- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitsipaka Ny Didim-pitsarana Voalohany, Namonjy Vehivavy Nijangajanga Voaheloka Hotoraham-bato Ny Fitsarana Tampony

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Jumhooree Maidan (Independence Square). Male's central square with the giant flagpole and the Shaheed Hussain Adam Building in the background, Male. Image from Wikimedia Commons by Jpatokal. CC BY-SA [1]

Jumhooree Maidan (Kianjan'ny Fahaleovantena). Kianja foibe Male miaraka amin'ny sainam-pirenena sy ny Tranoben'i Shaheed Hussain Adam ao ambadika, Male. Wikimedia Commons avy amin'i Jpatokal. CC BY-SA.

Nandray fepetra haingana ny Fitsarana Tampony ao Maldives mba hitsipahana ny didim-pitsarana hamono ho faty vehivavy iray noho ny fijangajangana. Voasazy hotoraham-bato ho faty [2]ilay vehivavy. Araka ny filazan'ny Fitsarana Tampony, nanitsakitsaka [3] ny “dingana ara-dalàna sy ny ara-pitsarana tokony arahina amin'ny raharaha tahaka izao” ny didy navoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany.

Vondronosy ahitana nosy maherin'ny 1.110 ao amin'ny Ranomasimbe Indianina ary manana  mponina eo amin'ny 400 000 [4] eo ny Repoblikan'i Maldiva.

Tamin'ny Alahady 18 Oktobra 2015, nanameloka ho faty vehivavy iray [5] (renim-pianakaviana manan-janaka tsy latsaky ny dimy) amin'ny alalan'ny fitoraham-bato ny mpitsara ao amin'ny nosy mitoka-monina Gemanafushi (400 kilaometatra atsimon'ny renivohi-pirenena, Male). Araka ny tatitra avy amin'ny tranonkalam-baovao Haveeru [6], niaiky ny helony ilay vehivavy rehefa niteraka ivelan'ny fanambadiana. Ao Maldiva, sazy 6 hatramin'ny 24 volana an-tranomaizina ny sazy mahazatra amin'ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna, arakaraky ny hoe manambady sa tsia ny voampanga.

Niteraka fahagagana sy fahatezerana tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny vaovaon'ny fanamelohana ho faty :

Andro mampalahelo voalohany ho an'ny Maldiva tao anatin'ny 800 taona maherin'ny tantaran'ny silamo ao Maldiva no misy vehivavy voaheloka ho faty amin'ny alalan'ny fitoraham-bato

Mihevitra hiala sasatra ao Maldiva? Aza mankaty, raha tsy hoe manaiky ny fitoraham-bato ny vehivavy ho faty

Volan-tantely mihaja ao amin'ny nosy iray, hazakaza-basy ao amin'ny manaraka, fitoraham-bato vehivavy amin'ny manaraka, fisintahan'ny andian-jiolahy amin'ny manaraka, tobin'ny jihadista amin'ny manaraka.

Nanoratra tao amin'ny Facebook, namariparitra ny fahasorenany tamin'ny didim-pitsarana sy ny “horohoro” ho avy i Amani Naseem [13] :

First time in the history of Maldives a woman has been sentenced to death by stoning, it is a very sad and shameful day.

I wish I could be in Malé to protest this horror. Please don't let them kill her!.

Voalohany teo amin'ny tantaran'ny Maldives no misy vehivavy voaheloka ho faty amin'ny alalan'ny fitoraham-bato, andro tena mampalahelo sy mahamenatra izany.

Tiako raha tonga ao Malé aho mba hanohitra ity horohoro ity. Azafady, aza avela hamono azy izy ireo!.

Araka ny tatitra [5] tamin'ny gazety antserasera tsy miankina ao Maldiva, navoaka teo ambanin'ny fizarana 1205 amin'ny fehezan-dalàna famaizana ny didim-pitsarana, izay milaza fa ny sazy amin'ny Sharia Islamika dia tsy maintsy ampiharina amin'ny olona hita fa meloka ankoatra ny fisalasalana fa nahavita heloka izay voasoratra ao amin'ny lalàna Sharia ny sazy, “ny sazy voasoratra ao amin'ny Korany ihany no navelan'ny fehezan-dalàna famaizana taloha ampiharina ary tsy misy firesahana fitoraham-bato ao amin'ny Korany.

Ny rafitra fehezan-dalàna famaizana Maldiviana dia nifototra amin'ny Lalàna Sharia Islamika [14] miaraka amin'ny fifangaroana lalàna iombonana Anglisy. Mametra ny sazy toy izao manaraka izao ny Fitsarana Maldiviana:

1. Fines
2. Compensation payment
3. House Arrest, Imprisonment
4. Flogging
5. Banishment to remote island

1. Lamandy
2. Fandoavana onitra
3. Fanagadrana amin'ny trano ambenana, Fanagadrana
4. Kapoka karavasy
5. Fandroahana any amin'ny nosy lavitra

Araka ny fanitsiana ny lalàna vao haingana [15], tsy maintsy ampandalovina any amin'ny Fitsarana Tampony ny raharaha rehetra raha melohina amin'ny fandikan-dalàna mahazo sazy voasoratra ao amin'ny Sharia Islamika ny voampanga.

