Tantara tamin'ny 27 Oktobra 2015
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Tanzaniana Roa Lahy Nampangaina Ho Nandefa “Vaovao Tsy Marina”, Miatrika Fanamelohana Araka Ny Lalàna Vaovao Mifehy Ny Heloka Bevava Amin'ny Aterineto

Araka ny voalazan'ny fanjakana, efa nandika ny Andininy faha-16 amin'ilay Lalàna momba ny Heloka bevava atao amin'ny aterineto ireo lehilahy roa ireo, izay mandrara ny "famoahana vaovao tsy marina". Vitsivitsy ihany amin'izao fotoana izao no fantatra momba ny raharahan'izy ireo.
Voafonja Noho Ny Rangodrangotra Manaratsy Mpanjaka, Mahazo Tohana Ety Amin'ny Media Sosialy Ilay Thai Mpiangaly Mozika
Opas C, Thai 68 taona, manefa sazy an-tranomaizina mandritry ny telo taona noho ny nanoratany rangodrangotra manaratsy ny fitondràm-panjaka tany anaty trano fidiovan'ny toeram-pivarotana lehibe iray .
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Tantaran-Jazavavy Etiôpiana Nanohitra Ny Fakàna An-keriny, Sy Ny An'ireo Mpisolovava Nanavotra Ny Fiainany
Midika hoe "fahasahiana" ny "Difret" amin'ny fiteny Amharic. Sarimihetsika iray mitondra io anarana io no mitantara ny tantaran-jazavavy Etiôpiana iray izay nalainà lehilahy an-keriny mba hoterena hanaraka ny "fanambadiana" araka ny fomban-drazana.
‘Nilaza tantara mivelatra kokoa amin'ny firenenay ny nanagadrana anay': Eritreritra avy amin'ireo bilaogeran'ny Zone9 ao Ethiopia

"Ho an'ireo nanagadra anay izay nanome anay ireny fitsapana ireny, na tsy mangataka famelan-keloka aminay aza ianareo, indreto izahay."
Niteraka Tanàna Haolo ao Meksika Ny Varotra Rongony sy Ny Ady Amin'ny Fikambanan-jiolahy
Nahatonga ireo olona marobe voatery nifindra monina nandao ny tanindrazan'izy ireo ny fikambanan-jiolahy tao Meksika sy ny herisetra tamin'izany, ka lasa "tanàna haolo" ankehitriny ny toerana.
Horohorontany Mahafaty Nanana Hery 7.5 Nampihovitra An'i Azia Atsimo
Manodidina ny 180 ireo olona notaterina hoe maty tany amin'ny faritra.
Marlon James Mahatonga An'i Jamaika Ho Afaka Mirehareha Noho Ny Nahazoany Ny Loka Man Booker Ho An'ny Tantara Foronina
Bob Marley. Ny CIA . Politika. Adin'ny samy jiolahy. Inona no tsy misy ho tiana? Nihevitra izany ny mpitsara ny Man Booker Prize; nanonona an'ilay Jamaikana Marlon James ho nahazo ny loka amin'ity taona ity izy ireo.