Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe

Bilad Alqadeem, Bahrain. 11th November 2013 -- Ashura ceremony in Bilad alqadeem 11. -- Ashura is commemorated by Shi'a Muslims as a day of mourning for the martyrdom of Husayn ibn Ali, the grandson of Muhammad at the Battle of Karbala on 10 Muharram in the year 61 AH. Photograph by bahrain14feb bilad. Copyright: Demotix. Used with permission.

Bilad Alqadeem, Bahrain. 11 Novambra 2013 — lanonana Ashura ao Bilad alqadeem 11. — Ankalazain'ny Silamo Shiita ho toy ny andro fisaonana ho an'ny martioran'i Husayn ibn Ali, zafikelin'i Muhammad tamin'ny ady tao Karbala tamin'ny 10 Muharram taona 61 AH ny Ashura. Sary avy amin'ny bahrain14feb bilad. Copyright: Demotix. Nahazoana alalana.

Olona an-tapitrisany maneran-tany no niaraka nahatsiaro ny tsingerintaonan'ny maritioran'i Imam Hussain Bin Ali, zafikelin'i Mpaminany Mohammed. Nandray anjara tamin'ny fampirantiana zavakanto, fanomezan-drà sy fampianarana ireo mpandray anjara, ary an'hetsiny ireo nilahatra tamin'ny filaharam-be nanamarihana ny Ashura, nifantoka tamin'ny fomban-drazana mihoso-drà nampifanditra, antsoina hoe Tatbir, [ahitana fikapohana loha amin'ny karazan-tsabatra] ny fitantarana navoakan'ireo haino aman-jery iraisampirenena toy ny AFP, Yahoo, Daily Mail sy ny RT sy ny hafa. Tao amin'ny fampitam-baovao sosialy, dia voakiana amin'ny fitantarana “diso” ry zareo fa tsy mampiseho ny sary feno ny fombafomba izay natao indrindra fa tany Irak, Iran, Libanona ary Bahrain, izay manana vondrom-piarahamonina Shiita betsaka.

Mihazona ny fomba amam-panao Ashura ao Karbala ny Irakiana.

Ny Ashura dia fahatsiarovana fanao isan-taona ny nanaovan'ny Imam Hussain maritiora, marihana amin'ny volana islamika fahafolo, dia ny Muharram. Manamarika ity andro ity amin'ny alalan'ny fanatrehana toriteny amin'ny leson'ny fisoronantena nataon'ny Imam Hussain mitady ny rariny sy amin'ny alalan'ny fisaonana ny nandripahana ny maritioran'ny Karbala nitranga 1.300 taona lasa izay ny Silamo Shiita.

Tamin'ny fitaterana ity hetsika ity ny AFP manokana no voakiana rehefa nisioka sary misy votoaty mampihoron-koditra tsy nisy fampilazana mialoha. Ny sary dia nampiseho lehilahy Irakiana mampihatra ny fikapohan-tena (antsoina hoe tatbir amin'ny teny Arabo) ho toy ny fomba fisaonan-dry zareo.

Tsy tokony hamoaka sary mampihoronkoditra tahaka izao tsy nisy fampilazana mialoha ny fampitam-baovao matihanina AFP

AFP manakorontana. Ary maninona no avoaka tsy misy fampitandremana ireny? Inona ny tanjona?

Agence France-Presse adala nosimbanareo ny tontolo androko. Misaotra anareo!

Ny hafa izay mampifandray azy amin'ny resa-pinoana ara-pivavahana, mamaofivaofy ny fitantarana ho “mitongilana” .

Shiita aho, izao no valiny ataoko amin'ity tatitra mitongilana sy voarindra ity

Ry AFP raha manao tatitra amin-javatra [iray] ianareo, mahaiza manabe ny tenanareo araka ny tokony ho izy. Mahamenatra ny ataonareo amin'ny fahefana anananareo.

Niteraka fahatezerana manoloana ny fomba iray izany efa niteraka fifandirana hatry ny ela eo amin'ny samy Shiita ny sioka taorian'ny nilazan'ny mpitondra fivavahana malaza sasany tahaka ny Mpitarika Faratampon'i Iran ny Ayatollah Sayed Ali Khamenie fa voarara sy mifanohitra amin'ny Islamo izy io.

