- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Siansa, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
Its not snow covered waters it is foam covered waters! Its the way water flows in the 130yrs old Bellandur lake! The place had a heavy pungent smell. Image from Flickr by Kannan B. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Tsy ranomandry io, fa roatra mandrakotra ny rano. Io no fomba fikorianan'ny rano ao amin'ilay farihy Bellandur efa ho 130 taona. Mamoaka fofona manempotra be ilay toerana. Sary avy amin'ny Flickr-n'i Kannan B. CC BY-NC-ND 2.0

Tsia, tsy misy ranomandry akory ao Bangalore. [2] Fa raha ny marina dia roatra feno poizina ireo mitsingevana eny ambonin'ilay farihy faran'izay voaloto ao amin'ny tanàna fahatelo midadasika indrindra ao India.

Miforona betsaka avy ao amin'ny farihy iray antsoina hoe Bellandur [3] ireo roatra ireo, izay efa ela no nanariana tao aminy tsy am-piheverana ny rano maloto sy loto simika tsy nasiana fikarakaràna. Rehefa mirotsaka ny orana, mamorona sosona roatra matevina eo amboniny ilay farihy misy poizina, izay mazàna no entin'ny rivotra, mandefa sy manaparitaka azy eny amin'ireo toerana manodidina ilay farihy.

Rano feno amôniaka, fôsfaty, tsy ampy oksizena, miteraka roatra faran'izay #manapoizina ao #bangalore no hitanareo

Tena marina ve izao? Eto an-tany ve isika izany sa any amin'ny helo no miaina e? Mampahatahotra. Ary dia tena faran'izay mahavoa tahaka izany koa ireo fahalotoana tsy hita maso eny amin'ny rivotra

‘Ranomandry voapoizina’

Bangalore, fantatra fahizay ho “tanànan'ireo farihy an'arivony”, ankehitriny efa zara raha ampolony sisa no farihy velona [10]. Ny ankamaroan'ireny rano ireny no misy fifandraisany, saingy tsy misy renirano akaikiny mba hivarinan'ny rano sy ny loto. Nisy fiantraikany goavana teo amin'ny tarehimarika momba azy ireny ny fihazakazaky ny fanitàrana tanàn-dehibe, ary ankehitriny, eo amin'ny farihy 17 sisa no miasa, raha ampitahaina amin'ireo 51 ara-pahasalamana tamin'ny 1985.

Navadika ho toby fandraisana fiara fitaterana ny sasany tamin'ireny farihy ireny, na toerana filalaovana golf, kianja filalaovana na toeram-ponenan'ny mpanambola. Efa ho 500.000 metatra toratelo no fatran'ny rano raisin'ireo farihy ireo isanandro, izay ny betsaka aminy dia rano tsy nisy fikarakaràna mialoha avy amin'ireo trano sy ozinina manerana ny tanàna. Noho ny fandotoana, nahazo anaram-bositra vaovao i Bangalore: ilay “tanin'ireo siniben-drano maloto an'arivony.”

Tsy ranomandry ny ao Bangalore, araka izany dia fanovà-maso no omenay anareo avy eo amin'ireo farihinay mba hisy roatra toy ny ranomandry

Farihy Byramangala  ao Bidadi, mandroatra, noho ny fisian'ireo rano mikoriana rehetra ao Bangalore

Ny May 2015, nampakatra lahatsary [17] iray ho ao amin'ny YouTube i Life In Bangalore nanehoany ny fomba fitsingevan'ireo roatra maloto ao amin'ny farihy Bellandur :

Debasish Ghosh, matianina amin'ny IT sady mpakasary avy ao Bangalore, namoaka andrana saripika tao amin'ny “the Guardian” [18]. Ho azy dia :

Mibaby roatra matevina toy ny ranomandry ankehitriny ny farihy Bellandur, ao amin'ilay renivohitra teknolojikan'i India,izay manentsina ireo fantsona tsy lavitra azy. Taorian'ny oram-batravatra, tafakatra ambony be ny haavon'ilay roatra tonga tany amin'ireo fantsona ka lasa hatreny amin'ny arabe ary niteraka fanelingelenana ho an'ireo mpifamoivoy mampiasa kodiarandroa.

