- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Shinoa : Mandany Ny Andro Tsy Fiasàny Amin'ny Fanaovana Hetsi-panoherana Ny Fandidiana Tarehy Zara Fa Vita Any Korea Atsimo

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Shina, Fahasalamàna, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
A group of Chinese tourists protested in Seoul for failed makeover. Images from Weibo. [1]

Vondronà Shinoa mpizahatany, nanao hetsi-panoherana tany Seoul noho ny fandidiana tarehy tsy nety. Sary avy tamin'ny Weibo.

Nandritra ny andro tsy fiasàna “Golden Week [2]” (Herinandro Volamena) ny faran'ny volana Septambra ka hatramin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra, nisy vondronà Shinoa mpizahatany nandeha tany Seoul, Korea Atsimo, mba hanao hetsi-panoherana teny an-dalambe, noho ny fandidiana tamin'ny tarehy tsy nety izay nolazainy fa natao tao amin'ilay firenena.

Ireto ireo vokatr'ilay fandidiana tsy nety : tsy fifandrifian'ireo valanorano, haben'ny maso sy hodimaso ary takolaka tsy mitovy, orona mitolefika ambany ary hozatry ny tarehy mihenjana be, ankoatra ireo vokatra hafa. Nilaza ireo vehivavy fa voarebirebin'ireo mpiasan'ny fitsaboana izy ireo mba hanao ny fandidiana, tsy nahalala akory ny fankatoavana azon'ilay toerana sy ny fahaizan'ireo mpandidy.

Araka ny media Shinoa eo an-toerana, nitaraina ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana fa nohidian'ilay hopitaly tao anaty efitra maizina aloha izy ireo ary nogiazana ny pasipaorony. Ny farany, nosamborin'ny polisy izy ireo.

Any Shina, tsy eken'ny lalàna ny fikarakaran'ireo mpanjifa hetsi-panoherana hitakiana fampahafantarana sy onitra sahala amin'ny ataon'ireo vehivavy ireo, fa any Korea Atsimo kosa, afaka manao izany ara-dalàna tsara izy ireo, ary efa imbetsaka ny sasany tamin'ireo vehivavy no nandeha tany Seoul mba hanao hetsi-panoherana nanoloana ireo hopitaly.

Indostria mitentina lavitrisa maromaro

Hatramin'ny nanesorana ny fibahanana ny fandidiana tarehy tany Shina ny taona 2001, nitombo hatrany, maherin'ny 40 isan-jato [3] isan-taona ilay sehatra, tato anatin'izay 15 taona izay. Ny taona 2012 [4], nandany 300 lavitrisa yuan (eo amin'ny 47,2 lavitrisa dolara Amerikana) ireo vahoaka Shinoa tamin'ny fanovàna endrika, ary nampiditra mpiasa maherin'ny 20 tapitrisa ilay sehatra ary natao tany amin'ireo efitra tsy manana fahazoandàlana avy amin'ny fanjakana ny manodidina ny 70% amin'ireo fandidiana tany Shina [5].

Teo anelanelan'ny 2009 sy 2010, maherin'ny 3,4 tapitrisa ny fandidiana ho fanovàna endrika natao tao Shina, ary farafahakeliny fitarainana miisa 20.000 [4] noho ny tarehy simba no voaray isantaona.

Novinavinaina fa ny taona 2018, hitentina 850 lavitrisa yuan [6] ( eo amin'ny 133,72 lavitrisa dolara Amerikana) ilay tsenan'ny fandidiana tarehy, satria misokatra kokoa amin'ny hevitra fanovàna tarehy ireo taranaka tanora kokoa [7], ary vonona ny hizara ireo zavatra niainany ety amin'ny Aterineto.

Misafidy ny hitsidika an'i Korea Atsimo ireo Shinoa manamanana kokoa, toerana fantatra amin'ny maha toerana malaza fandehanana azy amin'ny resaka fandidiana tarehy any Azia, noho ny tolotra ara-pitsaboany. Ny taona 2014, tsy latsaky ny Shinoa mpizahatany miisa 56.000 no nitsoriaka nitsidika fotoana fohy ilay firenena.

