Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miaina Miaraka Amin'ny Fanantenana Fa Mbola Hiverina Indray Andro Any: Lehilahy Dominikàna Iray Ao Espaina

Jesús Antonio García, the "Alfarero". Photo taken by Ana Hernández.

Jesús Antonio García, ilay “mpanao tavy tanimanga”. Sary an'i Ana Hernández.

Ity no voalohany amin'ilay andianà antsafa itrandrahana ireo zavatra iainan'ny Amerikàna Latina izay mandao ny firenena niaviany hikatsaka fomba fiaina vaovao sy hafa. Ao anatin'ity lahatsoratra ity i Ana Hernández dia miresaka amin'i Jesús Antonio García, mpandraharaha iray avy any amin'ny Repoblika Dominikàna ary monina ao Espaina. Navoaka voalohany tao amin'ny biloagin'i Ana ity antsafa ity, ary ao amin'ny gazety an-tsoratra amin'ny teny Espaniola, El Crisol de Ciudad Real.

Trano iva sy mitokana. Tafo lanitra, mazava sy tsy misy manelingelina. Arabe rakotra tara sy feno olona, làla-mahitsy maresaka; talantàlana mameno ny arabe. Olona mividy, mivarotra, mikiakiaka isaky ny kihon-dàlana ao amin'ny araben'i Duarte sy Parisy, toerana nanaovan'ireo mpandihin'i Enrique Iglesias fampisehoana fotoana vitsy lasa izay ho an'ilay rakitsariny ‘Bailando‘, noraketina tao afovoan'i Santo Domingo.

Fofona mifangaro, mahatonga ny lalaom-pamantarana ho sarotra: zavoka masaka, vary, tsaramaso sy zanaka omby maro. Ary 30 kilaometatra miala eo, Boca Chica, toerana natoraly fiatoana kely ao amin'ny morony atsimo amin'ilay nosy Hispaniola. “Tena tototra olona ireo arabe ao an-drenivohitry ny Repoblika Dominikàna” hoy i Jesus Antonio Garcia, avy ao Santo Domingo, ary miaina ao Ciudad Real any Espaina ankehitriny, toerana nahalalàna azy sy ny fandraharahàny tamin'ny hoe ‘Alfarero’ (mpanao tavy tanimanga).

Mila singa roa raha kely indrindra ny fanaovana tavy tanimanga, ny lasitra sy ny tanimanga hovolavolaina haka endrika, “ary ao amin'ity farany aho satria Andriamanitra no namolavola ahy,” hoy ity rangahy 58 taona, zara raha mitsiky nefa feno hafaliana.

Tsy misy ahiahy izao no miresaka ny momba ny Repoblika Dominikàna, fahatokisana omen'ny maha-lavi-tany azy i Jesus Antonio , mpifindramonina mitolona isanandro amin'ny resaka fepetra fitantanana sy dingana tsy fantatra any amin'ny tany niaviany apetrak'ireo mpitàna birao, :

Como otros presidentes en Latino América, Danilo Medina está fomentando la pequeña y mediana empresa. El Gobierno financia y garantiza y eso beneficia. Sobre todo al turismo y el comercio, donde destacan las inversiones, puntos fuertes del futuro de República Dominicana.

Toy ireo filoha hafa rehetra ao Amerika Latina, mamporisika ny fandraharahàna madinika sy salantsalany i Danilo Medina. Mamatsy vola sy manome antoka ny governemanta, ary tsara izany. Indrindra fa ho an'ny fizahantany sy ny varotra, izay tena isian'ny fampiasàna vola, tanjaky ny hoavin'ny Repoblika Dominikàna.

“Ho fanamoràna ny raharaha sy hanomezana vintana daholo izany rehetra izany”, hoy ny fanazavan'ny tompon'ny ‘Alfarero’, orinasa izay nandramany nomena aina vao avy tamin'ny rivotra fohana ao amin'ny fireneny.

Mi fuerte es la venta de productos latinos, pero tengo género muy variado. Hasta veinte servicios distintos disponibles veinticuatro horas sin interrupción. Fotocopias, fax, Internet, locutorio, envío de valores y de paquetes.

Ny fivarotana vokatra Latina no tena heriko, saingy manana karazany maro aho. Hatramin'ny 20 ireo tolotra samihafa ataoko mandritra ny 24 ora tsy tapaka. Fanaovana dika mitovy, fax, aterineto, efitra kely fiantsoana telefaona, fandefasana vola, ary fandefasana entana.

Na dia milaza fa malahelo ny fireneny aza i Jesus Antonio, dia ekeny fa ao Espaina izy no tena afaka miaina tsara :

Al principio dormí en la calle, siempre en parques, pero sin miedo porque cuando no se tiene nada no se teme tampoco. Luego mejoré y con mucho interés, una pequeña ayuda de mi hermana, las metas claras, fe, ánimo y perseverancia se empiezan a lograr pequeñas cosas que conducen hacia otras mayores.

Tany amboalohany dia teny amoron-dàlana aho no natory, any anaty kianja mandrakariva, nefa tsy natahotra satria tsy misy atahoranao rehefa tsy manana na inona na inona ianao. Nihatsara ny fandehan-javatra. Miaraka amin'ny fahavononana be dia be, fanampiana kely avy amin'ny anabaviko, tanjona mazava, finoana, fahasahiana ary fikirizana, manomboka mahavitra zavatra kely ianao izay mitondra ho amin-javatra iray lehibe kokoa.

Mamaritra ny tenany ho olo-mendrika iray izy, araka izany dia tsy mandainga izy rehefa milaza fa taorian'ny nitsapàny ny vintany tao Espaina, Angletera, Kiobà, Venezoelà ary Etazonia, azo atao ny mivoatra, saingy tsy mora velively.

Se puede llegar sin nada y conseguir algo.

Afaka tonga amin'ny tànam-polo ianao ary mahavita zavatra.

Hatreto izy dia miresaka momba an'i Amerika LAtina, saingy azony antoka fa miha-mivoatra be any izao: “Fotoanany izao, miova ny isanandrom-piainana ary ny fanaovan-javatra no mitazona anao ho velona”.

Jesus Antonio, izay tonga tamin'ny Oktobra, tahaka ny vanim-potoanan'ny rivodoza, dia nandany taona telo tao Espaina. Handao ny any izy rehefa tonga ny taona fahaefatra. Hiverina hody hitsahatra amin'ny asa fitadiavany, “izay mila fandavantena betsaka tokoa”. Mifoha vao mangiran-dratsy ary tsy mitandro hasasarana mitady izay harapaka amin'iny andro iny mandra-paha-alin'ny andro, “rehefa nanomboka sahady ny lanonana”. Ary araka izany, ilay ‘Alfarero’ Dominikàna, avy ao amin'ny tanànan'i Ciudad Real ao Espaina manazava amim-pahatoniana hoe:

Volveré para ser consciente de todos los cambios, porque uno de seguido no percibe tanto como cuando llega de pronto. Por eso y porque uno siempre regresa a lo que ha sido.

Hiverina aho mba hahatsapa izay fiovàna rehetra nisy, satria matetika tsy afaka ny hahatsapa tsara mihitsy raha tsy ilay ianao tonga tampoka iny. Noho izay antony izay, ary satria miverina mandrakariva amin'izay nisy azy ny olona iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.