Tantara tamin'ny 23 Oktobra 2015
Nitondra tondradrano sy fahasimbana ara-pambolena tamin'ny sompitr'i Philippines ny rivodoza Koppu
Koppu no rivodoza faharoa natanjaka indrindra nandona an'i Philippines tamin'ity taona ity. Ankilan'ny tondradrano sy fihontsahan'ny tany naterany, dia nosimbain'i Koppu ihany koa ny voka-pambolena tao amin'ny sompitry ny firenena.
Vehivavy Shinoa : Mandany Ny Andro Tsy Fiasàny Amin'ny Fanaovana Hetsi-panoherana Ny Fandidiana Tarehy Zara Fa Vita Any Korea Atsimo
Tsy nalefadefaka tamin'ny hetsi-panoheran'ireo vehivavy ny ankamaroan'ireo Shinoa mpisera amin'ny Aterineto. "Nahoana àry ny olona eto amin'ity tany ity no lasa zava-poana?" hoy ny fanehoankevitra iray.
Endrika Roa amin'ny Zavamisy Iray: Vaninandro Mafana Tao Amin'ny Nosy Chios (Gresy)
Ho an'ny mponina ao amin'ny nosy Gresy ao Chios, nitondra lesona ny vaninandro mafana lasa teo fa "hitohy. . . raha mbola miraikitra ny fahoriana ao anatiny sy ivelan'ny firenentsika."
Manao ‘Fitokonana Tsy Hita Maso’ Ireo Mpisera Amin'ny Aterineto Thailandais, Manohitra Ny Tetikasa Vavahady Tokan'ny Aterineto
"Ho an'ny governemanta sy ireo masoivohon'ny fiambenana ny hany tombony tokana azo amin'io. Ho afaka hiaino, hanivana, hametra ary hanaraka maso an-tsokosoko ireo zavatra rehetra alefa sy voaray avy amin'ireo mpampiasa Aterineto rehetra izy ireo."