Ny tatbir dia fampianaran-diso nentindrazana noforonina, tsy isalasalana fa tsy mankasitraka izao fomba izao i Andriamanitra

Tsy nanao ny devoarany tamin'ny fitantarana ve ny AFP? Tsy naharitra ny sasany fa nibedy hoe fitantarana tsy mendrika atao amin'ireo sokajin'ny mpino izao.

Asehonareo ny sarin'ny 100 amin'ireo olona manao izany, fa maninona ianareo no tsy mampiseho ny sarin'ny Shiita an-tapitrisany tsy manaiky izany! mba menatra

Raha mba nahalala tsaratsara kokoa ianareo dia nahalala fa tsy ny Shiita rehetra no manao io ‘fomba’ io

Manaiky ny Sonita rehetra sy ny ankamaroan'ny Shiita fa tsy Islamika io

Tsy afa-belan'ny tsikera ihany koa ireo sampam-baovao hafa.

Mila manao fikarohana ihany ianareo ry zareo satria tsy mino ny tatbir ny Shiita fa voarara amin'ny fivavahanay izany!!! Fantaro izany

Angamba voamarika ny maha-fivoriana milamina lehibe indrindra azy manerantany, mahatsiaro ny olona amin'ny finoana rehetra saingy tsia ny tatbir ihany no ifantohan-dry zareo

Rehefa mandeha sy voasintontsitona amin'ny toerana samihafa ny resaka, dia misy ny sasany nieritreritra fa mety hanome sary mazava kokoa amin'ny diabe ara-pivavahana Ashura ny manao ny devoaran'ny AFP.

Avy ao karbala ihany koa ity sa jamban'ny fankahalana ianareo. Tao amin'ny toerana masin'i Abu Fadhil Al-Abbas (AS) androany.. Ya Abbas

Manome fijery tsaratsara kokoa amin'ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pivavahana amin'ny tsingerintaona ny diezy tahaka ny #Ashura sy ny #HussainInspires.

Leson'ny Imam Hussain tamin'ny fanolorantena tao Karbala. Ilaina ho hay, ary mihoatra noho izany aza ilaina ampiharina amin'ny tena

Mpanao diabe ara-pivavahana mandray anjara amin'ny fanomezan-dra amin'ny Ashura ao amin'ny distrikan'i Kadhimiya district ao Baghdad

Toeram-Pampirantiana [Imam] Hussain ao Manama.

Toeram-pampirantiana ao amin'ny Toerana Masin'ny Imam Hussain, [miorina ao Karbala, Iràka].

Ny Fikambanana Mpanazava manokatra ny toeram-pampirantiana sary ao andrenivohitra Manama ny Asabotsy takariva [Bahrain].

Ny sasany mizara ny sarin'ireo tsy Miozolomana nandray anjara tamin'ireo fihetsiketsehana fanamarihana ny Ashura.

Artista Thailandey ao amin'ny Toeram-Pampirantiana Ara-Javakanto Imam Hussain ao Bahrain mandoko ny sariohatra mahafinaritra ny Imam Hussain nandritra ny alina fahafiton'ny Muharram.

Vondro-piarahamonina Kristiana sy Sabiana ao Basra mandray anjara amin'ny diaben'ny Ashura

Italiana mpitandro ny filaminan'ny Firenena Mikambana ao Libanona Atsimo eo am-pikarakarana ny Hreeseh (sakafo nentin-drazan'ny Ashura)

Hotontosaina indray ny filaharambe amin'ny fanombohan'ny volana desambra ho fanamarihana ny fahalasanan'ny 40 andro miainga amin'ny fahafatesan'ny Imam Hussain izay iheverana handraisan'i Karbala olona mihoatra ny 20 tapitrisa manerana ny glaoby. Azontsika antenaina hanao ny asany tsara kokoa amin'ny alalan'ny fampisehoana ny sary iray manontolon'ny hetsika na hahatonga ny tantara ho tsara kokoa ve ny fifantenana ataony ve ireo sampam-baovao?

Azonao jerena ny tatitra eto ambany: [TANDREMO: VOTOATY MAMPIHORON-KODITRA]
AFP
IBTimes
Daily Mail

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.