Marlon James Mahatonga An'i Jamaika Ho Afaka Mirehareha Noho Ny Nahazoany Ny Loka Man Booker Ho An'ny Tantara Foronina

Jamaican novelist Marlon James at the Calabash Literary Festival in 2007. Photo by Georgia Popplewell, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Ilay jamaikana mpanoratra tantara, Marlon James, tao amin'ny Hetsika Fampisehoana Haisoratra tao Calabash tamin'ny taona 2007. Sary avy amin'i Georgia Popplewell, nampiasàna ny fahazoandàlana CC BY-NC-ND 2.0.

Tamin'ny taona lasa, taoriana kelin'ny nivoahan'ny boky vaovaon'ilay Jamaikana mpanoratra,  Marlon James,Tantara Fohy Momba ny Vono-Olona Fito“, tsaroako aho fa niresaka tamin'i Marina Salandy-Brown, ilay mpanorina ny NGC Bocas Lit Fest, iray amin'ireo hetsika fampisehoana haisoratra ankalazaina indrindra any amin'ny faritra Karaiba. Saika fanina tamin'ny famirapiratry ny sorany izy, ary nanao izao faminaniana mahagaga izao: “Mihevitra aho fa manana ny tena fahafahana hahazo Ny Loka Man Booker izy”.

Tamin'ny 13 Oktobra, nahazo ny loka Man Booker 2015 Ho An'ny Tantara Foronina tokoa i James.

Iray amin'ireo loka ara-literatiora malaza indrindra Ny Loka Man Booker. Ankoatra ny loka vola £50.000 izay omena miaraka aminy, manaiky ny tantara tsara indrindra amin'ny teny Anglisy isan-taona ny Man Booker — araky ny hevitry ny mpitsarany — izay mivoaka any Angletera.

Ampiasain'ny “Tantara Fohy Momba Ny Vono-Olona Fito” ny fikasana hamono an'i Bob Marley , fantatra amin'ny anarana hoe “ilay mpihira” manerana ny tantara, toy ny vatofantsika mba hijerena ny olana amin'ny firazanana sy ny saranga any Jamaika, ary koa ny fifandraisana ara-politika mifamatopatotra eo amin'ny Etazonia sy ny Karaiba izay nanampy hamorona nosy iray voasarika amin'ny adin'ny samy jiolahy sy ny herisetra mitam-piadiana. Natao tamin'ny fomba matotra ny boky, misy mpilalao mihoatra ny 75, ary mahery vaika, ny herin'ny tantara no nanosika ny mpitsara ny Man Booker naka fanapahan-kevitra niraisana tao anatin'ny ora roa latsaka.

Ianao no nahatonga ny faritra sy vahoaka iray ho afaka mirehareha

Faly tamin'ny vaovao ny mpampiasa media sosialy sy ny mpankafy haisoratra manerana ny faritra. Tao amin'ny Facebook, nahita ilay fandresena ho toy ny fahombiazana manan-danja ho an'ny faritra i Charlene Thompson:

Arahabaina ry Marlon James! Ianao no nahatonga ny faritra sy vahoaka iray ho afaka mirehareha! ‪#‎manbooker2015‪#‎jamaica‬ ‪#‎caribbeanrising‪#‎smallbuttallawah

Nanaiky ny maha-zava-dehibe ny fandresen'i James i ramatoakely Kitty The Fluffy Diva:

Mahazendana!!! Arahabaina ny mpanoratra Marlon James, Jamaikana voalohany nahazo ny loka Man Booker!!!
‪#‎BigDeal‪#‎Proud‪#‎JamaicaToDiWorl‬

Na i James izy tenany aza, tamin'ny lahatsoratra ho an'ny besinimaro tao amin'ny pejy Facebook-ny, tsy mbola tena nahatsapa ny zavatra vao nitranga. Nampiseho ny sarin'ny amboarany Man ​​Booker izy, ka naneho hevitra:

Diky masina.

Maro ny olona no niaiky ihany koa fa noho ny maha lehilahy Jamaikana pelaka azy, ny fandresen'i James dia fandresena koa ho an'ny hetsiky ny LGBT any Jamaika.

Mpanoratra feno mahatalanjona

Haingana ny bilaogera ara-literatiora any amin'ny faritra tamin'ny famoahana hevitra mikasika ny valisoan'i James, fa lasa lavitra ny Twitter izay nisian'ny ankamaroan'ny fifanakalozan-kevitra anaty aterineto. Talohan'ny fanambarana, ny naman'ny mpanoratra Sharon Millar nibitsika fa tao an-damosiny nanohana azy ny faniriana tsara avy amin'ny faritra:

Miorim-paka ho an'i @MarlonJames5 #ManBooker2015 #@ManBookerPrize i Karaiba manontolo

Nientana ny bilaogera Annie Paul monina any Jamaika raha nandre ny vaovao. Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny fety tao amin'ny nosy izy tao anatin'ity bitsika ity:

Manonona ny goavana Faith Smith tamin'ny fandresen'i @MarlonJames5 “Mihazakazaka haingana indrindra isika ary manoratra ny tsara indrindra! ” Woohoo! alefaso ry deh Marlon #ManBooker2015

Raha toa gaga i James fa izy tenany no nandresy, ny mpankafý azy tsy toy izany:

Tokony hahazo ny mari-pankasitrahana rehetra ny tantara rehetra izay manana ny sori-dàlana 》》Olona ratsy manana toerana ambony isika.《《 #MarlonJames #ManBooker2015

Tena mahazendana io fandresen'i #MarlonJames io!! Boky miandry fotoana malalaka eo ambony latabatra amin'ny sisim-pandrianako. Hankalaza ny fahombiazana lehibe any Jamaika aho mandritra izany fotoana izany!

TIAKO ny tetiandroko mimonomonona fitiavana ho an'ny mpanoratra feno mahatalanjona #MarlonJames , ao anatin'ny fanirian-daza sy ny fanatanterahana #ManBooker2015

Ohatra iray amin'ny fikirizana

Mpanoratra — mpanoratra ao  Karaiba sady natonta no nananinga fanahy  — naka am-po ny fahombiazan'i James:

“Folo taona lasa izay no nijanonako tsy nanoratra. Tantara iray izay in-70 nolavina tamin'izany …” Marlon James #ManBooker2015

Fotoana ahafahana miaina sy manoratra! #MarlonJames @ManBookerPrize

Fotoana ho an'ny hafaliana ihany koa. Tao amin'ny tenin'ny mpampiasa Twitter Rahawa Haile:

Miala tsiny aho raha mandany ny antsasak'adiny manaraka hitetezana hatramin'ny farany sy hankafizana ary manajambena ireo izay eo akaiky eo amin'ny hazavana mamirapiratra mivoaka avy amiko. #marlonjames

HBO efa nisafidy sahady ny “Tantara Fohy Mikasika Vono-Olona Fito” sy nieritreritra hamorona tantara mitohy amin'ny fahitalavitra. Fa mety ho ny boky no tianao hovakiana voalohany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.