- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraniana-Amerikana Filoha Vaovaon'ny Twitter, Ny Fanehoankevitry Ny Iraniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Etazonia, Iràna, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

 

IT Iran, a publication similar to the American Tech Cruch, announces the appointment of Iranian-American Omid Kordestani as the new Twitter Chairman.

“IT Iran”, famoahana boky mitovitovy amin'ny “American Tech Cruch”, dia manambara ny fanendrena an'ilay Iraniana-Amerikana Omid Kordestani ho filoha vaovaon'ny Twitter.

Nibahan-toerana tamin'ireo lohateny vaventy i Twitter noho ireo fiovàna tao aminy teo ambanin'ny fitarihana vaovao nataon'ilay mpanorina azy, Jack Dorsey. Anatin'ireny fanovàna ireny ny fanambaràna tamin'ny 14 Oktobra ny fanendrena ilay Iraniana-Amerikana, Omid Kordestani, ho Tale Mpanatanteraka ao amin'ny orinasa.

Tale mpanatanteraka tao amin'ny Google i Kordestani talohan'izao, nantsoina matetika hoe ny mpiasa faha-11 ao amin'ny orinasa. Talohan'ny nifindràny ho any California, teraka sy nitombo tany Iràna i Kordestani hatramin'ny faha-14 taonany.

Loharanom-baovao maro tony fihetsika sy mpankasitraka fiovàna no nandrakotra ilay vaovao, toy ny Shargh [1], niresaka ny zavatra efa vitan'i Kordestani fahiny, sy ny ISNA [2] izay niresaka ny karamany tsy nampoizina ho ambanin'ny karama voafetra ho anà Tale: 50.000 dolara amerikana.

Kanefa, naka endrika mahaliana kokoa tao amin'ny Twitter ny fifanakalozana hevitra teo amin-dry zareo Iraniana, nijereny tamin'ny antsipirihany amin'ny fomba fijery Iraniana.

Tranonkala iray malaza momba ny Teknolojian'ny Fampitambaovao ny IT Iran [3], mitovitovy amin'ny American Tech Crunch, no nalaky tamin'ny fanambaràna io vaovao io ho an'ireo Iraniana mpanjohy azy.

Androany no ambaran'i Jack Dorsey fa Omid Kordestani no hotendrena ho ao amin'ny fitantanana ny Twitter, ho Tale Mpanatanteraka.

Nibitsika i Sahand, mponina ao Shiraz, ary mpanentana fandaharana iray momba ny teknolojia ao an-toerana, hoe efa tsinjony nialoha ny fanambaràna tahaka io.

Efa nolazaiko fa i Omid Kordestani no safidy tsara ho an'ny Twitter

Iraniana iray hafa fantatra amin'ny anarana hoe Nahal, miaina aminà toerana iray tsy nolazaina, no nanipika hoe zavatra tokony hampirehareha ny Iraniana ilay fanendrena.

Fotoana indray hireharehana izao fa misy Iraniana iray (Omid Kordestani) lasa Talen'ny Twitter.

Haingana tamin'ny fanakianana ny fientanentanan'ireo media sosialy miteny Persiana momba ilay vaovao ilay Iraniana iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe “Qajar Girl”, tamin'ny fanindriana ny fifamatorana zara raha misy amin'i Kordestani sy ny Iraniana.

Tokony havelanareo any i Omid Kordestani. Na Iraniana iray aza tsy arahany. Azafady, aza dia mitabataba tahaka izao satria fotsiny hoe Iraniana izy. Misaotra.

Iraniana iray hafa mampiasa ny solonanarana Dash Meiti – kialalaonteny avy amin'ny “dash mashti,” anarana iray omena an'ilay jiolahy any atsimon'i Tehran ao anatin'ny sehatry ny tantara tsangana sy sarimihetsika Iraniana – nivazivazy sy nankalaza ny hoe mety hitondra ho any amin'ny fampiatoana ny Twitter i Kordestani.

Araka izany tsy tokony hidera an'i Omid Kordestani satria mety ho afaka hampiato ny kaonty Twitter-ntsika izy!

Ao anaty fanamarihana iray tena mahalaza ny Twitter ao Iràna, Sadjad Jahangard, Iraniana iray monina any Malezia no nanazava hoe mety hidika fanalàna ny sivana ho an'ilay sehatra izay efa fantatra mazava tsara ao Iràna io, amin'ny alàlan'ny fifamatorana ara-poko eo amin'ny Aryans, ilay foko mazàna ampifandraisina amin'ireo Iraniana.

Raha ny hevitro, miaraka amin'ity fanendrena an'i Omid Kordestani ho Talen'ny Twitter ity, midika fa fotoana ho an'i Iràna izao hanesorany ny fanivànana ny Twitter :)) Tsy maintsy minàmana amin'ny Aryan  ny Aryan :))