- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Horohorontany Mahafaty Nanana Hery 7.5 Nampihovitra An'i Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Afganistana, India, Pakistana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina
The Hindu Kush region, where the epicentre of the earthquake was. The mountain ranges mainly run thru Afganistan and Pakistan. Image from Flickr by LensNMatter. CC BY [1]

Ny faritra Hindou Kush, foiben'ilay horohorontany. Tandavan-tendrombohitra mamakivaky indrindra an'i Afganistana sy Pakistana. Sary Flickr an'i LensNMatter. CC BY

FANAVAOZANA

Nihoatra ny 200 ny isan'ny maty [2] tamin'ilay horohorontany androany (26-Okt) tao Pakistàna, araka ny voalazan'ny BBC.  231 no maty ary an'arivony no naratra [3] hoy ny tatitr'ireo fantsom-baovao avy ao an-toerana

tafakatra ho 263 no isan'ny maty, fanavaozana tamin'ny vaovao 11 ora alina

Aorian'ny Google, nanomboka ‘nametraka marika’ ihany koa tao amin'ny Facebook ny olona mba hampahafantarana ny namany sy ny fianakaviany hoe tsy naninona izy ireo.

Nasian'ny Facebook bokotra ‘Mariho hoe tsy naninona ianao’ ho an'ilay horohorohontany tao Afganistàna, Pakistàna, India

Ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi, ny Filoha Afghana Ashraf Ghani ary ny Praiminisitra Kanadiana koa dia efa samy naneho hevitra tety anaty media sosialy taorian'ilay horohorontany. Mandritra izany, raha niresaka tamin'ny media ny Praiminisitra Pakistane Nawaz Sharif dia nilaza fa nanafohy ny fivahinianany any Londona noho ilay loza voajanahary ary tokony ho tafaverina tsy ho ela ao Pakistàna.

Niresaka tamin'ny Praiminisitra Nawaz Sharif&naneho ny fiarahamiory noho ny famoizana aina tamin'ilay horohorontany. Nanolotra izay fanampiana rehetra azo natao avy aty India – Narenda Modi

Mivavaka ho an'ireo tra-doza tamin'ilay horohorontany mahery vaika androany tao AFG & ny faritra. Manombana ny zava-misy ry zareo. Efa an-dàlana ny asa fanampiana/famonjena

Vaovao tena ratsy avy any Afghanistàna & Pakistàna taorian'ilay horohorontany androany. Any amin'ireo vahoaka ao amin'ny faritra ny fisainana sy ny vavakay rehetra

Natokan'ilay Pakistane mpanao gazety, Shahzeb Khanzada, ho an'ilay horohorontany sy ny ‘resaka toetrandro’ na ny antony ‘ara-toetany’ ao ambadik'io ny fandaharany.

Tondradrano. Horohorontany. Haintany. Ezahanay ny mandresy lahatra an'i Pakistàna- ny fanjakana sy ny vahoaka – hoe olana ilain-dry zareo banjinina ny resaka fiovaovàn'ny toetrandro

Tonga avy any amin'ireo olo-malaza ao India sy Pakistàna ihany koa ireo bitsika fiarahamiory.

Vavaka sy fankaherezana ho an'ireo izay niharan-doza tamin'ilay #horohorontany androany

Ho an'ireo fianakaviana namoy havana tamin'ilay horohorontany tao Afghanistàna ny vavaka sy ny fangorahako

Tena malahelo noho ireo aina nafoy tamin'ilay horohorontany. Mivavako ho an'ny rehetra – Ali Zafar

Vavolombelona nanatrika ny faran'izay henjana tamin'ny #HorohorontanyTaoPakistàna, Mivavaka ho an'ireo rehetra niharan'ilay #horohorontany androany. Ho eo ambany fiahian'i Allah daholo ny rehetra

Tena nanohina antsika rehetra tokoa ilay horohorontany androany ary miaraka ory amin'ireo olona namoy havana ny tenako. Tena ketraka

Tamin'ny vaovao farany, noho ny mety mbola hisian'ny fihetsehana taorian'ilay horohorontany dia mitohy mikatona rahampitso (27 Okt) ireo sekoly any amin'ireo faritra niharan'ilay horohorontany, hoy ny media ao an-toerana:

Mitohy mikatona rahampitso ireo toerana fampianarana any amin'ireo faritra niharan'ny horohorontany

TAPITRA ETO NY FANAVAOZANA

Nisy horohorontany mahery vaika [2] namely ny ilany avaratr'i Afghanistàna androany maraina be (26 Okt) ary heno hatrany Pakistàna sy India ny fihovitrovitra. Tany amin'ny tandavan-tendrombohitra Hindou ao amin'ny faritra Kush no nisy ny foiben'ilay hovitrovitra nanana tanjaka 7.5, any amin'ny 45 kilometratra (28 maily) atsimo-andrefan'i Jarm, Afghanistàna, hoy ny tatitry ny masoivoho Amerikana mpanaramaso (US Geological Survey).

