- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanzaniana Roa Lahy Nampangaina Ho Nandefa “Vaovao Tsy Marina”, Miatrika Fanamelohana Araka Ny Lalàna Vaovao Mifehy Ny Heloka Bevava Amin'ny Aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Parades in the Amani Stadium mark the 40th anniversary of Zanzibar's 1964 revolution on 12 January 2004. Photo by Vincent van Zeijst via Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

Ireo matso tao amin'ny Kianjan'i Amani manamarika ny faha-40 taonan'ny revolisiona Zanzibar ny 12 Janoary 2004. Sary an'i Vincent van Zeijst avy amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0)

Olom-pirenena Tanzaniana roa no nohelohina araka ilay Lalàna vaovao Momba ny Heloka Bevava atao amin'ny Aterineto [1] ao amin'ny firenena noho ny fandefasana vaovao izay voalazan'ireo tomponandraikitra ho “vaovao diso” tamin'ny media sosialy. Izy ireo no olona voalohany niharan'ilay lalàna hatramin'ny namoahan'ny Parlemanta Tanzaniana azy, ny volana Aprily 2015.

Noezahina nosoratana ilay tolo-dalàna mba hanakànana ny resa-betaveta atao amin'ny ankizy, ny fampitahorana amin'ny aterineto, ny fisandohana anaty tambajotra, ny votoaty misy fanavakavahana sy fankahalàna vahiny amin'ny aterineto, ireo hafatra tsy niriana (i.e spam), ireo fanapaingorana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, ary fandefasana vaovao tsy marina. Na teo aza ny tsikera avy amin'ireo mpanao politika mpanohitra, ireo mpanao media sosialy, mpamatsy vola sy mpiaro ny zon'olombelona, natosika tamin'ny alàlan'ny parlemanta ihany ilay volavolan-dalàna na dia zara raha nisy fifanakalozana na adihevitra kely aza. Nosoniavin'ny [2] Filoha Jakaya Kikwete ho lalàna izy io ny volana May 2015.

Benedict Angelo Ngonyani, 24 taona,  mpianatra ao amin'ny Ivontoerana momba ny Teknolojia ao  Dar es Salaam no voampanga [3] ny 9 Oktobra teo noho ny famoahana ireo zavatra izay “diso na tsy voamarin'ireo tomponandraikitra mahefa” tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook, milaza fa Ny Lehiben'ny Hery Fiarovan'i Tanzania, General Davis Mwamunyange, dia nampidirina hopitaly vokatry ny fihinanana sakafo voapoizina.  Lazain'ireo tompon'andraikitra fa nalefan'i Ngonyani  io vaovao io na fantany aza fa diso. Notànana tao amin'ny paositry ny mpitandro filaminana izy mandrapaha-pitondra azy ho eny amin'ny fitsaràna ny 23 Oktobra 2015.

Voaantso [4] tao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny faritr'i Dodoma i Sospiter Jonas ary voampanga ho “nampiasa tsy araka ny tokony ho izy ny Aterineto”. Nandefa hafatra tamin'ny pejy Facebook izy nilaza fa “ho lasa mpitory filazantsara fotsiny” ny Praiminisitra Tanzaniana Mizengo Pinda. Hiseho fitsarana indray i Jonas ny 19 Oktobra 2015 izao.

Lazain'ireo mpanohitra ilay Lalàna momba ny Heloka atao amin'ny Aterineto [5] fa manome fahefana betsaka ho an'ny mpitandro ny filaminana ilay lalàna – tsy misy fanarahamaso hentitra – sahala amin'ny fahafahana mikaroka ny tranon'ireo ahiahiana ho mpandika lalàna, mihazona ireo fitaovana elektronikan'izy ireny, ary mangataka ny angon-drakitr'izy ireny avy amin'ireo mpanome tolotra ety anaty aterineto. Nambaran'izy ireo ihany koa [6] fa ny mpitandro  filaminana na ny  fanjakana dia afaka mampiasa ny fahefany mba hampihorohoroana ireo mpikatroka mafana fo ety anaty aterineto na mpampiasa ireo media sosialy, tahàka izay hita maso amin'ireo raharahan'i Jonas sy Ngonyani.

Araka ny voalazan'ny fanjakana, efa nandika ny Andininy faha-16 amin'ilay Lalàna momba ny Heloka bevava atao amin'ny aterineto ireo lehilahy roa ireo, izay mandrara ny “famoahana vaovao tsy marina”. Vitsivitsy ihany amin'izao fotoana izao no fantatra momba ny raharahan'izy ireo.