- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonambe Ho An'ny Fandriampahalemana Tao Ankara: Fipoahana Nahafatesana Olona 86 Raha Kely Indrindra

Sokajy: Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
16290014657_02e55dfc09_o [1]

Ankara – sary avy amin'i Jorge Franganillo. Creative Commons.

Fipoahana baomba roa no namely ilay famoriambahoaka ho an'ny fandrampahalemana nokarakarain'ireo avy amin'ny elatra havia tao Ankara ny marainan'ny 10 Oktobra, voaporofo ho ny nahafatesana olona be indrindra taminà famelezana baomba tamin'ny tantaran'i Tiorkia. Tany amboalohany ny ministeran'ny atitany dia nanambara fahafatesan'olona 30. Ny minisiteran'ny fahasalamana no nanavao ny tarehimarika ho 86 tamin'io andro io, raha ny Fikambanan'ny Mpitsabo Tiorka indray, izay nandray anjara tamin'ilay fihaonambe, manome ny fitambarany [2] ho 97 miaraka amin'ireo marobe naratra.

Ity fanafihana ity dia nitranga mialoha ny fiantsoana ilay fifidianana ankamehana hatao ny 1 Novambra taorian'ny tsy nahavitàn'ilay fifidianana henjana sy manan-tantara [3] tamin'ny Jona nampiditra ny maro an'isan'ny Antoko AKP ho ao amin'ny Antenimiera.

Hatramin'izay fotoana izay, notafihan'ny governemanta ilay vondrona mahery fihetsika mpampihororo any Afovoany Atsinanana – ISIS- ary naveriny natao koa ny adiny tamin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK), vondrona mpihoko miandany amin'ny fizakantena Kiorda tsy hiankina amin'i Tiorkia, nefa nahavita nahita marimaritra iraisaina tamin'ny governemanta tamin'ny 2013.

Rivo-piainana feno tahotra, herisetra ary fampitahorana no endrika isehoan'ny fandrisihana ny olona hifidy, indrindra fa any Atsinanan'i Tiorkia izay toerana itaterana fa manao hasomparana amin'ny vahoaka any an-toerana ny tafi-panjakana, toa tafiditra amin'ny ezaka hamotehana ny PKK.

Selahattin Demirtaş, mpitarika ny HDP Kiorda, mpiandany amin'ny havia, izay ny fandresena azony tamin'ny fifidianana natao ny Jona no nandrava ny ampihimamban'ny AKP tao amin'ny antenimiera, dia haingana tamin'ny fanomezana tsiny [4] tamin'ilay fipoahana nitranga teny an-tokonan'ireo sampan-draharaham-panjakana misahana ny fiarovana.

ry #Demirtaş [5] Filohanay ihany koa: Tsy ny firenentsika no kinendry tamin'iny fanafihana iny, na ny filaminam-pirenena, fa ny fanjakana mihitsy no nanatanteraka azy namelezany ny vahoaka

Nanameloka ny polisy ihany koa ny Sekretera jeneralin'ny sendikà DISK izay nikarakara ilay famoriambahoaka, dia ny polisy izay namely ireo nanandrana nanampy ireo naratran'ny toraka baomba mandatsa-dranomaso, araka ireo tatitra marobe.

‘Nolazain'i Arzu Çerkezoğlu, sekretera jeneralin'ny DISK, fa ‘ny polisy no nanatanteraka mivantana ny fanafihana tao Ankara. Efa namoaka sahady ny fitsaràny izy!’

Ny zava-nisy tamin'ilay fanapoahana baomba dia mampahatsiahy ny fanapoahana baomba tany Suruç [7] tamin'ny Jolay izay nahafatesana olona 32. Ny ISIS no nilaza ho timpon'antoka [8] tamin'ny fanafihana tao Suruç tany atsinanan'i Tiorkia, ary toy ny fanafihana tao Ankara, natao hikendrena ireo Kiorda sy ireo avy amin'ny vondrona havia. Nifamory mba hanampy amin'ny fanarenana ny tanànan'i Kobane ao Syria, izay Kiorda no betsaka amin'ny mponina ao aminy, ireo vondrona. 

Nolazain'ny tatitr'ireo manampahefana amin'ny fiarovana fa mpanao vy very ny ainy no nanatanteraka ilay fanapoahana baomba ny 10 Oktobra teo, olona izay mbola mila fantarina.

Vaovaon'ny NTV mampiseho kanety vy miparitaka eo amin'ilay faritra nisy fipoahana tao Ankara

Nampiseho indray ny fisian'ny tendro roa mifanohitra ao amin'ny fiarahamonina Tiorka ireo fanafihana ireo, izay ny mpanohana ny AKP, miaraka amin'ny tenifototra #HDPsVoteBomb, miampanga ny HDP ho nanapoaka ny baomba tamin'ireo mpanohana azy ihany mba hahazoana ny fon'ny olona hanara-dia azy alohan'ny fifidianana hatao ny 1 Novambra [11] .

