'i Fethullah Gulen, izay ampangain'i AKP ho manana endrika ‘fanjakana mirazotra’ ny tambajotrany. Nanana ny heriny ny fanohanan'i Gulen tamin'ny fananganana ny fanohanana ny AKP, saingy taty aoriana dia lasa manelingelina amin'ny fifehezan'ny AKP ny andrim-panjakana.

Ny fitsapa-kevitra talohan'ny fifidianana dia mametraka vokatra mitovitovy tamin'ny fifidianana volana jona lasa teo. Raha izay no mitranga dia tsy voatery mizotra mankany amin'ny fiarahana amin'ny hafa ny AKP ary tsy afaka hanao fanovana lalampanorenana izay hanamafisana kokoa ny fahefan'ny prezidansa, izay noheverina hitazona fahefana kelikely kokoa noho ny fahefan'ny praiminisitra, ny Filoha Erdogan.

Arakaraka ny naha antomotra ny fifidianana no nisian'ny ahiahy bebe kokoa teo amin'ny sokajin'olona maro tao amin'ny fiarahamonina tiorka sy ny filazana fa hielim-patrana kokoa halabato na dia efa mivelatra aza ny fanarahamason’ olompirenena ny fifidianana mifantoka amin'ny fandatsaham-bato sy ny fitaterana ny hosoka.

Koa satria mifidy i Torkia, dia zoro kely amin'i Istambul ihany no azoko jerena Saingy ho gaga aho raha tsy avo tahaka ny tamin'ny volana jona ny fahavitrihana raha tsy betsaka kokoa aza.

Na dia tsy vitan'ny politisiana tiorka aza ny nanakely kokoa ny fisaraham-bazana teo amin'ny fototra mpanohana azy ireo, dia manana fomba iray ry zareo hihemorana amin'ny fifandirana ara-tsosialy goavana kokoa. Miankina amin'ny fomba hamalian'ny governemanta sy ny antoko mpanohitra ny tadiavin'ny mpifidy tiorka ny hoavin'ny rafitra demaokratsikan'i Torkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.