- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voafonja Noho Ny Rangodrangotra Manaratsy Mpanjaka, Mahazo Tohana Ety Amin'ny Media Sosialy Ilay Thai Mpiangaly Mozika

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Thai Internet users who showed support for Opas. Image from the Facebook page of Nithiwat Wannasiri. [1]

Thai mpampiasa aterineto maneho fanohanana an'i Opas. Sary avy amin'ny pejy Facebook Nithiwat Wannasiri.

Katsahan'ny fanentanana [2] iray ety anaty media sosialy ny hamotsorana ilay mpiangaly mozika sady mpandraharaha fantatra amin'ny hoe  Opas C [3] na Dadatoa Opas, 68 taona, izay manefa sazy an-tranomaizina mandritry ny 3 taona ao Thailand noho ny nanaovany rangodrangotra manaratsy ny mpanjaka teo amin'ny toeram-pivarotana lehibe iray tamin'ny Oktobra 2014.

Hentitra i Thailand mampihatra [4] lalàna iray manohitra ny faniratsiràna ny mpanjaka (fanompàna mpanjaka) izay inoan'ny sasany amin'ireo mpanakiana ho ny henjana indrindra [5] eto amin'izao tontolo izao, ankoatry ny maha-lany andro azy. Endrika politika be mpitia indrindra ny mpanjakan'i Thailand ary hery iray mampiray ny firenena, izay niaina saritaka politika tato anatin'ny taona vitsy.

Nosamborina tany amin'ny toeram-pivarotana iray tao Bangkok i Opas noho ny nanoratsoratany rangodrangotra manàla baràka ny fitondràm-panjaka. Nolazaina ho nanoratra [6] izao manaraka izao izy tao anatin'ny trano fidiovan'ilay toerana fivarotana, araka ny tatitra iray an'ny tranonkalam-baovao Prachatai :

Ilay governemantan'ireo mpanao hatsikana izay nandroba ny firenena, tarihan'i Prayut t**. Namoaka politika kidaladalan'ireo mpanao hatsikana ry zareo. Ny tena asany dia ny mampiasa ny fitondram-panjaka (dadatoa [nosivanin'ny Prachatai*]). Ny tena fitaovam-piadiany dia ny Toko faha-112. Marary aho amin'ny fahitàna ny endrikao isanandro [ry Prayut]. Milaza amiko io fa manakaiky ny farany ianao [Prayut] noho ny ady an-trano manangasanga.

Manondro ilay Lalàna manohitra ny faniratsiràna mpanjaka ny Toko faha-112 [7]. Prayut no praiminisitra amperinasa sady filoha teo aloha nitari-tafika tamin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny May 2014.

Nomarihan'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona fa nitombo [8] ireo fisamborana noho ny faniratsiràna mpanjaka tamin'iny taona lasa iny, nahatonga ny maro hanamafy hoe ampiasain'ny tafika ilay lalàna mba hampanginana sy hisotasotàna ireo mpanakiana ary ireo mpanohitra ara-politika.

Mitaky ny hamerenana ny fandinihana ilay lalàna ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo manampahaizana mpikaroka. Manatevina an-dry zareo ireo governemanta sy fikambanana maro iraisampirenena izay nanainga an'i Thailand hiverina hijery ny fampiharana ara-bakiteny ilay lalàna.

Ao anatin'ny raharahan'i Opas, niaiky [9] ho meloka izy tamin'ny vesatra nanenjehana azy tamin'ny Martsa. Nangataka famelàna izy ary nitanisa ny olany ara-pahasalamana mba hampiatoana ny sazy famonjana azy, saingy nolavin'ireo manampahefan'ny tafika ny fangatahany.

Tamin'ny 16 Oktobra lasa teo, nanameloka [9] azy hisazy 18 volana hafa indray ny fitsaràna miaramila, sazy mifandray aminà rangodrangotra iray faharoa nataony tany aminà toeram-pivarotana lehibe iray tao Bangkok tamin'ny taona lasa. Ny ekipa momba ny lalàna manohana an'i Opas dia nilaza fa tsy tokony ho saziana indroa ny olona arovany  satria andro iray no nanaovany ireo rangondrangotra. Nolavin'ny tafika ilay fampakàrana natao.

Nandiso fanantenana [6] ireo mpikatroka mafàna fo marobe sy ireo mpandresy lahatra momba ny zon'olombelona, izay manao fanentanana mba hanafahana azy, ny vaovao momba ny mety hijanonan'ilay zokiolona Opas mandritry ny fotoana ela any am-ponja.

Nanomboka [10] fanentanana iray tamin'ny fampahafantarana ny tenifototra ‘Free Opas / Afaho i Opas’ tao amin'ny Facebook i Nithiwat Wannasiri, mpikatroka mafàna fo no sady mpiangaly mozika miaina an-tsesitany :

Izaho dia olom-pirenena Thai izay mino fa i Dadatoa Opas dia iray amin'ireo mpiara-miasa amiko izay mbola miaina sy tsy tokony ho alefa any ambadiky ny tsatoka vy amin'izao taonany izao noho io fiampangàna kidaladala io. Tsy misy firenena maharaka fandrosoana izany ka handeha hanenjika olona iray “nanoratra tany anaty trano fidiovan'ny toeram-pivarotana lehibe iray rangodrangotra mamely ireo olona fanta-bahoaka eo amin'ny fitondrana”

Mety ho afaka handany ny andro sisa iainany amin'ny maha-olompirenena zokiolona azy ety ivelan'ny helon'ny fonja i Dadatoa Opas noho ny felan-tànanao na ny fanohanana amin'ny fanelezana ny tantarany sy fampahafantarana izao tontolo izao ny fitratrevatrevan'ny fitondra-miaramila Thai.

Tafita taminà vondrona maro tany amin'ny faritra Azia-Pasifika ny hafany, izay nanome aingam-panahy ho an'ireo Maleziana sy Indoneziana mpikatroka mafàna fo mba hampiakatra sary maneho fanohanana an'i Opas. Ireto ambany ireto ny sasantsasany tamin'ireo sary ho fanehoana fanohanana ilay fanentanana ‘Free Opas’ :

An Indonesian activist shows support for Opas. Photo from the Facebook page of Yohana Sudarsono [11]

Indoneziana iray mpikatroka mafàna fo maneho ny fanohanana an'i Opas. Sary avy amin'ny pejy Facebook  Yohana Sudarsono

An Indonesian activist expresses support for Opas. Photo from the Facebook page of Yohana Sudarsono [12]

Indoneziana iray mpikatroka mafàna fo maneho fanohanana an'i Opas. Sary avy amin'ny pejy  Facebook  Yohana Sudarsono

Union workers from Serbuk Honda in Indonesia call for the release of Opas.  Photo from the Facebook page of Yohana Sudarsono. [13]

Mpiasa mpikambana anaty sendikà ao amin'ny  Serbuk Honda any Indonezia mitaky famotsorana an'i Opas. Sary avy amin'ny pejy Facebook  Yohana Sudarsono.

A Malaysian activist joins the 'Free Opas' campaign. Photo from the Facebook page of Yohana Sudarsono. [14]

Maleziana iray mpikatroka mafàna fo manatevina laharana ny fanentanana ‘Free Opas’. Sary avy amin'ny pejy Facebook  Yohana Sudarsono.

Nandritra ny fitànana azy, nanoratra hira iray i Opas , nomeny lohateny hoe ‘Status Quo’ [15] izay taratry ny zavatra niainany tany am-ponja :