Tsy ho afa-bela amin'ny vono olona nataonareo mba handinganana ny fetra [amin'ny vatom-pifidianana] ianareo #HDPsVoteBomb

Raha misy baomba mipoaka any ho any, ianareo sy ny zanakareo no mametraka azy any. Ianareo no namely baomba ny famoriambahoaka nataonareo tao Diyarbakir sy ireo tanora tany Suruç tahaka io ihany koa.

Ho setriny, nampangain'ireo kaonty mpanenjika ny fanjakana ny Filoha Erdogan sy Hakan Fidan lehiben'ny sampam-pitsikilovana.

Hatramin'ny naha-lasa azy ho filohan'ny MIT (sampam-pitsikilovana), vono olona tahaka ny inona no mba voasorok'i Hakan Fidan ? Roboski, Reyhanlı, Suruç, Diyarbakır, Ankara… olona an-jatony maro no maty.

Ny 9 Oktobra, nanao famoriambahoaka ho fanohanana ny governemanta AKP i Sedat Peker lehiben'ny mafia Tiorka, tamin'izany no nampitandremany hoe mety hitranga alohan'ny fifidianana ny “onin-drà mandriaka”.

“Hisy onin-drà handriaka, toy ny hoe tapaka daholo ny tendan'ny olona. Ho fantatr'izy ireo izany rehefa handriaka toy ny ony ny ràn'izy ireo”

Fotoana fohy taorian'ireo fipoahana baomba, nanambara [19] samirery ny fampitsaharana ny fifandonana ny PKK, fihetsika iray nakipily [20] ho toy ny ‘tetikadim-‘pifidianana avy amin'ny AKP. Selahattin Demirtaş mpitarika ny HDP koa dia niantso fanafoanana ireo famoriambahoaka alohan'ny fifidianana.

Ireo hetsika farany dia manosika lavidavitra kokoa ny ahiahy momba ny mety hahafahana manao ilay fifidianana — izay mbola mety hahemotra — ao anaty tontolo malalaka sy tsy mitanila. Marobe no mahita fa tsy mety tanteraka ny hanaovana fifidianana ao anatin'izao tontolo politika misy ankehitriny izao.

Koa satria nitombo tao amin'ny media sosialy ny tsahotsaho sy ny tohankevitra momba ilay fanapoahana baomba, dia toa nobahanan'ny fanjakana ny fidirana amin'ny Twitter.

Eto isika izao – nopihan'i Tiorkia ny Twitter ary dia miverina mampiasa VPN aho

Fisaorana mitafotafo ho an'ny VPN amin'ilay findaiko. Toa nobahanan'i Tiorkia ny Twitter ho tohin'ilay fipoahana baomba nandravarava androany tao Ankara

Narahana fandraràna tsy handefa ny fandrakofana vaovao momba ilay fipoahana tao Ankara ilay fisakanana ny Twitter, mampihena ny fizaràna vaovao tsy mitanila mikasika ilay fanapoahana baomba. (tao anatin'ny fotoana tsy ela akory, niharan'ny tsindry mavesatra [11] avy amin'ny fanjakana sy ireo jiolahimboto nasionalista ireo media tsy miankina ao Tiorkia).

Ny Sabotsy tolakandro, nandefa fanambaràna iray tany amin'ny RTUK (Kaomisiona ambony momba ny fampielezampeo sy fahitalavitra) i Akdogan, Praiminisitra Lefitra, mba hametrahana mandritry ny fotoana voafetra ny fandraràna tsy handefa mikasika ilay fipoahana baomba noho ny resaka ‘fiarovam-pirenena sy filaminam-bahoaka’

Ao Tiorkia, marobe ireo eny an-kianja no mino hoe andraikitry ny fanjakana ny sasany amin'ny fankatoavana ankolaka ireo fanafihana ataon'ny HDP. Ivelan'ny hopitaly ao Ankara, toerana nandraisana ireo naratra, vahoaka maro no nitangorona hihiaka ny hoe ‘Erdogan Mpamono Olona’.

“Erdogan Mpamono Olona” no nokiakiahan'ny olona teo anoloan'ny hopitaly tao Ankara taorian'ireo fipoahana baomba nahafatesana ampolony mahery

Nanambara andro telo ho fisaonan'ny firenena i Ahmet Davutoglu Praiminisitra Tiorka, taorian'ireo fipoahana tamin'ny 10 Oktobra.

Raha ny maridrefy nisy ny fanafihan'ny  mpampihorohoro androany tao Tiorkia, avy amin'ny fomba fijery ara-tantara