“Fanomezana avy amin'ireo ray aman-dreny ny tarehy”

Kanefa, tsy faly tamin'ireo vokatry ny fandidiana azy daholo akory ireo rehetra nanao izany, ary mety hisy fahasimbàna hita mivaingana raha olona tsy nahazo fahazoandàlana no manao ny fandidiana.

Rehefa tafaverina tany Shina ireo vaovaon'ny fanaovana hetsi-panoherana, lasa lohahevitra mahamay tao amin'ny sampana Huati an'ny vohikala media sosialy malaza Weibo io (#manao hetsi-panoherana any Seoul ireo mpanjifa nanao fandidiana tarehy tsy nety# [8]). Fa tsy nankasitraka ilay fandidiana sy ny hetsik'ireo vehivavy ny ankamaroan'ireo fanehoankevitra — tsy nalaky nahazo faka tany Shina toy ny an'ilay indostrian'ny fandidiana ny lanjan'ilay hetsi-panoherana. Mpisera maro amin'ny Aterineto no nifikitra tamin'ny hevitra hoe fanomezana avy amin'ireo ray aman-dreny ny vatana:

你们整容前你妈妈知道吗?你们对的起她吗?这不是瞎搞吗?

Fantatry ny reninareo ve hoe namboarinareo ny tarehinareo? Tsy malahelo azy ireny ve ianareo? Inona no hanaovanareo hetsi-panoherana?

为啥要抗议?自己愿意花钱整容,又没有被人强迫 本来整容就是有很大风险的,愿意投资就要有能承担风险的心理

Inona ny anton'ilay hetsi-panoherana? Mandany vola hanamboarana tarehy ianareo. Tsy nisy olona nanery anareo hanao izany. Mety ahitàn-doza ny fandidiana vatana, ary tokony vonona ny hizaka ny vokatry ny fandaniany vola izy ireo.

人的容貌是父母所给,老天所给,为什么要去改变

Fanomezana avy tamin'ireo ray aman-dreny sy Andriamanitra ny tarehin'ny olona. Inona no ilàna hanova an'io?

广告做的好,就以为真的做的好。为甚就不相信爹娘最好呢!真是可怕的悲哀。我的土地上,为甚有越来越多的虚妄的植物?

Nahoana no mametraka ny fitokisanareo amin'ny dokambarotra. Nahoana ianareo no tsy matoky ireo ray aman-dreninareo? Tena mampalahelo izany. Nahoana no lasa zava-poana ny olona eto amin'ity tany ity ?

‘Tokony hiditra an-tsehatra ireo governemanta’

Etsy ankilany, nanome sosokevitra ny tokony hidiran'ireo governemanta an-tsehatra mba handamina io olana io ireo mpampiasa manana fomba fijery malefaka kokoa:

某些大陆的网友太可恶了,说什么活该之类的废话。我想说的是,爱美之心人皆有之。人家自己的事情不需要你去干涉或者你去发表什么活该之类的言论,更不需要某些人去讲什么身体发肤受之父母之类的大道理。现在最重要的就是,希望你们大陆所谓的有关部门可以与南韩方面进行交涉处理~

Diso ratsy loatra ny sasany amin'ireo mpisera amin'ny aterineto. Samy te-ho tsara daholo ny rehetra, ny raharahanareo atao an-tsaina ary tazony ireo fanehoankevitra ratsinareo. Tsy misy tokony ilaina hitoriana ireo fotokevitra sahala amin'ny hoe avy amin'ireo ray aman-dreny ny “nofo, volo ary hoditra”. Ny tena zava-dehibe izao dia ny hanainga ireo manampahefana Shinoa mba handamina io olana io amin'ireo manampahefana Koreana Atsimo.

真实的就应该讨回公道,爱美之心人皆有之,这么伤害为了变美而甘愿承受皮肉之苦的人真的应该受到惩罚,个人认为应该放到国际的层面上解决~~

[Raha toa ka tsy nanana fahazoandàlana ireo orinasa ireo] tokony mangataka onitra ireo mpanao hetsi-panoherana. Samy tia tarehy tsara daholo ny rehetra, tokony ho saziana ireo olona manararaotra ireo mitady fahatsaràna ary manimba azy ireny. Amiko manokana, mieritreritra aho fa tokony halamina any amin'ny ambaratongan'ny governemanta io resaka io…