Iyaz [16], mpikambana zokiolona ao amin'ny Antoko mpandala ny nentin-drazana ara-pivavahana Adhaalath, nidera [3] ny “herim-po”-n'ny mpitsara tao amin'ny fitsarana, izay nandidy ho faty amin'ny alalan'ny fitoraham-bato ilay vehivavy janga.

Hoy ny Hetsika Demokratika Laika [17] tao amin'ny Facebook:

Death by stoning: Literature shows that not all Islamic scholars agree on the penalty of death by stoning, sanctioned for hadd or hudud offenses.

Fahafatesana amin'ny alalan'ny fitoraham-bato: Mampiseho ny haisoratra fa tsy ny manam-pahaizana Islamika rehetra no miombon-kevitra amin'ny sazy fanamelohana ho faty amin'ny fitoraham-bato, voasazy noho ny fandikan-dalàna hadd na hudud (lalàna Sharia).

Feom-behivavy [18], fikambanana miaro ny zon'ny vehivavy nilaza hoe:

This sentence comes at a time of increased national and international pressure on the government of Maldives regarding conduct of the judges, questionable judicial impartiality, arbitrariness and general lack of confidence in the judiciary of Maldives

Mifanandrify amin'ny faneren'ny ao amin'ny firenena sy iraisampirenena amin'ny governemantan'i Maldives eo amin'ny fitondratenan'ny mpitsara, ahiahiana ho manao fitongilanana ara-pitsarana, mikendry olona manokana ary tsy itokisana ny rafi-pitsarana ao Maldives ity didy ity

Mbola misy firenena 15 [19]mampihatra na mamela amin'ny fomba ofisialy ny fitoraham-bato ho faty ny vehivavy izay manao firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana.

Nivoaka avy ao amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy naharitra ampolo taonany i Maldiva tamin'ny taona 2008, raha nahita lalàmpanorenana demokratika vaovao sy fifidianana voalohany andraisan'ny antoko maro anjara, izay nahavoafidy an'i Mohamed Nasheed ho filoha. Saingy niatrika fihemorana [20] ny fiampitan'ny firenena ho any amin'ny demokrasia tamin'ny 2012, rehefa voatery niala tamin'ny toerany noho ny fikomiana, izay antsoin'ny sasany fa fanonganam-panjakana ny governemantan’ i Nasheed. Nitondra an'i Abdulla Yameen Abdul Gayoom teo amin'ny fahefana ny fifidianana vaovao, izay tsy iza fa rahalahin'ny mpitondra teo aloha Maumoon Abdul Gayoom ihany, izay nitondra an'i Maldiva nandritra ny telopolo taona miaraka amin'ny mpiaradia amin'ny antoko politikany  ny antoko politika Islamika Adhaalath [21] miha-matanjaka hatrany, hatramin'ny taona 2008 ,.

Maldives police drag former president Mohamed Nasheed into court. Image by Shirukhan Adam. Copyright Demotix (23/2/2015) [22]

Notaritaritin'ny polisin'i Maldiva tamin'ny tany ho any amin'ny fitsarana ny Filoha teo aloha Mohamed Nasheed. Sary avy amin'i Shirukhan Adam. Copyright Demotix. 23 Febroary 2015.

Tamin'ny volana Martsa lasa teo, naiditra am-ponja mandritra ny 13 taona ny Filoha Mohamed Nasheed, rehefa voaheloka teo ambanin'ny lalàna manohitra ny fampihorohoroana ao amin'ny firenena noho izy nanome baiko fisamborana mpitsara voalaza fa mpanao kolikoly tamin'ny 2012.

Nilaza ny tatitra [20] fa miditra moramora any amin'ny tsirefesimandidy ny firenena.

Velezinee Aishath [23]nanoratra tao amin'ny Facebook:

Supreme Court nullification of sentence to stone a woman to death shows;
1. Gov can, and do, order SC what to do.
2. Gov is feeling international pressure and don't want any more trouble.

Mampiseho ny fanafoanan'ny Fitsarana Tampony ny didim-pitsarana hitora-bato ho faty vehivavy fa;
1. Afaka manao izany ny governemanta ary manao izany, manome baiko ny Fitsarana Tampony izay tokony atao.
2. Mahatsapa ny fanerena iraisampirenena ny governemanta ary tsy te ahazo fahasahiranana intsony