Io roatra io, izay mendrika ny hojerena akaiky raha tsy noho izy mandefa fofona manempotra, ary mampamaivay ny hoditra raha voakasika. Na ireo mponina ao aza dia naneho ny ahiahin-dry zareo tamin'ny manampahefana, tsy nandray fepetra mifanaraka amin'ny tokony ho fisorohana ny olana ny governemanta.

Ny May, tany aminà farihy roa nirehitra ireo roatra fotsy [19] noho ny haavon'ny loto indostrialy tao anatin'ny rano, isan'izany ny ‘detergent’, ny menaka ary ny tavy.

Inona no hiseho?

Mba hanerena ny governemanta mba hampiato ny fandotoana ary hanadio ireo farihy ireo, pejy Facebook iray antsoina hoe Save Bellandur, Save Bangalore [20] (Vonjeo Bellandur, Vonjeo Bangalore) no miezaka manandratra ny feon'ireo mponina ao an-toerana. Navoakan'i Sanchita Jha [21] ireo teboka famintinana ny fivoriana iray [22] tamin'ny 11 Oktobra 2015, natrehan'ireo mpikatroka mafàna fo an-jatony sy ireo mpkambana avy amin'ny gazety ao an-toerana, izay manasongadina fa :

* efa nisy fiforonana [roatra] matevina tany amin'ny taona 2000
* Mihoatra ny 40% amin'ny loto avy ao Bangalore no mivarina ao anatin'ny farihy Bellandur amin'ny alàlan'ireo fantsona marobe fanarian-drano mivantana; ireo fantsona famoahana ranon'orana (SWD) feno ireo fako simikan'ny indostria faohany eny amin'ny làlana lalovany avy any amin'ny faritra samihafa ao an-tanàna.
* Tsy miasa na tsy mahasehaka ny rano miditra ao aminy ireo toby fitrohana rano maloto hokarakaraina napetraka ho an'ny farihy Bellandur.
* Noho ny habeny sy ny haavon'ny fatran'ny loto ao amin'ny farihy Bellandur, dia mitohy tsy miraharaha/manao antsirambina/matahotra azy io ireo manampahefana ao amin'ny governemanta.
* Maloto ny rivotra ary noho ireo moka marobe avy amin'ilay farihy ihany koa, misy tatitra 5-10 isanandro momba ny fisehoana tranganà bemangovitra (Dengue).
* Tena ratsy ilay entona misy poizina manodidina ny farihy ka mahavita mamadika mihitsy ireo zavatra vita amin'ny vifotsy ho lasa mainty!

Nangatahan'i Sanchita ihany koa ny olona mba hanao sonia fanangonantsonia [23] iray sy hanely ny feo mba hampiatoana ilay fandotoana. Siddaramaiah, praiminisitra ao Karnataka, farany namaly [24] sy nanome baiko an'ireo manampahefana ao an-toerana mba hitsidika ilay toerana sy hitady vahaolana.

Efa niresaka tamin'ny BBMP Com aho & nangataka azy mba hanao dingana hampihenana amin'ny fomba maharitra ny fahalotoan'ny farihy Bellandur

Ny Karnataka State Pollution Control Board (KSPCB) – Filankevi-panjakana ao Karnataka misahana ny fifehezana ny fandotoana, dia nametraka [28] kaomity hisahana ny fiarovana ilay farihy hanerana ny tanàna, nampandraisana anjara ireo mponina ao an-toerana ho toy ny mpisehatra voalohany, hanao betsaka ho fampiatoana ny fandotoana. Saingy nampahatsiahivin'i Ashlesh Garate, [29] mponina ao Bangalore tao amin'ny pejiny Facebook fa tamin'ny 1999, nandidy ireo manampahefana mpiasam-bahoaka ny Fitsarana Antampony mba hanadio ny farihy Bellandur, saingy mbola mijanona ho maloto ihany ilay farihy 17 taona aty aoriana. Ho hita eo hafiriana no ilaina mba hanadiovana an'i Bellandur sy hampiatoana ny fandotoana ireo farihy hafa ao Bengalore.