Tranga Manafintohina Mampirongatra Ny Ahiahin'ny Katalàna Mialoha Ny Fifidianana Manan-Tantara Momba Ny Fahaleovantena

Picture of the last pro-referendum demonstration in Barcelona, Catalonia, on September 11, 2015. Image from Twitter.

Sarin'ny hetsika farany nataon'ny mpanohana ny fitsapankevi-bahoaka tany Barcelone, Katalonia, tamin'ny 11 Septambra 2015. Sary avy amin'ny Twitter.

Nisy andianà hadisoam-pamindra nataon'ny fanjakana nampirongatra ny tsy fitokisan'ny vahoaka Katalàna ny fitondrana Espaniola ny herinandro nialoha ny fifidiananam-paritra ny Alahady 27 Septambra 2015.

Ho hitan'ny mponina maron'i Katalonia amin'io Alahady faha27 Septambra io ilay andro lehibe efa nandrasany : hifidy amin'ny alàlan'ny fifidianana manan-tantara izay voalaza fa fifidianana mivantana momba ny fahaleovantena amin'i Espaina ry zareo. Tsy nomen'ny governemanta foibe alàlana hanao fitsapankevi-bahoaka ara-dalàna momba ny fahaleovantena amin'i Espaina. Io fifidianam-paritra ho avy io no farany hanome fahefana amin'ny fomba demokratika na hirosoana ny dingan'ny fahaleovantena na tsia, ka hitady izay fomba hafa hitantanana ny sata mifehy an'i Katalonia amin'izao fotoana izao ho faritra any Espaina.

Raha mbola manilika ilay fantatra amin'ny ara-tantara hoe “olana Katalàna” ny governemanta Espaniola, dia mitombo hatrany ny fitakiana hanaovana fifidianana demokratika mba hahafantarana raha toa ka mbola te-hitazona na hanapaka ny fifandraisana amin'ny fanjakan'i Espaina ny vahoaka Katalàna. Tsy tontosa noho ny sakana nataon'ny fanjakana foibe, izay mandà ny fanapahankevitry ny vahoaka hanao fitsapankevi-bahoaka teren'ny lalàna, satria ” tsy araka ny lalàm-panorenana” izany, ilay adihevitra ampahibemaso goavana momba ny lafy tsara sy ny lafy ratsin'ny fahaleovantena. Noho izany dia andianà hetsika vaovao no nanampy ny disadisa sy ny tsy fahatokisana ny governemanta Espaniola.

Nozarain'ilay mpanao gazety, Jaume Clotet (@jaumeclotet), ao amin'ny Twitter ny fijery ankapoben'ireo manaraka ny fifidianana :

Vao nolazainà iraka vahiny tamiko : ” Raha jerena ny zavatra ataon'ny governemanta Espaniola dia azo lazaina fa tiany ho very i Katalonia.”

Ny raharaha hafahafa amin'ny taratasin'ny EC 

Mety ny fandikàna vilana ny fanambaràna nataon'ny Vaomiera Eoropeana (EC) no niteraka io fitroarana io. Tamin'ny 21 Jolay, nandefa taratasy tany amin'ny Vaomiera Eoropeana  i Santiago Fisas, solombavambahoaka ao amin'ny Parlemanta Eoropeana avy amin'ny Antokon'ny vahoaka manohitra ny fahaleovantena sy ny fitsapankevi-bahoaka, manontany raha toa ka ankatoavin'ny Vaomiera ny fanjakàna Katalàna mahaleotena. Tonga tamin'ny 21 Septambra ny valinteny, amin'ny teny Anglisy sy teny Espaniola, nosoniavin'ny filohan'ny EC Jean Claude Juncker. Nahagaga fa tsy mitovy  ireo dikanteny roa ireo, araka ny fanamarihana nataon'i Alberto Nardelli, tonian'ny angon-dahatsoratra ao amin'ny gazety Britanika The Guardian :

Mahagaga : eo amin'ny ankavia, ny fanambaràn'i Juncker momba an'i Katalonia. Eo amin'ny ankavanana ny dikany amin'ny teny Espaniola

Tsotra ny ambaran'ny teny Anglisy: ” Tsy ny vaomiera no milaza ny fomba fijery momba ny olan'ny fandaminana anatiny mifandraika amin'ny lalàm-panorenan'ny fanjakana tsirairay mpikambana ao.” Fa tamin'ny dikanteny Espaniola dia nampiana andiam-pehezanteny lava izay faranana amin'ny azo adika hoe tsy mety ny fahaleovantenan'ny fanjakana Katalàna ao anatin'ny Vondrona Eoropeana  :

La determinación del territorio de un Estado miembro está únicamente establecida por el Derecho constitucional nacional, y no por una decisión de un Parlamento autonómico contraria a la constitución de dicho Estado.

Ny lalàna ao amin'ny lalàm-panorenana ihany no mamaritra ny sisintanin'ny fanjakàna mpikambana, fa tsy ny parlemanta mahaleotena manohitra ny lalàm-panorenan'izany fanjakana izany.