Tamin'ny fotoana nanoratana, olona 180 no voalaza fa namoy aina [23] tany amin'ilay faritra, ka 145 to Pakistàna ary 33 tao Afghanistàna.

Taorian'ilay horohorontany, nanomboka nanondraka ny aterineto ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo nahita maso mivantana, hatramin'ireo fitserana avy amin'izao tontolo izao:

#AFG iray amin'ireo zava-niainana tena nampivarahontsana indrindra. Nihitsoka tanaty tranobe nandritra io horohorontany goavana io, izay no niainako

Tena hovitra mahery vaika no tsapa aty #Kabul – soa fa tsy ela. Fa nampivarahontsana kely ihany raha naharitra. Efa OK izao

Toa hoe namely an'i Pakistàna koa ilay horohorontany. Nandeha kely ihany. Saritaka, tapaka ny jiro aty #Kabul

Navoaka ny olona tamin'ireo birao tao #Karachi taorian'ilay #Horohorontany nirefy 7.7 namely an'i Pakistàna

Ny fiarandalamby ambanin'ny tany ao #Razalpindi nandritra io fotoan'ny horohorontany io

Betsaka ireo mpampiasa Twitter no nanaparitaka ny fomba atao mba ho hieren-doza rehefa misy ny horohorontany mamely.

Ato ireo torohevitra tsotsotra hiatrehana ny horohorontany

Inona no atao mandritry ny #horohorontany iray. Miangavy, zarao.

Nametraka tetiandro ny tranokala Pakistane iray mba hanangonana ireo horohorontany nahafatesana olona be indrindra tato anatin'ny 30 taona farany [45]. Ilay androany anefa no iray isan'ny nahery vaika indrindra namely an'i [46] Pakistàna.

Asehon'ity lahatsary nakarina tao amin'ny Facebook [47] ity ny fikipilipilin'ny fitaovana fanodinan-drivotra ery amin'ny valin-drihana rehefa injay namely an'i Pakistàna ilay horohorontany mahafaty nitranga androany maraina.

Nolazain'ireo nahita maso tamin'ny vaovaon'ireo fantsom-pahitalavitra fa naharitra segondra maro, tena maro ny fihovitry ny tany teo ambany tongotr'izy ireo.

Horohorontany goavana re tany amn'ny F11 Islamabad. Nasaina nialàn'ny olona ireo tranobe. Vahoaka mihiaka miantso ny Allah o Akbar.

horohorontany goavana namely an'i Pakistàna tanindrazanay. Ho an'ireo fianakaviana any ny vavaka sy ny fanirianay rehetra. Allah anie hiaro antsika rehetra. Ameen

Noho ny otantsika dia mamely ny #horohorontany, noho izany tanisao ny Astaghfar ary mitalahoa amin'i Allah hamela ny helotsika. Allah no tena mihaino.

Nandre ny horohorontany goavana tany Pakistàna, Afghanistàna&India. Ho an'ny filaminantsaina & fiadànan'ny tsirairay ny vavakay. Allah anie hiantra ny rehetra

Taorian'ilay horohorontany, tapaka ny tambajotran'ny antso an-tariby, finday sy aterineto tany amin'ny faritra sasany :

Nandritry ny 20 minitra dia nijanona tapaka ny tambajotra finday tao Delhi. Matahotra aho hisaintsaina ny zavatra hitranga rehefa indray hamely anay ny loza mahafaty

Tsy misy tambajotra finday

Tsy hianjera/hirodana mora foana izany ireo andry avon'ny fifandraisandavitra. Tsy afaka idirana ireo tambajotra satria tena misy ny fibahànana atao aminy (fibahànana fantsona ataon'ny TCH)

Tafaverina ny tambajotra finday ao #srinagar

Mandeha ho azy ny hoe  miantso HAINGANA ARAKA IZAY AZONY ATAO ireo namana sy havany ny olona satria goavana be ilay horohorontany. Tototra tanteraka ny tambajotra finday iPAK

Nambaran'ny Google fa nitariny ny tolotra fanaony Person Finder – Fitadiavana Olona ho an'i Pakistàna sy Afghanistàna taorian'ilay horohorontany:

Te-hamantatra na hitatitra ny misy ny olona iray ao amin'ny Fitadiavana Olona ao amin'ny Google mba hanampiana hitady ireo olona tsy hita