- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Mampanantena Hanamafy Ny Sivana Antserasera i Oganda

Sokajy: Oganda, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava
Telco ad on a van in Kampala, Uganda. Photo by futureatlas.com via Flickr (CC BY 2.0)

Dokambarotry Telco amin'ny fiara ao Kampala, Oganda. Sary avy amin'ny futureatlas.com tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.

Mandoko ny sary manjombon'ny tontolon'ny fanehoan-kevitra antserasera ao amin'ny firenena ireo andian-tantara vao haingana momba ny politikan'ny aterineto ao Oganda. Tamin'ny 6 Oktobra, nanambara drafitra [1]hanamafisana ny fitsipika vaovao mifehy ny fampiasana ny media sosialy ho an'ny Ongadey ny Minisitry ny Raharaha Anatiny James Baba. Vitsy no fantatra momba ilay fitsipika amin'izao fotoana izao, saingy toa hanohintohina ny tontolon'ny fanehoan-kevitra ao Oganda [2] ilay volavolan-dalàna. Miahiahy ireo mpisolovava ao amin'ny Unwanted Witness [1], fikambanana ao an-toerana misahana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny fa hanafangaro amin-tsakay ny lalànan'ny aterineto efa misy ao amin'ny firenena tahaka ny Lalànan'ny Fampiasana Ny Solosaina tsy araka ny tokony izy, lalàna miady amin'ny sary vetaveta sy ny Lalànan'ny Fifandraisana ilay lalàna.

Mandritra izany, mampiseho ny fikarohana vaovao [3] avy amin'ny vondrona mpisolovava miaro ny Fiainana Manokana Iraisam-pirenena ao Londra fa nividy rindrambaiko fitsikilovana henjana [4]FinFisher ny governemanta Ongadey mba hihaino ny resaka amin'ny fifandraisan'ireo mpanao politika mpanohitra sy ny mpanohana azy, ny mpanao gazety ary ny mpikatroka. Mampiseho ny fanadihadiana fa nanatontosa Hetsika Fungua Macho (“sokafy ny masonao”) ny Filoha Yoweri Museveni ho setrin'ny korontana ara-politika mieli-patrana izay nipoaka tamin'ny voalaza fa noho ny kolikoly, herisetran'ny polisy, ny fidangan'ny vidim-piainana taorian'ny fifidianana 2011.

Tsy mahagaga ny mpanao gazety Ogandey [5]sy ny mpiaro ny fahalalahan-gazety izay niatrika hatrany ny herisetra sy ny fandrahonana ara-pitsarana [2]avy amin'ny manam-pahefana noho ny tatitra avoakan'izy ireo izany vaovao izany.

Bilaogera Etiopiana afaka madiodio tamin'ny fiampangana fampihorohoroana, saingy mitohy ny tolona

Taorian'ny 18 volana tany am-ponja, efatra tamin'ireo bilaogeran'ny Zone9 ao Etiopia no noafahana madiodio tamin'ny fiampangana fampihorohoroana [6]natao noho ny fanoratan'izy ireo lahatsoratra miresaka olana ara-tsosialy sy ara-politika ao Etiopia. Navotsotra tamin'ny 19 Oktobra izy ireo, raha navotsotra tamin'ny 21 Oktobra kosa i Befeqadu Hailu rehefa nandoa onitra. Faly tamin'ny vaovao ny fiarahamonin'ny Global Voices ary nivonona hanohy hitolona [7]ho amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Etiopia sy manerantany. Navoitran'ny Global Voices ny maha zava-dehibe ny fanohanana ireo bilaogera sy manam-pahaizana momba ny teknolojia miatrika fiampangana heloka bevava ankehitriny ao Etiopia, tahaka an'i Zelalem Workagenegu [8], bilaogera naiditra am-ponja rehefa nameno taratasy fangatahana handray anjara amin'ny fiofanana momba ny media sosialy sy ny fitaovana nomerika.

Nisambotra mpikatroka hafa noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook i Myanmar

Nosamborina ny olompirenena Myanmar iray [9]tamin'ny 15 Oktobra rehefa nizara sarina lehilahy manitsakitsaka ny sarintavan'ny komandin'ny tafika Min Aung Hlaing tao amin'ny Facebook. Nitafy longyi miendrika Kachin ilay lehilahy, akanjo mitovy amin'ny sarong nentim-paharazana fitafin'ny faritra vitsy an'isa ara-poko ao Kachin, izay misy ny hetsika fahaleovantena mitam-piadiana [10]nanomboka tamin'ny taona 1940. Nilaza tamin'ny gazetim-paritra The Irawaddy [9] ny polisy fa voampanga teo ambanin'ny lalànan'ny Fifandraisandavitra ao Myanmar i Patrick Khum Jaa Lee, vadin'ilay mpikatroka am-pilaminana sy ny zon'ny vehivavy fanta-daza ao Kachin, May Sabe Phyu taorian'ny nitorian'ny kolonelin'ny miaramila azy

Manaikitra ny lalànan'ny aterineto vaovao i Tanzania

Manandrana ny Lalànany mifehy ny Heloka amin'ny aterineto lany [11]vao haingana i Tanzania, niampanga olom-pirenena roa noho ny votoaty tao amin'ny Facebook [12]. Tamin'ny tranga iray, mpianatra iray no voampanga noho ny fandefasana vaovao izay voalaza fa “diso na tsy voamarin'ny manampahefana tompon'andraikitra.” Milaza ilay vaovao fa naiditra hopitaly ny filohan'ny Tafi-piarovana ao Tanzania rehefa nihinana sakafo nisy poizina. Tamin'ny tranga hafa, voampanga noho ny “fampiasana ny aterineto tsy araka ny tokony izy” ilay olona noho ny votoaty navoakany fa “ho lasa mpitoriteny ara-pilazantsara ny praiminisitr'i Tanzania.” Kely dia kely ny vaovao fantatra momba ireo raharaha ireo hatramin'izao.

Mitandrema amin'ny polisy vaovaon'ny aterineto ao Okraina

Hametraka sampan-draharaha manokana [13]hisahana ny fanakanana ny fandrahonana antserasera sy hisambotra ireo mpanao heloka eo amin'ny tontolon'ny vaovao ireo andiana fampiharana ny lalàna ao Okraina. Tamin'ny fanambarana tao amin'ny Facebook, [14] nilaza ny minisitry ny Atitany Arsen Avakov fa hisahana ny Aterineto sy ny heloka nomerika ireo manampahefana polisin'ny aterineto, tafiditra amin'izany ny fitaka, ny fahatratrarana  vola, ny fisolokiana karatra, ny fisolokiana (amin'ny mailaka), ny famotsiam-bola an-tserasera, ny fanaovana piraty nomerika, ny fizarana karatra, ny rindram-panimbana ary eny fa na dia ireo heloka tsy dia azo porofoina mivaingana tahaka ny social engineering.

Fikarohana vaovao

Nanampy nanatontosa ity lahatsoratra ity i Ellery Roberts Biddle [17], Hae-in Lim sy Sarah Myers West [18].

Misorata anarana amin'ny alalan'ny mailaka ao amin'ny Netizen Report [19]