Rehefa novoizina tao amin'ny tambajotra sosialy sy ny haino aman-jery ilay vaovao dia nanazava ny mpitondra tenin'ny EC fa ny teny Anglisy no tena marina, ary noho ny “hadisoana” na   “hadisoan'olombelona” ilay andiam-pehezanteny fanampiny tamin'ny teny Espaniola. Andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana, mbola nitaky fanazavana tsaratsara kokoa ny vahoaka Katalàna. Ny sasany, toy ny Mpitantana ny Fandaharan'asa Wikimedia,  Àlex Hinojo (@Kippelboy) aza moa dia namantana ny bitsiny amin'ny  Junker :

Salama Atoa @JunckerEU, manan-jo hahalala ny marina ny vahoaka Katalàna mialoha ny hifidianany amin'ny Alahady. Iza no mandika vilana ny fanambaran'ny EC ?

Tsy misy fotoam-pahasorenana mihitsy mialoha ny fifidianana lehibe any Katalonia

Isan'ny zava-miseho manampy trotraka ny disadisan'ny Katalàna ireo fampahafantarana momba ny vola entin'ny Bankin'i Espaina avy any amin'ireo faritra espaniola hafa noho ny tahotra ny fangalàna vola ambongadiny aorian'ny fifidianana. Fotoana fohy taorian'ny fampitandremana ampahibemaso, nosintonin'ny governoran'ny Bankin'i Espaina ny fanambarany ary nilaza izy fa ” amin'ny ankapobeny, tsy azo atao ”  ny fiheverana haka vola ambongadiny.

Taitran'ilay vaovao mitondra ny lohateny hoe “Fifidianana ho ao amin'ny Parlemanta Katalàna : Iza no manao hosoka ao amin'ny Twitter ?”, nangonin'ny vondrona Twitter Bots izay mikendry ny hampiharihary ny tambajotra politikan'ireo mpisandoka, ireo mpisera mavitrika amin'ny resaka politika amin'ny aterineto. Nahatratra tambajotranà kaonty spam politika goavana roa ny fikarohana. Izy roa ireo dia samy mambosy ny fanoherana ny fahaleovantena.

Mifandona amin'ny Praiminisitra Espaniola ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy 

Fa nisy savorovoro politika nateraky ny tafatafa natao tamin'ny Praiminisitra Mariano Rajoy tao amin'ny onjapeo Onda Cero tamin'ny 22 Septambra. Nahoraka avy hatrany, niteraka fifangaroam-pahagagana, henatra, hatezerana ary fanesoana ny valinteny mitavozavoza sy tsy mirindra nomen'i Rajoy rehefa nanontanian'ny mpanentana ny onjapeo izy mba hanazava ny fanambarany teo aloha fa mety hanary ny maha Espaniola sy maha Eoropeana ny Katalàna ny fahaleovantena. Nampirongatra ny ‘memes’ amin'ny aterineto tahaka ity ambany ity izany.

Rajoy tao amin'ny Onda Cero, avy amin'i JR Mora

Niezaka nanafina ny hadalàn'i Rajoy omaly tao amin'ny Onda Cero ny ankamaroan'ny vaovao Espaniola, nefa manana aterineto izahay !

“Tay, tay, tay”

Ny fahombiazana ho amin'ny fahaleovantena 

Tamin'ny fifidianana teo aloha tamin'ny 2012, ireo antoko manohana ny fanapahankevitra hanao fitsapankevi-bahoaka—Convergence sy Union (CiU), ny Ankavia Repoblikana ao Katalonia (ERC), Hetsika ho an'i Katalonia, Greens-United, Alternative Left (ICV-EUiA) and the Popular Unity Candidature (CUP)—no nahazo vato betsaka. Nazava ny drafitra, saingy tsy mora tanterahana. Tahaka ny zava-nisy tamin'ny fitsapankevi-bahoaka tany Ekaosy, ny lalàna Espaniola dia milaza fa mba hanaovana fitsapankevi-bahoaka araka ny fifanarahana apetraky ny lalàna dia tokony hanao famindram-pahefana any amin'ilay faritra ny fitondrana foibe. Saingy tsy tahaka ny an'ny Britanika fa ataon'ny fitondrana Espaniola mazava tsara fa tsy azo atao ny fifidianana.

Tsy nampiova hevitra ny governemanta Espaniola izay mitàna fa tsy ara-dalàna ny fiezahana hanao fitsapankevi-bahoaka anatin'ny roa taona nanovàn'ny governemanta Katalàna ny politika sy ny lalàna. Na dia teo aza ny didy navoakan'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana Espaniola hampiato ny fangatahana rehetra momba ny fifidianana dia niezaka ny hiroso sy nanao fifampidinihana miafina ny governemanta Katalàna tamin'ny 9 Novambra 2014. Natao ihany ilay andram-pifidianana tsy azo notanterahana na teo aza ny fanakantsakànana rehetra araka ny lalàna tsy hanaovana ilay adihevitra am-pahibemaso, ary nahazoam-bokatra mampisalasala : maherin'ny 80 isan-jaton'ny vaton'ny mpandray anjara no nankasitraka ny fahaleovantena, saingy marihan'ny vinavina tsy ôfisialy fa ambany ny taham-pahavitrihana (36 isan-jato)

Ny fifidianana ny Alahady 27 Sept. no afaka mamoaka angona ôfisialy amin'ny fanohanan'ny vahoaka ny fahaleovantenan'i Katalonia amin'i Espaina. Tokony hanome fanomezan-dàlana amin'ny fomba demokratika ho an'ny governemanta Katalàna sy Espaniola izany mba hikarohana marimaritra iraisana, izay antenaina fa ho anaty firahalahiana, ho an'ny vahoaka Katalàna sy Espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.